The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Relief & Rescue Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Relief & Rescue

2008-08-14

Zeorizia, Rosia: Tsy maharo ny siviliny ny fitondrana

Vao tafaverina rehefa nihitsoka tany Zeorizia ny manao gazety Okiraniana Ihor Lutsenko - mampiasa ny anarana LJ igordaily - Ity eto ambany ity ny nosoratany tao amin'ny bolongany (UKR): […] It was difficult to get back. Many of our journalists got stuck there, because there are no return tickets, and they ...

2008-08-11

Libanona: Doro ala sy fiakaran'ny maripàna

Efa an-taonany maro izao no ahitana doro ala isaky ny lohataona amin’ireo hany sisa mba faritra voajanahary Libaney. Ary isan-taona, lalaovina hatrany ny fifanilihana: ireo antoko sy mpanao pôlitika dia mifanilika hatrany ho tsy nisy fiomanana momba izany ary tonga hatrany amin'ny fifampiampangana ho nanao fanahy niniana ny fandorana.Raha izany, ...

2008-07-09

Japàna : Fanambarana mikasika ireo olona nalaina an-keriny izay miteraka fahatezerana

Ny fanambarana nataon'i Koichi Kato, mambran'ny Antoko Liberaly Demôkratika Japôney [Liberal Democratic Party] sady ministra teo aloha rahateo, tamin'ny 7 Jolay 2008 lasa teo dia niteraka fahatezerana teo anivon'ireo mpiblaogy Japoney sy tao amin'ny vohikala 2channel [Japôney]. Ny tsy fandrosoan'ny adihevitra fikatsahana fihavanana amin'ny Japàna sy Kôrea Avaratra dia narohin'i Koichi Kato tamin'ny ...

2008-06-06

China

Asehon'ny CCTV (izay marihina fa mandeha amin'ny TVM rehefa vita ny fandaharana tontosain'ny tvm amin'ny alina ka mandra-panombohan'ny fandaharana amin'ny maraina indray)amin'izao tontolo izao ny lahatsary ahitana ny fisaoran'ny traboina izay nataon'ny governemanta. Guo yu hua, mpahay momba ny olombelona kosa milaza fa ny governemanta no tokony hisaotra ny vahoaka shinoa noho ny haavom-pahaizan'izy ireo nanao asam-pankaherezana [zh].

2008-06-04

Madagasikara : Mizarazara hevitra ireo mpiblaogy mikasika ny fanampiana ireo tra-boin'ny horohorontany any Sichuan

Nanolotra fanampiana ho fandraisana anjara amin'ny fiaraha-mientana iraisam-pirenena ho fanohanana ireo tra-boin'ny horohorontany any Sichuan, any Shina, ny governemanta Malagasy. Ny halehiben'ny voina sy izay fahasimbana dia nanosika ny governemanta hanome lelavola $100,000 USD hoan'ny masoivoho Shinoa Wo Ruidi any Madagasikara ho fandraisana anjara amin'izany ezaka iombonana izany. Mizarazara ny blaogasyfera ...

2008-05-29

Shina : Fisaonana tao Tiananmen ireo maty sy niharam-boina nohon'ny horohorontanyThis is a Photos post

hk1183 no manapariaka andiantsary maro nalaina tany amin'ny kianja malalaky Tiananmen, nandritra ny hetsika "3 minitram-pahanginana" ho fisaonana ireo maty sy fiaraha-miory amin'ireo niharam-boina nohon'ny horohorontany nitranga tany amin'ny faritry Sichuan, izay natao ny 19 May 2008 tany Beijing, any Shina, ary nahitana olona mpandray anjara maro.

2008-05-23

Manokatra fahitalavitra ara-Aterineto natokana hitaterana ny vaovaon'ireo olontsotra mampita vaovao ny vohikala YouTubeThis is a Video post

Tohiny Nihatsotra ny fahazoana tombom-potoana hanapariahana ireo vaovaon'ireo olontsotra mampita vaovao : ny vohikala mpampariaka lahatsary eto amin'ny Aterineto YouTube dia nanokatra fantsona fahitalavitra ara-Aterineto natokana hitaterana azy ireny, ary nampitondrainy ny anarana hoe CitizenNews [vaovaon'ny olontsotra]. Ireo Vlogger [video+blogger mpiblaogy amin'ny alalan'ny lahatsary] dia afaka misoratra anarana ary mampariaka ho hitan'izao tontolo izao ...

2008-05-14

Shina: Horohorontany nahatratra ny hery 7.8 izay tsapa saiky manerana an'i ShinaThis is a Photos postThis is a Video post

Tohiny Tokony ho ora roa lasa izay, dia nisy horohorontany izay nahatratra ny hery 7.8 eo amin'ny metatry Richter [7,0-7,9 heverina ho toy ny horohorontany henjana izay mety mahatratra 18 isan-taona maneran-tany, sy ranomasina] izay nandona ny faritra Atsimo Atsinan'i Shina, dia ny faritanin'i Sichuan, izay tao amin'ny fivondronan'ny Wenchuan ny ...

Shina : Horohorontany an-tsaryThis is a Photos post

Nanagona sy nanapariaka andian-tsary mampiseho ny ny horohorontany vao nitranga tany amin'ny faritry Sichuan any Shina i ESWN [East South West North na Atsinanana Atsimo Andrefana Avaratra].

2008-05-10

Myanmar: Milona ny asa famonjena

Miakatra hatrany ny isan'ny maty tao Myanmar andro maro taorian'ny nandalovan'ilay rivo-doza mahafaty namely ny firenena. Razana maro no ariana (atsipy) any an-drenirano Tonga avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny fanampiana saingy ny fitondrana miaramila no mampanano-sarotra ny hetsik'ireo fikambanana mpanampy avy any ivelany. Miharatsy ny toe-draharaha rehefa ny sakafo sy ny fanafody no tsizarizary