The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Religion Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Religion

2008-10-06

Thailand

Mankalaza ny fety isantaonan'ny mpifady hena ny fokonolona Shinoa mipetraka any Thailand. Jereo sao mahaliana anao ireto sary manaraka ireto.

2008-10-03

Senegaly : Fahasamihafana mikasika ny Ramadana

Ria Bacon no mizara mikasika ny fivavahana Silamo sy ny fahasamihafana mikasika ny Ramadana Senegaly : Thus for some, Ramadan ended yesterday; for most it was today, declared a national holiday by the Government. One final confusion: the festival to mark the end of Ramadan is called Korité in Senegal, ...

2008-09-27

Ejipta: Jiolahin-tserasera manao Jihad (na sovoka anaovana jihad)

Mihanaka avy eny an-tokontany hiditra amin'ny tontolo viritoaly ve ny Jihad ? Soratan'ny mpamaham-bolongana Ejipsiana Marwa Rakha eto (sy eto) ny fahatongavan'ny adihevitra mandeha eo amin'ny vondrona lahika sy Isilamika ao Ejipta amin'izao fotoana izao. Manoratra ary izy: It is no big secret that the number of Egyptians who believe ...

2008-09-26

Pakistana: “Fa maninona Rakoto no tsy raharahan'ny Google izahay?”

Ampiasain'ny Karana ho sehatra itarainana ny bolongana rehefa niresaka manodidina ny fitongilanan'ny haitaon'ilay goavana Google ry zareo. Ny miteraka adihevitra eto dia ny Google Doodles (soritsoritra google) ho an'i Pakistan. Google Doodles moa no anaran'ireny kisarisary asehon'i Google tsindraindray rehefa amin'ny fotoan-dehibe ireny. Mankalaza sy manome voninahitra ny ankamaroan'ireny fety ...

2008-09-05

Ezypta : Miarahaba tonga soa ny volana masin’ny Ramadany

Ny volana masin’ny Ramadany, nanomboka ny Alatsinainy teo, dia manana ny tsirony manokana any Azypta, ka noravàhana hifanaraka amin’izany ny lalàm-be rehetra.Mpitoraka blaogy iray no maneho ny lokony sy mitondra antsika eo anivon’izany fankalazàna izany Vehivavy ezyptiana iray mpitoraka blaogy SaSa no mitanisa ao amin’ny blaoginy Stories from the Past (Ny ...

2008-09-03

Moyen-Orient : Momba sy manohitra ny fandaharana amin'ny fahitalavitra mandritry ny Ramadany

Vao manomboka ny volan'ny Ramadany izao ary ireo mpijery fahitalavitra miteny arabo dia samy efa tsindrian-daona miandry izay fandaharana haroson'ny fahitalavitra voaomana ho amin'izany ny hariva. Ireo mpitoraka blaogy jordaniana, saodiana sy ny avy any Barheïn dia mifanpizara ny fomba fijeriny manodidina ireo fandaharana be mpanaraka mandritry ny Ramadany. Avy any ...

2008-08-19

Olympics

Nizara sarin'ireo mpanao fanatanjahan-tena tamin'ny lalao Olympika izay manao Hijab ny blaogy anglisy Hijab Style. Hita ao amin'ny sary i Ruqaya al Ghasara avy ao Bahrain sy Waseelah Fadhl Saad avy ao Yemen.

2008-08-14

Etazonia : Mitoraka blaogy mba handraisan'ny Anglikana ireo Pretra sy Eveka LGBT

Tamin'ny tapaky ny volana Jolay no natao tao amin'ilay katedraly manan-tantara ao Canterbury, ao Angletera ny fivoriam-ben'i Lambeth. Isaky ny folo taona moa no tanterahina ity fivoriam-be ity, izay hihaonan'ireo Eveka sy Arseveka manodidina ny 650 mitantana ny mpino Anglikana manodidina ny 80 tapitrisa maneran-tany. Farafahakely dia fito ny fikambanana LGBT ...

2008-08-12

Olympics

Kamangir no mitatitra fa nalahelo (tezitra) tamin'ny ekipan'i Iran ny Mpitarika Vavaka isan-Joma tao amin'ny tanànan'ny mpivavaka ao Mashhad, dia ny Ayatollah Seyed Ahmad Alam Alhoda, satria vehivavy no nitarika azy ireo tamin'ny lanonam-panokafana ny lalao olaimpika.