· Mey, 2009

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Mey, 2009

Iran: Mitao amin'ny alalan'ny facebook ny mpanohana an'i karroubi amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena

  17 Mey 2009

Vao nitsahatra ny fandrarana ny Facebook tany Iran, saingy ankehitriny dia mampiasa azy ho fitaovana hanaingana ny filatsahany hofidiana ho filoham-pirenena ny mpanohana ny mpitondra tenin'ny antenimiera teo aloha, Mehdi Karroubi. Singa iray lehibe amin'ny fametrahana teti-panorona an-tserasera mandritra ny “fampielezan-kevitra 88″ ataon'i Karroubi ny Facebook. Lasa iray amin'ny mpanolotsainan'i...

Arabia Saodita: Hanohintohina ny Hajj ve ny gripan-kisoa?

  17 Mey 2009

Silamo anarivoarivony no mizotra isan-taona mankany Lameka hanatontosa Hajj (fivahiniana masina), iray amin'ny andry dimin'ny finoana Islamo. Ho voantohintohin'ny viriosy A/H1N1 na ny gripan-kisoa ve ny Hajj amin'ity indray mitoraka ity? Mametraka ny heviny ny mpamaham-bolongana any amin'ny faritra. Ao amin'ny CrossRoads Arabia, i John Burgess no manazava: Mpikaroka Saodiana...

Irana: ho fiarovana ireo Baha’i vitsy an'isa

  09 Mey 2009

Voatsindry hazo lena hatramin’izay ireo  Baha’i vitsy an'isa, ary hita ho toa miharatsy izany toe-javatra izany. Tsy ela akory izay  dia niampanga mpitarika fito tao amin’ny sampam-pitsikilovana Baha'i ny manampahefana Iraniana. Ireo Baha’i ihany no miteny fa anaovana antsojay izy ireo noho ny finoana arahany. Tamin'ny volana lasa iny dia...