· Febroary, 2009

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Febroary, 2009

Lebanona: fanambadiana sivily tamin'ny andron'ny mpifankatia

  22 Febroary 2009

Nisy antso vaovao mba hanomezan'I Liban alalana ny fanambadiana sivily izay tontosaina amin'ny andron'ny mpifankatia tany amin'ny bara iray tany Beyrouth tamin'iny faran'ny herinandro iny. Mpifankatia maro avy amin'ny finoana maro samihafa  no nanao sarintsarim-pampakarambady tao amin'ny Gemmayze trano fisotroana iray  be mpahalala ao mba ho fanoherana ny lalàna mifehy...

Palestina : Ny tantaran'ilay “martiora” avy any Gaza

  20 Febroary 2009

Mangirifiry ny fahafatesan'ny olona akaiky anao, nefa atao ahoana no hahazaka ny fahoriana raha ilay olona no naniry ny ho faty ? Ilay mpitoraka bilaogy avy any Gaza, Samaher Al Khazandar no nanoratra mikasika ny zanak'anabaviny antsoina hoe Mu’min Musa Al Khazandar, izay nanaraka ny miaramilan'ny Hamas, ary nanapa-kevitra fa...

Armenia: Fifangaroan'ny fomba vaovao sy fahagola amin'ny andron’ny mpifankatia (St Valentin)

  17 Febroary 2009

Heverina fa ny vondrona sisa tavela ela indrindra any Armenia dia ny fiangonana Apostolika, niorina ny taona 301 talohan’I Kristy, no fikambanana Kristianiana nasionaly antitra indrindra eto an-tany. Fa nandritra ny 1700 taona taty aoriana dia mbola tavela ny fombafomban’ireo tsy mpino tao amin’ny firenena, eny fa na dia tafiditra tao anatin’ny datin’andro kristiana aza izany ankehitriny. Raha toa ka izao tontolo izao no manamarika ny fetin’ny mpifankatia, dia mankalaza ny mitovy amin’izany fombafomba izany koa ny Armenianina-Trndez.

Rosia: Andro iray ho fihetsehana

  05 Febroary 2009

Nibaliaka ny masoandro teto Mosko ny andron'ny 31 janoary, ambanin'ny  14° Celsius/7° Fahrenheit teo ho eo ny maripàna, nefa na teo aza ny hatsiaka, nahitàna fihetsehana maromaro ho fanoherana ny governemanta ny tanàna – ary fifanjevoana vitsivitsy. Ireto manaraka ireto misy fitantaràna fohy, sary, ampahan-tsary miaina, ary rohy vitsivitsy. LJ...

Japana: Tanora Masina, Jesoa sy Boddha nidina an-tany

  02 Febroary 2009

Ahoana moa raha midina ety an-tany i Jesoa sy i Boddha mba hitsangatsangana faran'ny herinandro? ary ahoana moa raha miara-mipetraka amina efitrano mora vidy any Tachikawa andrefan'i Tokyo izy ireo? izany no eritreretin'i Hikaru Nakamura (中村光) [jp], tanora Japoney mpanoratra manga, raha miaraka amin'ireo Oniisan Masina (聖☆おにいさん [jp], dika mivantana...