The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Vonjy & Fanampiana Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Vonjy & Fanampiana

2009-01-23

Palestina: “Zava-poana ny rehetra eto Gaza - ny fifohana rivotra, ny fihazakazahana, ny fanantenana”

Ato anatin'ity topimason'ny blaogy avy any Gaza ity no andrenesantsika ny antsipirihan'ny fanafihana ny toeram-pitsaboana Al Quds ao amin'ny faritry Tel al-Hawa any amin'ny tananan'i Gaza , avy amina Aostalianina mafana fo izay teny an-toerana tamin'iny fotoana iny, ary Italianina iray manoritsoritra lehilahy maratra tsaboina ao amin'io toeram-pitsaboana io, izay ...

Palestina : “Any Gaza, ny maty ihany no nahita ny fiafaran'ity ady ity”

Nahita ny fahalebiazan'ny fahapotehan'i Gaza ireo mponina taorian'ny 3 herinandro nanafihan'ny Israeliana ny tanàna, ary efa manomboka mamerina ny fiainany andavanandro tsikelikely. Ireo mpitoraka bilaogy sasantsasany no manahy ny amin'ny fahasimbana ara-tsaina sy ara-po. Misy ny manontany hoe : "Inona no valisoa ho an'izay afa-mitsangana ka mandeha indray?" Sharyn Lock, Aostraliana ...

2009-01-22

Madagasikara: Fahapotehina noho ny rivodoza Fanele sy EricSary post

Vao tsy ela akory izay dia noteren'ny rivomahery Eric sy ny rivodoza Fanele andaniny sy ankilany i Madagasikara. Manahy ny ho fiantraikan'ny loza voajanahary tahaka izao ny mpamaham-bolongana eto Madagasikara raha fantatra ihany fa tena nampididoza manokana ny vanim-potoanan'ny rivodoza tamin'ny herintaona. Na dia mihahenjana aza ny toe-draharaha politika dia maro avy ...

2009-01-21

Madagascar

Ny mpamaham-bolongana Pierre Maury no mahatsiaro ny faritra atsimo andrefan'i Madagasikara rehefa niditra an-tanety ny rivodoza Fanele tokony androany tamin'ny 4:17 marainan'ny 21 Janoary 2009 (fr). Ahiana hisedra ny setrasetran-drivotra mahatratra 281 km/h ny tanànan'i Belo-sur-Mer.

Lova Rakotomalala

2009-01-18

Palestina:Tsy manam-basy na fitaovam-piadiana aho, ny filazana ny marina no entiko miady

Anatin'ity topimaso momba ny blaogy avy any Gaza ity, mandre isika ny fitantaràn'ny mpamily fiara mpamonjy voina iray ny fomba iainany ny tahotra, ny fiantraikan'ny fampitandremana nataon'ny IDF nalefa tamin'ireo fahitalavitra sy fampielezam-peo tao an-toerana – sy ny hoe nahoana no ny fisintahana an'i Gaza sisa no azo antoka indrindra ...

2009-01-16

Nitsidika ireo Palestiniana voahilikilika ny mpitoraka blaogy Ejyptiana

Vondron'olona maratra Palestiniana maro no nitsofoka any Ejypta avy ao amin'ny sisintany ao Rafah ary ry Ahmed Al Sabbagh sy Mohamed Hamdy izay mpitoraka blaogy dia nanao fitsidihana ho fankaherezana azy ireny tao amin'ny tobim-pitsaboan'ny Croissant Rouge. Nanoratra i Al Sabbagh taorian'izany fa : بكاء .. وألم .. وعجز .. وحسرة .. ...

2009-01-14

Palestina: “Toa efa simba sahady na ny hoavinay aza eto Gaza”

Anatin'ity jery todika momba ny hafatra anaty blaogy avy any Gaza ity no andrenesantsika adolantsento iray vao avy namoy ny namany ary manahy mafy ny amin'ny ainy koa, mpiasan'ny fahasalamana iray maty raha iny izy handeha hamonjy olona iny indrindra, ary lehilahy iray nilaza ny tsy fironany amin'ny resaka politika: ...

Asia Atsimo-Atsinanana: Fifanolanan-kevitra sy voina teo amin’ny taona 2008.Video post

Tamin’ny fampisehoana farany teo (Southeast Asia: Newsmakers of 2008)" no nanoratako ny momba ireo zava-nitranga manandanja lehibe indrindra izay niseho tao Asia atsimo-atsinanana. Amin’ity lahatsoratra ity kosa no hanasongadianako tantara hafa nahatonga fifandirana. Tanjona hafa ny hanangonana sy hanasokajiana ny lahatsora-mpifandraisana mipetraka eo an-kavanan’ny Global Voices, izay mikasika ny faritra Andao ...

2009-01-09

Palestina: Atao vaovao izahay aty Gaza nefa tsy mahita tele akory

Omaly (06 janoary) dia nodarofan'ny Isreliana baomba ny sekoly iray an'ny ONU (Firenena Mikambana) izay ampiasaina hipetrahan'ireo mpitsoam-ponenana ao Jabaliya ka nahafatesana olona 40 eo ho eo. Androany dia nampiato ny fanafihany nandritra ny ora 3 teo ho eo ry zareo Israeliana mba hahafahan'ny fanampiana miditra ao Gaza. Afaka jerena ...

2008-11-28

Isiraely: vaovao farany momba ireo takalon'aina jiosy any Mumbai

Tsy dia fantatra loatra hatramin'izao ny manjo ireo takalon'aina nandritra ny fanafihana ny Ivotoerana Jiosy Chabad ao Mumbai. Chabad moa dia iray amin'ireo antokom-pinoana jiosy Hasidika Ôrthôdôksa mipariaka indrindra. Ny vaovao tena farany indrindra re mikasika ireo takalon'aina jiosy dimy voatazona tao moa dia ny fahafatesan'izy ireo, hoy i Gilad Lotan. Vakio ary ny fandehan'ny raharaha.