· Aogositra, 2008

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Aogositra, 2008

Fanamiana Hijab amin'ny Olympika

  19 Aogositra 2008

Nizara sarin'ireo mpanao fanatanjahan-tena tamin'ny lalao Olympika izay manao Hijab ny blaogy anglisy Hijab Style. Hita ao amin'ny sary i Ruqaya al Ghasara avy ao Bahrain sy Waseelah Fadhl Saad avy ao Yemen.

Iran: Mitondra fivavahana ambony diso fanantenana

  12 Aogositra 2008

Kamangir no mitatitra fa nalahelo (tezitra) tamin'ny ekipan'i Iran ny Mpitarika Vavaka isan-Joma tao amin'ny tanànan'ny mpivavaka ao Mashhad, dia ny Ayatollah Seyed Ahmad Alam Alhoda, satria vehivavy no nitarika azy ireo tamin'ny lanonam-panokafana ny lalao olaimpika.

Arabia Saodita:Ny fisaraham-panambadiana, teny tsy misy dikany ve?

  03 Aogositra 2008

“Dia ho lasa teny maivana (tsy misy dikany) ve ny fisaraham-panambadiana?” hoy ny fanontanian’i 3abira Sabbel, vehivavy saodianina mpitoraka blaogy [amin’ny teny arabo], ao anatin’ny hafatra iray mandalina ny fahasamihafàn’ny vehivavy ankehitriny sy ny reniben’izy ireny, ary ny antony mahatonga ny tanora lahy sy vavy hieritreritra fa zava-mora ny manafoana...

Isiraely: Aro lozam-pifamoivoizana ho an'ny Silamo

  02 Aogositra 2008

Avy any Isiraely, Not a Fish (tsy trondro) no nanoratra ny fianarana momba ny lalàm-pifamoivoizana ho an'ny mponina tsy jiosy any Isiraely – ary ny tanjona amin'izany dia ny hampihenana lozam-pifamoivoizana. Mpitondra fivavahana 250 no nanatrika nandritra ny indray andro ny lesona momba ny fiarovana ny ankizy,  fisorohana ny loza...

Barbada: Tsimokaretina tsy mahatombitsiraka

  02 Aogositra 2008

Ho tohin'ny ahiahin'ny maro manodidina ilay fahafatesana tsy dia mazava loatra nanjo an'i l'Akobi Tacuma Maloney, Barbados Free Press no nilaza fa: “Sehon'aretina efa mikiky tsikelikely ny fototry ny fiarahamonina mihitsy no nahatonga ny fahafatesan'i I’Akobi – aretin'ny kolikoly zary efa latsa-paka ao anatin'ny kolontsaintsika.”