· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Aogositra, 2011

Costa Rica: Diabe Fanehoan-kevitry Ny Vehivavy tsy Maoty, Foto-pinoana ary Zon'ny vehivavy

  29 Aogositra 2011

Ny Alahady lasa teo , 14 Aogositra 2011, no nisy ny Diabe Fanehoan-kevitry Ny Vehivavy tsy Maoty tao San Jose renivohitra nahatonga fanoherana mahery vaika avy amin'ny filazam-baovao sy ara-pinoana noho ireo hira sy seho an-tsehatra mahery setra lazaina ho manohitra ny fiangonana. Ilay adihevitra nafana dia samy nandrakotra ny filazam-baovaom-bahoaka sy ny haino aman-jery avokoa satria ny mponina dia naneho hevitra tao amin'ilay dikanteny Costa Ricain amin'ity hetsi-panoherana nalaza eran-tany ity.

Espana: Famoretana An-kerisetra Nataon'ny Polisy Tamin'ny Mpanao Gazety Nitatitra ny “Diabe Laika”

  22 Aogositra 2011

Ny fitsidihana vao haingana nataon'ny Papa Benedicto XVI tao Espana dia niteraka fanaovana "Diabe Laika" iray ho fanoherana ny fampiasàna ny volam-bahoaka amin'ny resaka fivavahana ao anaty fanjakana laika. Ny fifandonana teo amin'ireo laika sy ireo olom-pinoana dia niafara tamin'ny famoretana an-kerisetra nataon'ny polisy tamin'ireo mpanao gazety nitatitra ny zava-nitranga. Ny Global Voices dia manolotra fantina lahatsary avy amin'ireo fihetsiketsehana.

Pakistan: Mankalaza ny Fetin'ny Fahaleovantena

  17 Aogositra 2011

14 Aogositra ny Andron'ny Fahaleovantenan'i Pakistan, izay manamarika ny daty nialàna tamin'ny fanjanahana Britanika ary nahatonga azy ho firenena afaka. Amin'ity taona ity, nankalazaina tamin'ny firavoravoana be ny 14 Aogositra, tsy teny an-dalana ihany fa teo amin'ny tontolon'ny bilaogy ihany koa. Bilaogera mahafatrapo nandefa lahatsoratra momba an'i Pakistan, mivavaka ho amin'ny fandrosoany sy ny fahombiazany.

Pero: Fangalàrana Zava-Masina Tao Motupe

  02 Aogositra 2011

Ny Talata 5 Jolay 2011, vaovao ratsy nahataitra no nifohazan'ireo Peroviana : nisy nangalatra ilay Hazo Fijaliana Masin'i Motupe [es] izay tena malaza be sy fanta-bahoaka tokoa. Maneho hevitra mikasika izany ao amin'ny Twitter ireo mponin'i aterineto amin'ny fampiasàna ny tenifototra #cruzdemotupe, ary any anaty bilaogin-dry zareo.