2009-05-17
Rivodoza Nargis tany Myanmar herintaona taty aoriana
Nandravarava ny faritra atsimon'ny vinany (Delta) Irrawaddy ny rivodoza nahafaty olona iray tamin'ny volana mey 2008 ka mihoatra ny 2 000 000 ny tra-boina tamin'izany. Notombanana fa 138 000 ny isan'ny maty ary 200 000 no tsy hita popoka tamin'iny fandalovan'ity rivodoza ity. Herintaona taty aorian'ny voina navelan'ny rivodoza Nargis, ...
2009-03-30
Irak : Enin-taona no lasa
Enin-taona sahady izao ny ady tany Irak, ary raha mitodika ny lasa ny mpitoraka bilaogy dia tsy misy te hieritreritra ny ho avy.
Ilay mpitoraka bilaogy voalohany, Salam Pax, izay nanomboka ny tontolon'ny bilaogy tany Irak no mijery ny 6 taona lasa tamin'ny fotoana nanombohan'ny ady. Ao amin'ny sorany maromaro no ...
2009-03-29
Serbie : Fahatsiarovana ny faha10 taona nandarohan'ny OTAN baomba
Ny 24 martsa 1999 no nanomboka nanafika an'i Serbie sy Montenegro ny OTAN. Naharitra 78 andro ny fandarohana baomba. An'arivony vitsivitsy ny olona maty tamin'izany, ary tranobe maro, tetezana, lalamby, lalana ary orinasa maro koa no potika. Ary fanampin'izany, olona maro no mbola miaina ny vokatra ara-pisainana sy ara-batana noho ...
2009-03-01
Palestina: Mitohy ny fanafihana any Gaza
Na dia eo aza ny fanambaràna ny fampitsaharana samirery ny tifitra nataon'i Israely sy ny Hamas dia mitohy ihany ny fanafihan'ny miaramila Israelianina any Gaza raha mandritra izany ny sampana Palestiniana kosa dia manohy mitoraka 'rôkety' any Israely. Ato amin'ity lahatsoratra ity no andrenesantsika ny vaovao farany avy amin'ireo blaogy ...
2009-02-24
Maghreb: Nifampiresaka tamin’I Polisario ny solotenan’ny firenena mikambana mpiandraikitra an’i Sahara andrefana.
Tonga tao Alzeria I Christopher Ross omaly, solotena manokana avy amin’ny firenena mikambana misahana ny raharaha Sahara andrefana, mba hifampireska amin’ny fiadidian’ny Polisario, araky AFP. Mamehy ny fihetsik'ireo mpitoraka blaogy manoloana ny faritry Maghreb momba ny fandrosoana faranay i Jillliana York.
2009-02-22
Sodana: Miteny ao amin'ny Horonantsary ny mpandripa-bahoaka ao Darforo.
Mampiseho ny fijoroana vavolombelon’ireo lehilahy efatra milaza fa nandray anjara tamin’ny herisetra sy famonoana tao Darforo ny horonantsary navoakan’I Aegis Trust, ary tsy matahotra akory ry zareo milaza fa fandringanana ireny. Natsofoka tao amin’ny zotra Hub ny horonantsary ary antenaina fa hanipy izany any amin’ny hafa ny olona mba hanaparitahana ny antontam-baovao.
2009-01-23
Palestina: “Zava-poana ny rehetra eto Gaza - ny fifohana rivotra, ny fihazakazahana, ny fanantenana”
Ato anatin'ity topimason'ny blaogy avy any Gaza ity no andrenesantsika ny antsipirihan'ny fanafihana ny toeram-pitsaboana Al Quds ao amin'ny faritry Tel al-Hawa any amin'ny tananan'i Gaza , avy amina Aostalianina mafana fo izay teny an-toerana tamin'iny fotoana iny, ary Italianina iray manoritsoritra lehilahy maratra tsaboina ao amin'io toeram-pitsaboana io, izay ...
Palestina : “Any Gaza, ny maty ihany no nahita ny fiafaran'ity ady ity”
Nahita ny fahalebiazan'ny fahapotehan'i Gaza ireo mponina taorian'ny 3 herinandro nanafihan'ny Israeliana ny tanàna, ary efa manomboka mamerina ny fiainany andavanandro tsikelikely. Ireo mpitoraka bilaogy sasantsasany no manahy ny amin'ny fahasimbana ara-tsaina sy ara-po. Misy ny manontany hoe : "Inona no valisoa ho an'izay afa-mitsangana ka mandeha indray?"
Sharyn Lock, Aostraliana ...
2009-01-18
Palestina:Tsy manam-basy na fitaovam-piadiana aho, ny filazana ny marina no entiko miady
Anatin'ity topimaso momba ny blaogy avy any Gaza ity, mandre isika ny fitantaràn'ny mpamily fiara mpamonjy voina iray ny fomba iainany ny tahotra, ny fiantraikan'ny fampitandremana nataon'ny IDF nalefa tamin'ireo fahitalavitra sy fampielezam-peo tao an-toerana – sy ny hoe nahoana no ny fisintahana an'i Gaza sisa no azo antoka indrindra ...
2009-01-09
Palestina: Atao vaovao izahay aty Gaza nefa tsy mahita tele akory
Omaly (06 janoary) dia nodarofan'ny Isreliana baomba ny sekoly iray an'ny ONU (Firenena Mikambana) izay ampiasaina hipetrahan'ireo mpitsoam-ponenana ao Jabaliya ka nahafatesana olona 40 eo ho eo. Androany dia nampiato ny fanafihany nandritra ny ora 3 teo ho eo ry zareo Israeliana mba hahafahan'ny fanampiana miditra ao Gaza. Afaka jerena ...




