· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Mpitsoa-ponenana tamin'ny Aogositra, 2011

Aostralia:Tsy Vahaolana Ho An'ireo ‘Boat People’ (Mpiondrana an-tsambokely) i Malezia

  13 Aogositra 2011

Tojo olana goavana ny ezaka nataon'ny governemanta Aostraliana ho fandraisana fepetra henjana ho an'ireo mpampiditra olona an-tsokosoko sy ireo mpitady fialokalofana taonga amin'ny alalan'ny sambo. Tamin'ny Desambra 2010, manodidina 50 teo ireo mpitady fialokalofana no maty an-drano tao amin'ny nosy Krisimasy rehefa nidona tamin'ny vato be ny sambon'izy ireo. Manataraiky ilay fifanakalozana mpitsoa-ponenana sisa velona amin'i Malezia ny fanoherana ara-pitsarana iray.

Koety: Mampanidina “Balônin'ny Fahafahana” ny Bidun

Iray volana lasa izay, nanatontosa telo andro fanentanana "amadihana ny sarintavan ao amin'ny Twitter" hanairana ny famoaham-baovao sy hampisongadina ny momba azy ireo eo anatrehan'izao tontolo izao ny vondron'olona tsy manana zom-pirenena na inona na inona. Tamin'ity zoma ity dia hetsika hafa indray no nataony nampanidina balônina ho eny amin'ny rivotra, ary miantso azy ireo ho ny "balônin'ny fahafahana". Mizara amintsika ny tantara i Mona Kareem.