· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Novambra, 2011

Bangladesh: Ny fodiana amin'ny fotoana fankalazana ny Eid

  08 Novambra 2011

Ny Eid dia fetim-pinoana lehibe indrindra ankalazain'ny ankamaroan'ny Silamo ao amin'ny firenena Bangladesh, ary ny tena fototra amin'io fankalazana io dia ny fiverenana any amin'ny taninao ka miaraka mankalaza izany miaraka amin'ny fianakaviana izay mipetraka an-tany lavitra. I Bijoy dia mitantara ny fiainan'ny mponina ao Bangla eo amin'ny resaka ady, tebiteby ary ny fifaliana amin'ny fahatongavana any an-trano amin'ny fankalazana ny Eid.

Tonizia: Niverina Tao Amin'ny Facebook Hitsikera ny Islamista ny Mpiserasera

Nanjary lohahevitra mafana ny resaka mikasika ny herin'ny hetsika Islamika hatramin'ny nanombohan'ny Lohataona Arabo tao Tonizia ny volana desambra farany teo. Niteraka adihevitra marobe ihany koa ny Salafista tao anatin'izay volana vitsivitsy taorian'ny revolisiona Tonizia izay. Araka ny tati-baovao, nanafika ny iray tamin'ireo toeram-pilalaovana sarimihetsika izy ireo noho ny fampisehoana sarimihetsika...

Ejipta: Tokony Hisarom-boaly Koa Ny Lehilahy!

Niaraka tamin'ny fitroaran'ireo Islamista talohan'ny revolisiona, nitombo ny tahotra ny hisian'ny faneriterena ara-pinoana teny anivon'ny tanora, ireo vitsy an'isa ary ny vehivavy. Vondrona Facebook iray mandrisika ny lehilahy hitafy Hijab na voaly, ho fanehoana firaisankina amin'ny vehivavy no vao avy nandom-baravarana. Ireto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy avy amin'ny fandraisan'andraikitr'ireo Ejiptiana sy Toniziana mpampiasa aterineto.

Egypt: Nosaronan'ny Salafista Ny Sarivongana Zazavavindrano Ao Alexandria

Nosaronan'ny Salafista ny sarivongana zazavavindrano iray tao Alexandria, Ejipta, izay nahatonga tsikera sy filazana fahadalana avy amin'ny mpisera. Notaterin'ny mpisiokantsera fa nosaronan'ny Antoko Salafista Al Noor, izay nanao fivoriana teo akaiky teo, ilay sarivongana. Manazava i Farah Saafan: @FarahSaafan: Salafis had a meeting close to a mermaid statue in Alexandria.. Ended...