· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Mpitsoa-ponenana tamin'ny Jolay, 2010

Korea Avaratra: anatin'ny ady psikolojika koa ny hatsaràn-tarehy

  24 Jolay 2010

Lasa olo-malaza any Korea Atsimo indray izao ny mpandroso sakafo Koreana Tavaratra izay mitovy be amin'ny mpilalao sarimihetsika Koreana Tatsimo. Nahazo jery an'aliny maro ny horonantsary iray ao amin'ny Youtube, mampiseho tovovavy mpianatry ny kolejy midera ny hatsaram-panahin'ny fitondràna amin'ny fianakaviany mpanefoefo. Ireo mpitsoa-ponenana Koreana Tavaratra nankany Korea Atsimo dia...

Palestina: Ny hirifirin'ny sesitany

Ny mpitsoa-ponenana Palestiniana no iray isan'ny betsaka indrindra amin'ireo vahoaka nafindra-monina maneran-tany, miaraka amin'ny Masoivohon'ny Firenena Mikambana misahana ny Asa sy Fanampiana ny mpitsoa-ponenana ao Palestina any Proche Orient (UNRWA) izay mitondra fanampiana ho ana mpitsoa-ponenana voasoratra anarana efa ho 4.7 tapitrisa any amin'ny faritra Palestiana bodoina, Jordan, Libanona ary Syria. Mbola an-tapitrisany koa ireo Palestiniana nafindra monina sy mpitsoa-ponenana miaina eran'izao tontolo izao. Na izany aza, lalim-paka ny fifikiran'izy ireo amin'ny tanindrazana nilaozan'izy ireo, na ny raiamandreniny na ny raibe sy renibeny any aoriana any. Mpitoraka blaogy roa avy ao Gaza no nanoratra momba ny hirifirin'izany hoe an-tsesitany.