· Septambra, 2010

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Septambra, 2010

Inde: hilefitra ve i Kashmir? Sa mety hisy ny fampihavanana ?

  26 Septambra 2010

Nandefa delegasiona matanjaka ahitana mpanao lalàna avy amin'ny antoko politika maro an'isa ny governemanta Indiana afovoany mba hanamaivana ny fandatsahan-drà sy ny fifanoherana any amin'ny faritr'i Jammu sy i Kashmir . Taitra ihany koa ny tontolon'ny bilaogy Indiana taty afara mikasika ity olana ity ary mizara ireo hafany mikasika ny fanantenana, ny fihavanana, ny firaisan-kina sy ny fandriam-pahalemana ireo mpitoraka bilaogy .

Indonezia: Mihantsy ny didim-pitsarana ka manakatona fiangonana ny fanjakana iray

  22 Septambra 2010

Noterena hampitsahatra ny fanompoam-pivavahana, tamin'ny alahady alina teo, ny fiangonana protestanta GKI Taman Yasmin ao amin'ny fitantanam-panjakan'i Bogor, Indonezia. Nohodidin'ny polisy sy ny sampan'ny mpitandro ny filaminana (Satpol PP) ny manodidina ny fiangonana, Notapahiny ny fotoam-pivavahana tao am-piangonana, ary nakatony ara-panjakana noho ny baikon'ny (fitantanana ny ) tanàna ny fiangonana

India: Mirehitra indray i Kashmir…

  16 Septambra 2010

Ny korontana misy amin'izao fotoana any amin'ny faritra Kashmir Indiana dia nateraky ny fanoherana mahery setra nipoitra taorian'ny nivoahan'ny tatitra momba ny fanivaivana ny Korany tany Michigan, Etazonia. 18 raha kely no olona maty ary marobe ny naratra. Mipetraka ny fanontanian'ny olona hoe firy amin'ireny hetsi-panoherana ireny no tena nateraky ny fanivaivana ny Korany ary firy no vokatry ny toe-po mankahala indiana fotsiny izao sy ny adin'izy ireo ho an'ny fahaleovantenany.