Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Desambra, 2008
Noelin-dry zareo any Karaiba
Noely ny andro – Ary tsy misy n'aiza n'aiza mankalaza ny Noely ohatran'ny any Karaiba! Inty misy topi-maso kely ny amin'ny ataon'ny mpitoraka blaogy avy any Karaiba mba ho tafiditra ao amin'ny fanahin'ny fankalazàna… Ny mpitoraka blaogy avy any Guyana dia nanao “meme” amin'ny hoe “Tsy Krisimasy ny Krisimasy rehefa...
Iran: Mpamaham-bolongana Islamista Iraniana manohana an'i Gaza
Mpamaham-bolongana Islamista maro no manao fanaitairana ho fanoherana ny fahirano atao amin'ny tehezan-tanin'i Gaza ka manentana ny tontolo Miozolomana hamonjy ny Palestiniana. Mampiasa fitaovana maro tahaka ny Google bombs sy ny banners ny mpamaham-bolongana hielezany eo amin'ny tontolom-bolongana sy hampiroboroboana ny hetsika. Fanampin'izany dia misy fikambanana mpamaham-bolongana Islamista antsoina hoe...
Isiraely: Vondrom-bavaka hiavian'ny orana
Nirotsaka ihany tamin'ity herinandro ity ny oram-batravatran'ny ririnina taorian'ny fiandrasana azy am-bolana maro lasa izay ka nahatonga an'i Isiraely hisento. Niombom-bavaka hahatongavan'ny orana tokoa manko ny Jiosy, Miozolomana ary Kristiana hoy ny tatitry Maya Norton.
Iràka: Tsy Amin'ny Eid na Fotoana Hafa Manokana Mihitsy ny Saina
Eo ampanamarihana ny Eid Al Adha, amin'izao fotoana izao ny Miozolomana manerantany, fetim-pivavahana izay manamarika ny faneken'i Abrahama hanao sorona ny zanany (naotin'ny mpandika teny malagasy: Ismaela io ho an'ny Silamo fa Isàka kosa ho an'ny Jiosy sy ny Kristiana) sy ny famaranana ny fivahiniana masina atao any Lameka (...
Isiraely: Fomba fijery ny fampinonoan-dreny amin'ny riba jiosy
Ao amin'ny “ Fampinonoan-dreny sy ny Jodaisma: Nahoana ny renin'i Mosesy no tsy nametraka tavoahangy (biberao) tao amin'ny lakanjozoro ,” Hannah Katsman ao amin'ny Green Prophet no manazava ny mahazava-dehibe ny fampinonoan-dreny teo amin'ny lalàna jiosy sy ny nentin-drazany raha oharina amin'ny fiaraha-monina any Isiraely amin'izao fotoana izao. Maya Norton
Taiwan: Filoha very saina?
Mpikatroka ara-tsosialy Wobblies no miteny ao amin'ny twitter-ny (zh): “Teo ampahalalako ny fandavan'i (filoha) Ma ny famangian'ny Dalai Lama an'i Taiwan, no nanombohako nieritreritra fa marina ny nolazain'ny naman'ny raiko. Nolazainy ary fa na manana olona mitovy endrika sy vatana tanteraka aminy (fr: sosie) ity filoha ity, na efa takalon'ainan'olon-kafa....
Ezypta: Boky amerikana
Ny mamaham-bolongana Ezypsiana Asmaa Yasser - Maraina - eto no manoratra ny zavatra niainany tao amin'ny famakiam-bokin'i Mubarak ho an'ny daholobe. Mandika ny lahatsoratra avy amin'ny teny Arabo kosa i Tarek Amr.