· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Jolay, 2011

Kiobà: Ho Fiarovana ny “Las Damas”

  27 Jolay 2011

Manohy hatrany manavao ny lahatsorany ireo Kiobana mpitoraka bialogy mikasika ny fanafihana farany tao Las Damas de Blanco (The Ladies in White Ireo Vehivavy Mitafy Fotsy), ka nisy tamin'ireo mpikambana no voalaza fa nizaka "fanafihana ary daroka an-kerisetra nataon'ny olona mpikambana ao amin'ny Mpitandro Filaminam-Panjakan'i Castro, ka taitra hatramin'ny fiangonana

Armenia: Korontana taorian'ny fanamarihan'ny lehiben'ny mpitondra fivavahana

  24 Jolay 2011

Andro vitsy monja taorian'ilay tati-baovao milaza an'i Karekin II, mpitarika ny Fiangonana Masina Apostolika Armeniana,  izay nilaza fa tsy hitany izay hanaovana ireo monasitera sy fiangonana miorina any amin'ny faritra be tendrombohitra ao amin'ny firenena, dia nanantosa fanentanana tamin'ny valantserasera ireo Armeniana tezitra mba hanaisotra ny Catholicos [anaram-boninahitra omena ny mpitari-pivavahana...

Iran: Fahavaratra Mafana Mitarika Amin'ny Famaizana Fitafy “Tsy Mendrika”

Amin'ny toerana maromaro, midika masoandro, ranomasina, ary fotoam-pialatsasatra ny fahavaratra. Ao Iran, midika zavatra iray ny fahavaratra farafahakeliny:  famaizana izay manao fitafy tsy mendrika na “tsy-Islamika”. Tamin'ity taona ity, nanampy amin'ny fampanajana ny fomba fitafy ny polisim-pifamoivozana ao Iran, ary tsy noferana amin'ny fanomezana fampitandremana sy sazy fotsiny ihany ny famaizana....

Zambia: Pastora Mampiasa ny Facebook Mba Hitoriana Filazantsara

  11 Jolay 2011

Ny Matio 28: 19 no mibaiko ireo rehetra nantsoina hanely n y filazantsaran'Andriamanitra, “Mandehana ka ataovy ho mpianatra ny firenena rehetra…” Mampiasa ny fomba rehetra sy ireo seha-pifanakalozan-dresaka anaty aterineto mba hitoriana teny ireo mpitory filazantsara Zambiana. Niaraka tamin'ny fahatongavan'ireo tambajotra toy ny Facebook, misy amin'ireo pastora be ketrika sy mpitory teny mafàna fo no mampiasa ny vohikala hanakaikezana ireo “fanahy very”

Filipina: Adihevitra Mikasika ny Volavolan-dalàna Momba Ny Fisarahana Am-Panambadiana

  04 Jolay 2011

Miaraka amin'ny fankatoavana ny fisarahana am-panambadiana any Malta, i Filipina izany sisa no firenena tokana mandràra azy io manerana izao tontolo izao. Misy adihevitra mafàna amin'izao fotoana momba ny hoe fotoana ve izao sa tsia handdaniana lalàna momba ny fisarahana am-panambadiana izay toherin'ireo ambaratongam-pitondrana samihafa manana ny tanjany ao amin'ny fiangonana Katolika Filipiana

Hijab: “Hosalorana ve sa Hoesorina?”

Somary midadasika ihany ny lohahevitra noresahina mikasika ny “tontolon'ny Hijab” [sarondoha fisalotry ny vehivavy Arabo], saingy vao haingana, dia nisy lahatsoratra bilaogy hafa mifandraika amin'izany izay miresaka lohahevitra manokana somary sarotsarotra: inona no mety hitranga raha manapa-kevitra hanala ny hijab-ny ny vehivavy iray. Voalohany, nampisy fikorontanana teo amin'ny tontolon'ny bilaogy...