Tantara misongadina mikasika an'i Fandrindràna
Venezoela: Voabahana Nandritra Ny “Telo Minitra” Ny Aterineto Tamin'ny Androm-Pifidianana

Ny hariva be tamin'iny Alahady 14 Aprily androm-pifidianana tao Venezoela iny, tapaka ny fahafahana miditra aterineto tamin'ny alàlan'ny CANTV, ilay voalohany mpanome tolotra ao amin'ny firenena, efa ho roapolo minitra hoy ny filazan'ireo mpampiasa azy io ary "tsy nihoatra ny telo minitra" hoy ny manampahefana..
Pakistana: Nakatona ny Twitter

Nakatona ny Twitter tao Pakistana indray alahady. Nilaza ny manampahefana ambony misahana ny fifandraisan-davitra ao amin'ny firenena fa nakatona izany satria mandà hanaisotra ireo sioka sokajiana ho manaraby ny...
-
Inona No Nitranga Nandritra Ny WCIT-12: Resadresaka Niarahana Tamin'i Beatriz Busaniche
15/12/2012
-
Miantso Fanairana Ny WCIT: Fotoana Hamelarana Ny Adihevitra Momba Ny Fitantanana Ny Aterineto
08/12/2012
-
Taratasy Misokatra: Ho An'ireo Mpampiasa Aterineto Any Sina, Avy amin'ny Mpampiasa Aterineto Any Pakistana
04/12/2012
-
Tetikasa Fandikanteny: Fanambarana Fiarovana Ny Fahalalahan'ny Aterineto Ankapobeny 21/11/2012
-
Miaro Ny Aterineto Misokatra : Miray Hina Ireo Mafana Fon'ny Aterineto
13/11/2012
Tantara farany mikasika an'i Fandrindràna
14/11/2012
Ejipta: Hijanona Eto Ve Ny Vetaveta Anaty Aterineto?

Anivon'ireo olana manery indrindra ny firenena amin'izao fotoana izao ny ady mitohy mikasika ny lalàm-panorenana Ejiptiana amin'ny hoavy sy ny fitokonan'ireo mpiasan'ny fahasalamana Ejiptiana izay naharitra iray volana mahery ... sa izy ireo mihitsy no loha-laharana? Araka ny fantatra dia nanapa-kevitra ny Mpampanoa lalàna fa mila teatra bebe kokoa ny vahoaka ary nanambara fa hanomboka hisakana ireo vohikala mamoafady i Ejipta.
05/11/2012
Henjanin'ny Fiombonambe Eoropeana Ny Fepetra Fanarahamaso Ny Fanondranana Teknolojia

“Tsy azo ekena mihitsy ny hoe hampiasàn'ny fitondrana Siriana sy Iraniana ny teknolojia Eoropeana mba hanitsakitsahana ny zon'olombelona”. Marietje Schaake
30/07/2012
Mametraka Ny Tahiry ICP-ny Any Shina Ny Vohikala Ofisialin'ny Lalao Olaimpika Ao Londona

Araka ny nambaran'ireo Sinoa maro mpampiasa aterineto, tsy ilaina ny fametrahan'ny Kaomitin'ny Lalao Olaimpika 2012 any Londona ny tahirin'ny vohikalany ao amin'ny MIIT
29/07/2012
Shina: Nisambotra Mpampiasa Aterineto 5007 i Beijing

Ny 2012, hatreto ny rafitra fampiharana ny lalàna anaty aterineto an'ny filaminam-bahoaka ao Beijing dia nikirakira fanohintohinana miendrika heloka bevava maherin'ny 3.961 sy nisambotra olona noahiahiana niisa 2007. Ankoatra izay, nanaisotra votoaty niisa 366.000 tety anaty ateriento sy nanasazy orinasa mpanome tolotra aterineto niisa 7.549.
29/05/2012
Nabeel Rajab: Mitohy Ny Tolona Any Bahrain

Navoaka tamin'ny alalan'ny fandoavana onitra $800 ny Filohan'ny Foibe Bahraini momba ny Zon'olombelona, Nabeel Rajab, hoy ny mpisolovava azy, Mohamed Al Jishi. "Ity no fotoana voalohany teo amin'ny fiainako nitanana ahy nandritra ny fotoana naharitra. Namafisin'ny zavatra niainako tany am-ponja ny finoako fa mpanao didy no mifehy antsika. Mila miziriziry hanohitra isika, ary hiady mafy hanohitra ity famoretana sy tsy rariny ity mandra-pahatanteraka ireo fangatahana rehetra izay nanatanterahantsika hetsi-panoherana tamin'ny 14 Febroary. Hitohy ny tolontsika mandrapahazoantsika ny zontsika rehetra."
14/03/2012
Tatitra Isan-taona Momba Ny Toerana Misy Ireo Mpiaro Ny Zon'Olombelona Any Shina, 2011

Namoaka ny tatitra isan-taonany momba ny raharahan'ireo mpiaro ny zon'olombelona any Shina (2011) ireo Sinoa Mpiaro ny Zon'olombelona. Na teo aza ny fanakatonana mafy ny Aterineto, manohy miady amin'ny fitaovana fanivanana ireo mpampiasa aterineto sy ireo mafana fo
08/03/2012
Mametraka Lalàna Fanaraha-maso Mampiahiahy i Meksika

Nametraka lalàna fanaraha-maso ankehitriny ny mpanao lalàna Meksikana , izay nanome fahafahana maimaim-poana tsy ilàna didy avy amin'ny fitsarana ny mpitandro filaminana hiditra amin'ny fanarahana ny misy ny olona iray ara-jeografika. Saika ny maro mihitsy ny nanaiky tanteraka io volavolan-dalàna io tamin'ny vato mpomba 315, mpanohitra 6 , ary tsy naneho hevitra 7. Nalefa tany amin'ny filoha izany mba ho ankatoaviny.
12/02/2012
Shina: Mikasa Hitarika Ny Sehatra Fitoraham-Bilaogy Bitika ny Antoko Kaominista Sinoa

Any Shina, eo ambany fiahian'ny Antoko Kaominista Sinoa (CCP) mivantana avokoa ireo fitaovana media mahazatra rehetra. Misy mpitan-tsoratry ny CCP dia napetraka isaky ny fikambanana media mba hanara-maso ny votoaty sy hanome ny zotra arahana ho an'ireo mpamoaka sy mpitatitra momba ny zavatra mila asongadina sy sivanina
09/02/2012
Boky Vaovao Momba Ny Ady Erantany Ho An'ny Fahalalahan'ny Aterineto

Fomba ahoana no hahazoana antoka fa hoe ny aterineto dia mivoatra mankany amin'ny làlana iray hifanindran-dàlana amin'ny demaokrasia? Ary ahoana no fomba hahatonga antsika ho "mpiondana aterineto" mandray andraikitra ho an'ny hoaviny ara-dizitaly? Io no lahahevitra nofinidin'i Rebecca McKinnon ho an'ny boky vaovao nosoratany: "Fifaneken'ireo mpifandrohy: Ady Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Aterineto."
20/09/2011
Hong Kong: Raràn'ny Birao Misahana Ny Fifidianana Ny Fizaràm-Baovao Anaty Aterineto Ataon'ireo Mpirotsaka Hofidiana

Nanomboka tamin'ny 15 Septambra 2011 teo ny fanendrena ireo ho arotsaka hofidiana amin'ny fifidianana mpanolotsain'ny distrikan'i Hong Kong.[...] Izay rehetra fanavaozana sata ao amin'ny Facebook dia tsy maintsy ampandalovina amin'ny Birao Misahana ny Fifidianana, roa andro mialoha ny hamoahana azy anaty aterineto






























RSS ho an i Fandrindràna 








Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa