· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Mey, 2011

Indonezia: Fanehoan-kevitry ny Bilaogy manoloana ny fahafatesan'i Bin Laden

  21 Mey 2011

Niely haingana toy ny afo mandoro ny vaovao mikasika fahafatesan’ ilay “mpanjakan'ny fampihorohoroana” Osama Bin Laden. Saingy tsy noraisina tamin-karavoana lehibe ny fahafatesan'i Bin Laden tao Indonezia, firenena be Miozolomana indrindra.  Nampatsiahy ny vahoaka ny solontenan'ny governemanta fa fandresena ho an'i Etazonia ny fahafatesany, fa tsy ho an'i Indonezia. Hita fa...

Irana: Voasambotra ny “mpanala devolin'i Ahmadinejad”

Voasambotra ny olona 25 mpiara-miasa akaiky sy mpanohana ny Filohan'i Irana Mahmoud Ahmadinejad sy ny Lehiben'ny Etamazaoro Esfandyar Rahim Mashai, ary araka ny voalaza dia anisan'izany ny "mpanala devoly" na "mpisambotra djinn" Abbas Ghaffari. Maro no maminavina fa noho ny fifamaliana teo amin'i Ahmadinejad sy ny filoha ambonin'ny Repoblika Silamo Ali Khamenei momba ny fialàn'ny minisitry ny Fitsikilovana Iraniana izany.

Iran: Misambotra Alika (indray)

Niverina eny an-dalambe ny mpitandro ny filaminana Iraniana mba hanohy indray  ny fihetsika manala-baraka tamin'ny taona 2007: Fisamborana alika. Naharitra fotoana fohy ihany ny fisamborana alika farany teo, ary noafahana haingana avy eo ireo alika ireo. Ankehitriny, araka ny voalazan'ny gazety Iraniana, alika maromaro no nalaina ankeriny ary nafindra ”...