Global Voices teny Malagasy » Fanavakavahana
USA: Mampivoitra manokana ireo Silamo ao amin'ny tafika ilay vono-olona tao Fort Hood
Nahatonga ireo Silamo any Amerika ho eo ambanin'ny jirobe mpanazava indray, indrindra fa ireo ao anatin'ny tafika ilay  Tifitra variraraka iray nataon'i Nidal Malik Hasan, manamboninahitry ny tafika Amerikana, nahafatesana 13 sy naharatrana 31 tao Fort hood, Texas.
Fotoana vitsy taorian'ny nilazana fa ny Manamboninahitra  Hasan no voatondro ho ilay mpitifitra, nahitàna fahasahiranana lalina teo amin'ireo mpanolotra vaovao sy mpanadihady ny amin'ny fiaviany ara-poko sy ara-pinoana. Notaterina betsaka ihany koa fa matetika no iharan'ny antsojay avy amin'ireo olona avy ao anatin'ny antokon-tafika misy azy ihany  ireo Silamo.
Howard M. Friedman, mpampianatra lalàna fanta-daza ao amin'ny Anjerimanontolon'i  Toledo, dia milaza ao amin'ny blaoginy  ReligionClause:
“Ny tafika dia nanao fandraisana Silamo noho ny fananana traikefa amin'ny tenim-pirenena sy ny kolontsaina ilaina hiatrehana ny adin'i Iraka sy Afganistana. Na izany aza anefa dia misedra ny fiahiahian'ireo manamboninahitra mpifehy azy ireo Silamo. “
Na izany aza anefa, ny fiahiahiana ireo Silamo mpikambana ao anatin'ny antokon-tafika dia efa nisy talohan'ny nitrangan'ny tifitra, fa ny tena atahoran'ny tsirairay izao dia ny ho fitomboan'ireny noho ny vono-olona tao  Fort Hood. Mipoitra ny fanontaniana sao ny Major  Hasan ka isan'ireo henjam-pihetsika izay manao fanafihana mifototra amin'ny resa-pinoana irony, na koa marary saina tsotra izao fotsiny.
Any Canada, ny mpanoratra Gwynne Dyer, ao amin'ny gazety maimaim-poana mpivoaka isan-kerinandro any Vancouver  Straight.com, dia manoritra fa mamohafoha zavatra maro saro-pady ny fanondroana ny foto-pinoan'ilay mpamono:
“Andro vitsy taty aoriana, raha mbola nihazohazo ny fanadihadiana nanoloana ny fahasamihafan'ireo fitantarana, ny mpampahalala vaovao dia efa nametraka ny fanazavana hoe resa-poko/ fihodirana/ finoana no nahatonga ny hadalan'i Nidal. Ireo olona ratsy manao zavatra tsy mifanaraka amin'ny maha-Amerikana no tomponandraikitra voalohany indrindra amin'ilay zava-doza, ary misy misy farany io.
Ny fanazavana iray tsy naroso dia ny hoe ireo ady ataon'ny Amerika any amin'ireo tany Silamo ampitan-dranomasina any dia vao mainka manamafy fo ireo Silamo ao aminy.  Tsy miraharaha hoe ireo mpampihorohoro Silamo ao an-toerana izay nanafika ny rafi-pitateran'ny Londres tamin'ny 2005, na ireo mpiray tsikombakomba Silamo isan-karazany izay voasambotra tany amina firenena Tandrefana samihafa talohan'ny hahatanterahan'ny tetik'izy ireo  dia saika nanameloka ny fananiham-bohitry ny  Tandrefana any amin'ny tany silamo avokoa ka vao mainka manamafy ny fon'izy ireo. Tsy miraharaha, indrindra indrindra, hoe ny tena vao mainka nanamafy fo azy ireo dia ny tsy fisian'ny fifandraisan'ireny fananiham-bohitra ireny amin'ny resaka fandriampahaleman'ny  Tandrefana akory”
Ny Fox News, voatsikera matetika noho ny fitsaratsaràna ataony momba ireo olana mifandraika amin'ny fifindra-monina  sy ny pôlitikan'ny fikombonana [conservative], dia voalaza fa nanao antso avo ho an'ny “fitiliana ireo Silamo” ao amin'ny tafika. Ao amin'ny vohikala Veterans Today, manamboninahitra taloha iray tao amin'ny Mpiambina ny morontsirak'i Amerika, Tom Barnes, dia miteny fa mamoromporona hevitra  hambolena fifandroritana tsisy fotony “isika mifanandrina amin-dry zareo” ilay fantsom-baovao:
“… raha fintinina dia “tsy misy ilàna azy” ilay fantsom-baovao, raha ny filazana tsy dia masosotra tany amboalohany azy ity no  hivadika ho tafika masin'ny Fox Channel mifanandrina amin-dry “zareo” atsy ho atsy ity fanontaniana azo leferina ity atsy ho atsy. Tsy hoe lasa mitarazoka ihany ity zavatra ity, fa sady mampidi-doza ihany koa. Eto ny tantara.
Araka ny efa nolazaiko tery aloha, efa nitranga taloha tao amin'ny Tafika Amerikana ny tranga toy izao. Efa leon'ny Fox News manondro amiko hoe iza avy no fahavaloko aho. Isaky ny mihetsika. Tsy ankijanona. Tsy azoko veroka mihitsy fa be loatra ilay  “ry zareo” eny rehetra eny!”
Maromaro izao ireo gazety mandinika ny hoe ahoana ny fiantraikan'ny fihetsik'i Major Hasan amin'ireo Silamo miasa amin'ny tafika Amerikana, sy ireo Silamo monina manodidina an'i Fort Hood.
Ity misy video notaterin'i euroamericannews tao amin'ny YouTube momba ny fomba fijeren'ireo Silamo monina any Fort Hood ireo zava-tranga.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/N8Azg9TxYkM&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/N8Azg9TxYkM&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Satria mbola mitohy ny fanadihadiana momba ilay vonoolona, mbola hitohy hibanjina an'ireo Silamo miasa ho an'ny tafika koa ny mason'ny rehetra.
Rosia: misaona ny fahafatesana tanora miady amin'ny fasisma
Tanora miady amin'ny fasisma anjatony no nivory tao ampovoan-tanànan'i Moskoa. Misaona ny namonoan'ny neo-nazi an'i Ivan Khutorskoy, mpikatroka ao amin'ny “Antifa,” hetsika rosiana manohitra ny fasisma ry zareo.  Nolazain'ny [ENG] mpamaham-bolongana chtodelat fa ity no vono nihatra aman'aina fahaenina tamin'ny mpikambana amin'ny “Antifa” tao Rosia tao anatin'ny taona vitsivitsy. Azonao jerena ato [RUS] ny saripikan'izany fivoriana izany izay nalain'i lj-user ottenki_serogo.
Alexey Sidorenko
Arabia Saodita: Doka ho an'i Grande Bretagne avy amina mpitoraka blaogy iray
Maram Meccawy dia Saodiana mpanoratra  sady mpitoraka blaogy, monina sy miasa any Grande Bretagne. Tsy ela akory izay dia nanoratra lahatsoratra iray izy, nantsoina hoe  “Nahoana aho no vonona hiaro an'i Grande Bretagne? [Why am i ready to defend Britain?]“
Maram dia manomboka ny filazàny amin'ny hoe:
كنتُ دائماً أعلن أنني أحب بريطانيا..فهنا أحلى ذكريات طفولتي، وهنا الوطن الثاني الذي عشت فيه (ولا أزال) ردحاً من عمري. ولم تكن لدّي مشكلة كبيرة مع كون بريطانيا دولة عدوانية بامتياز (تاريخياً وفي الحاضر أيضاً ) باعتبار مشاركتها في الحربين على أفغانستان والعراق، لأنني كنت هنا منذ البداية وأعرف بأن هناك فرق شاسع بين ما يقوم الساسة بتنفيذه وبين ما يريده الشعب حتى في دولة ديمقراطية مثل المملكة المتحدة. فأنا أدرك بأن أقوى المنظمات الشعبية المعارضة للحرب موجودة هنا، وأفضل الأفلام الوثائقية التي فضحت جرائمها أنتجت في هذا البلد. وأراقب يومياً الجدل الدائر في الصحافة والإعلام وأروقة السياسة حول رغبة الشعب في رؤية قواته تنسحب من هذين البلدين وأن يفتح باب المحاسبة والمحاكمة لكل من تسببوا بهذه الجرائم.
Nilaza mandrakariva aho fa tia an'i Grande Bretagne… Tany ireo fahatsiarovana tsara indrindran' ny fotoam-pahazazako, tanindrazako faharoa, izay niainako betsaka ny androm-piainako nandritry ny fotoana maharitra (ary hatramin'izao). Tsy dia nanana olana goavana loatra aho momba izay maha-firenena mahery setra an'i Grande Bretagne  (na ara-tantara ary mandrak'izao aza) indrindra fa raha ny hoe nandraisany anjara tamin'ireo ady roa tany Afganistana sy Iraka, satria teto foana aho hatramin'ny nanombohany ary fantatro fa misy fahasamihafàna goavana eo amin'ny tian'ireo mpanao politika hapetraka sy izay tadiavin'ny vahoaka,  na dia anatina firenena demaokratika toa an'i Grande Bretagne aza. Noho izany no nahatsapako fa eto daholo ireo foibena fikambanana goavana manohitra ny ady, ary ireo horonantsary tsara indrindra maneho ny heloky ny firenena dia eto no vokarina. Ary hitako saika isan'andro amin'ireo resaka an-gazety sy media isan-karazany, hatrany an-dalantsàran'ny mpitondra àny ny hetahetan'ny vahoaka hanesorana ny tafik'izy ireo amin'ireo firenena roa ireo, sy ny hanokàfana fanadihadiana lalina ka hitondràna eo anatrehan'ny lalàna ireo rehetra tomponandraikitra tamin'ireny vono olona ireny.
ومع مقتي الذي لا أخجل من التصريح به علناً ورفضي للسياسات الخارجية لحكومات لندن المتعاقبة، إلا أنني كنت دائماً أكن احتراماً كبيراً لسياساتها الداخلية والتي تقوم على احترام حقوق الإنسان وعلى إنشاء مجتمع متعدد الثقافات.
Na eo aza ny fankahalàko, izay tsy asiako henatra fa abaribariko ho hitan'ny maro, ary ny tsy fankasitrahako ireo politika ivelan'ny governemantan'i Londres nifanesy, dia manàja mandrakariva ny politika anatin-dry zareo kosa aho, izay mifototra amin'ny fanajàna ny zon'olombelona sy ny fametrahana fiarahamonina isian'ny fifangaroana kolontsaina marolafy.
فأنت في بريطانيا ليس مطلوباً منك أن “تنصهر” أو ” تتبرطن” حتى يعتبرك الناس واحداً منها. تستطيع أن تكون مسلماً وبريطانياً، يهودياً وبريطانياً، وأسودأً وبريطانياً، وتستطيع أن تصل بالأمس أو تولد هنا ومع ذلك تقول بفخر بأنك بريطاني ولن ينكر عليك أحد ذلك. صديقاتي الفرنسيات والإسبانيات وغيرهن من الأوربيات المتحدرات من غير البلد ذاته الذي يحملون جنسيته (حتى لو كان بلداً أوربياً مجاوراً) يعلنون بصراحة بأن الوضع ليس كذلك في بلدانهن. فالجزائري يظل غريباً في فرنسا ولو كان جده هو من هاجر إلى باريس قبل مائة عام يوم أن كانت الجزائر بالأصل جزء من فرنسا.
Rehefa tonga aty Grande Bretagne ianao, tsy ilainao akory ny hoe  “hahafehy” na  “hiova ho Anglisy” vao handray anao ho isan'izy ireo ny olona. Azonao atao ny sady ho Silamo no Anglisy,  sady Jiosy no Anglisy, sady mainty  no Anglisy; mety ho vao omaly ianao no tonga teto na teto mihitsy no teraka, ary dia afaka sahady hitoetra amim-pireharehana fa Anglisy ianao  – tsy misy olona afaka handràra anao amin'izany. Ireo vehivavy namako teratany Frantsay,  Espaniôla, sy Erôpeana hafa koa izay manana fiaviana ivelan'ireo firenena ireo sy izakàn'izy ireo ny zom-pireneny (na dia ireo manam-piaviana avy amin'ireo firenena Erôpeana mpifanolo-bodirindrina aza) dia tsy mihambahamba miteny fa tsy mba toy izao ny tranga iainana any amin'ny firenen-dry zareo. Ny Algeriana iray dia mijanona ho vahiny foana any Frantsa, na dia mpifindra monina tany Parisy efa anjaton-taonany tany aloha tany  aza ny raibeny  fony Alzeria mbola teo ambany fiahian'i Frantsa.
حدثان في الأسبوع الماضي لفتا انتباهي بخصوص خصوصية بريطانيا.
Tamin'ny herinandro lasa dia tranga roa no nisarika manokana ny saiko momba ny lafy tsara mampiavaka sy ananan'i Grande Bretagne.
Maram dia tonga hatrany amin'ny famaritana ny hetsika iray tao amin'ny Anjerimanontolon'i Oxford ho fandraisana mpiasa, nataon'ny Kaompanian-tsolika izay iasàny. Nandritra ilay hetsika dia maro ireo naneho tsy hafaliana nandrangaranga izay lazain-dry zareo fa nataon'ilay kaompania tany amina firenena maro maneran-tany, mitoroka azy ho nanao heloka bevava. Nanomboka nanàla ireo mpanao fanoherana ny mpitandro filaminana, saingy ny tomponandraikitry ny kaompania kosa nanaiky hamela azy ireo hilaza izay tiany hambara nandritry ny dimy minitra, tamin'ny nilazàny fa hajainy ny zon'izy ireo hànana fahalalàhana maneho hevitra. Kanefa, taorian'ny nahataperan'ny dimy minitra dia tsy navelan'ireo mpanao fihetsehana hanohy ilay tomponandraikitra, sady nanohy ny horakoraka ry zareo. Na teo aza anefa ny fanakorontanana, tohina ilay tomponandraikitry ny kaompania rehefa nahita iray tamin'ireo mpanao hetsika nentina an-keriny; nolazainy fa i Grande Bretagne dia firenen'ny fahalalàhana ary tsy misy olona tokony hofaizina satria hoe tsy mankasitraka ny fomba fiasan'ny kaompania.
Ny hetsika faharoa nisarika ny sain'i  Maram dia ampahany manokana tamin'ny fandaharana Fotoan'ny Fanontaniana [Question Time] fandefan'ny BBC isan-kerinandro, ka tanatin'izany no namalian'ireo mpanao politika sy olona maro hafa ny fanontanian'ny mpihaino momba ny olana sedraina ankehitriny. Tsy lanin'ny sain'ny maro, ny Question Time dia nahafahan'ny filohan'ny antoko ankavanana anglisy British National Party sady mpikambana ao amin'ny  EParlemanta Eropeana, Nick Griffin, nijoro ho isan'ireo mpandray anjara tamin'ilay fandaharana. Tany aloha tany i Nick Griffin dia efa voaheloka noho ny fizaràna fitaovana nihantsy  fifankahalàna ara-poko.
Taorian'ny fikarakarana ny seho an-tsehatra, Maram dia mamaritra ny zava-nitranga nandritra ilay fandaharana:
عودة إلى غرفن فقد أعطي الفرصة ليحدثنا عن خزعبلاته ويشتم الجميع دون أن يؤذيه أحد! وإنما استطاع زملائه في البرنامج من الأحزاب الأخرى وعلى رأسهم الوزير جاك سترو وكذلك الجمهور الحاضر (من بيض وسود وآسيوين ومسلمين ويهود ومسيحيين وغيرهم) بأن يردوا على أفكاره المتخلفة بمنتهى الهدوء والتحضر ويعروه أمام الجمهور البريطاني، فبدا (خريج جامعة كامبريدج) وكأنه طفل يحاول إغاظة الكبار بقول كل الكلمات التي طلبوا منه سابقاً أن لا يقولها..ثم بدا كفأر في مصيدة لا يقوى على الخروج منها…وكان أجمل تعليق ذلك الذي قاله أحد الحضور من المسلمين إذ عرض عليه أن يشتري له تذكرة للقطب الشمالي ليستمتع بالحياة في بيئة بيضاء لا تعكرها الألوان المزعجة!
Ndao hiverenana any amin'i  Griffin, nomena fotoana izy nilazàny tamintsika ny hagaigeny àry tsy nisy mihitsy olona nanelingelina azy tamin'izany! Soa fa ireo mpandray anjara avy amin'ny antoko hafa tamin'ilay fandaharana, notarihan'ny minisitra Jack Straw, ary ireo mpanatrika teo (fotsy, mainty, aziatika, silamo, jiosy, kristiana sy hafa koa) dia samy afaka namaly ny hevitra maiziny tamim-pahatoniana sy tamin'ny fomban'olo-mandroso avokoa, ary nampihanjahanja azy nanoloana ny vahoaka Anglisy. Ity olona navoakan'ny Anjerimanontolon'i  Cambridge ity dia toa nanao fanahin-jaza niezaka nandranitra ireo zokiny tamin'ny famerenana ireo teny rehetra efa noraràna tsy holazainy tany aloha tany… Avy eo dia toy ny voalavo tratry ny fandrika izy, tsy nahita ny làlan-kivoahana…Ny fanamarihana tsara indrindra dia avy amin'ny iray tamin'ireo Silamo nanatrika; nanao tolotra  hividy tapakila ho azy mba hahafahany mandeha any amin'ny Tendron-tany Avaratra ilehio, mba hahafahany manaram-po amin'ny tontolo fotsy, tsy pentipentenin'ny loko hafa!
انتهت الحلقة منذ أربعة أيام … ولم يخسر أحد وظيفته، ولم تقم انتفاضات ولا نزلت قوات الشغب إلى الشوارع! وواصلنا جميعاً حياتنا بسلام.
بعد أن شاهدت الحلقة ليلتها أطفأت جهاز التلفاز، وذهبت لأنام وأنا أشعر بفخر خفي لأنني متواجدة في هذا البلد العظيم  وبالتالي جزء منه، وأغمضت عيني وأنا أقول لنفسي بأن البلد الذي يمنح هذا القدر من الحرية للناس ليعيشوا ويتحدثوا دون خوف – مالم يخالفوا القوانين المعلنة المعروفة – لهو أجدر بقعة جغرافية بأن يتداعي الناس للدفاع عنها ولم لم ينتموا إليها عرقاً أو ولادة أو سكناً أو رحماً..فوطن الحرية هو واحة يستظل تحتها الجميع..في حين أن أوطان القمع هي سجون لأهلها..وشتان ما بين الواحة وزنزانة السجن الباردة..
Efatra andro lasa izay ilay ampaham-pandaharana… tsy nisy ny very asa, tsy nisy korontana nitranga, ary ny mpitandro filaminana mpandrava korontana dia tsy nirotsaka an-dalambe! Nanohy ny fiainanay tam-pilaminana izahay rehetra.
Taorian'ny nijerena ilay seho iny alina iny, nopihako ny fahitalavitra dia lasa aho natory niaraka tamina hadedahana tsy ambara havana fa hoe miaina eto amin'ity firenen-dehibe ity aho ary vokatr'izay dia vatana iray aminy. Nakipiko ny masoko no sady niteny irery aho hoe ny firenena afaka manome ny vahoakany ny fahalalàhana miaina sy miteny tsy amin-tahotra - raha mbola tsy mankitsakitsaka ny lalàna velona ry zareo - no tena toerana ara-jeografika ilain'ny olona hivondronana sy hahitàna fifanohanana, na dia tsy singa iray amin'izany noho ny fiaviana ara-poko, na noho ny fahaterahana, na noho ny fonenana teo aza izy … Toeram-pialàna sasatra an-tany efitra ho an'ny tsirairay ka ahafàhany misitraka  alokaloka  ny firenena iray itoeran'ny fahalalàhana, raha fonja ho an'ny vahoakany kosa ireo firenena anjakàn'ny famoretana… ary toy inona ny fahasamihafàn'ny toeram-pialantsasatra sy ny efitra famonjàna mamirifiry iray…
Isiraely: “fanavakavahana tsotsotra” amin'ny fitateram-baovao
Eo ho eo amin'ny 20%-n'ny mponina, ireo Palestiniana mizaka ny zom-pirenena Isiraeliana (antsoina ihany koa hoe Arabo Isiraeliana) no  milaza fa voavakavaka amin'ny sehatra maro eo amin'ny andaanandrom-piainana. Nanery am-panahy mpamaham-bolongana Palestiana iray any Isiraely ny fomba fitantaran'ny haino aman-jery lozam-piarakodia niseho vao haingana.
Ny mpamahana ny bolongana The Other Door [ny varavarana hafa] no mitantara ny momba ilay fampitam-baovao izay nanaovany lohateny hoe “Fanavakavahana tena tsotsotra”:
عنصرية عادية جداً
حادث طرق عادي جداً, سيارة عادية جداً انحرفت عن مسارها بشكل عادي جداً, واصطدمت بشكل عادي جداً بسيارة تاكسي , عادية جداً.
سائق السيارة الخصوصية يهودي عادي جداً وصديقه العربي, العادي جداً, قتلا في الحادث بشكل عادي جداً, 5 من راكبي التاكسي اصيبوا بجراح متوسطة بشكل عادي جدا وأخرى اصيبت اصابات بالغة بصورة عادية جداً, ركاب التاكسي ممثلي مسرح يهود, عاديون جداً.
بعد تنظيف الشارع من الدم بشكل عادي جدا, أنتشر الخبر في جميع وسائل الاعلام بشكل عادي جداً.
فعلى سبيل المثال في نشرة اخبارقناة 10 الاسرائيلية, تم بث تقرير عن الحادث مدته 7:34 د, منها 1:08 د عن السائق اليهودي وعائلته,
والباقي عن الممثلة الاسرائيلية واصدقائها , اما القتيل العربي فأكتفوا بذكر اسمه وانه محامي يسكن في كريات شمونة , ولقطة قصيرة جداً لصورة بورتريت, وليس صدفة انني نسيت اسمه فور انتهاء التقرير…
Lozam-piarakodia tena tsotsotra iray: fiara tena tsotsotra iray no nivoaka ny lalany tamin'ny fomba tena tsotsotra, ary dia namantana tamin'ny fomba tsotsotra tamina taxi iray.
Maty nandritra ity lozam-piarakodia tsotsotra tamin'ny fomba tena tsotsotra ity ny lehilahy Jiosy tena tsotsotra iray, nanamory ny fiara, sy ny namany Arabo tena tsotsotra. Naratra eo ho eo ihany tamin'ny fomba tsotsotra kosa ny mpandeha dimy tamin'ilay taxi, fa naratra mafy tamin'ny fomba tsotsotra kosa ny hafa. Jiosy tena tsotsotra mpilalao tantara tsangana ny efatra amin'ireo mandeha taxi.
Rehefa voasasa nanalana ny ra tamin'ny fomba tsotsotra ny arabe, dia niely tamin'ny hano aman-jery tamin'ny fomba tsotsotra amin'izay ny vaovao.
Ohatra, tao amin'ny vaovaon'ny Channel 10 Isiraeliana, dia naharitra 7:34 minitra ny nitaterana ity lozam-piarakodia ity, 1:08 minitra no lany tamin'ny filazalazana ilay mpanamory fiarakodia Jiosy syny fianakaviany, ary ny ambiny kosa niresahana momba ireo mpanao tantara tsangana sy ny namany. Fa ho an'ilay Arabo izay maty kosa dia nionona tamin'ny fanononana ny anarany sy ny filazana fa mpahay lalàna izy ary monina any Kiryat Shmona fotsiny ry zareo, dia namoaka ny sariny tao anatin'ny indray mi-pimaso fotsiny. Tsy kisendrasendra raha nanadino ny anarany avy hatrany aho vantany vao tapitra ilay fitateram-baovao…
Fanamarihana: ny teny hoe tsotsotra rehetra dia azo adika ihany koa hoe mahazatra avokoa
Ayesha Saldanha
Sina: Fanomezan-danja ny fitiavan-tanindrazana Han
Mbola voarara dia voarara tokoa ny miresaka ilay adim-poko ka tsy voaresaka mivantana loatra na an-tserasera na ivelan'ny serasera ny any Xinjiang. Raha halalinina ny fandikana ny herisetra eo amin'ny Oigoro sy ny Sinoa Han any  Ürümqi ary raha jerena koa fa i Mongolia mpifanila vodirindrina aminy dia misy maha-neo-nazis azy, dia inona no tsoa-kevitra azo resahina tamin'ny herisetra avy amin'ny roa tonta?
Hu Ping tonian'ny Beijing Spring no  namoaka tao amin'ny lahatsorany faramparany ho an'ny Radio Free Asia, raha mifandraika amin'ny politikan'ny governemanta eo an-toerana ny hatezeran'ny Oigoro, ka nitanisany ny antony maromaro manamarina izany, sady nampiasany ny fomba fiteny hoe fitiavan-tanindrazana Han. Toy izao no famaritana ny fitiavan- tanindrazana Han hita ao amin'ny Wikipedia:
“ilazàna ny hevitra manandratra ny fiaviany izay manome tombony ho an'ny Sinoa Han, vondrom-poko maro an'isa any Sina raha miohatra amin'ny vondrom-poko hafa vitsy an'isa, izay matetika dia aseho amin'ny fanamboniana kolontsaina. […] Fihoaram-pefy eo amin'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina ny manao asa na miresaka izay manandratra foko sy foto-kevitra maneho fitiavan-tanindrazana Han (sy ny teny fankahalàna vitsy an'isa).”
Niteraka fanamarihana maro ny lahatsoratr'i Hu:
08/31: 本人是汉人，去过东突厥斯坦维吾尔地区。胡平先生所说的情况完全属实。该地区的大部分区域目前的汉化状况十分严重，并不断有大量的汉族移民，维族完全被边缘化。
Sinoa Han ny tenako ary efa tany amin'ny faritra atsinanan'i Turkistan misy ny Oigoro aho. Marina avokoa ny zavatra rehetra voalazan'i Hu Ping. Henjana ny politikam-pitelemana ho Han amin'ny faritra maro, ary maro ny ao amin'ny foko Han no mifindra monina any, lasa voahilikilika tanteraka ny Oigoro.
09/01: 如果是这样的话，那美国是不是也在搞英语同化政策呢讲印第安语言的人你在美国可以畅行无阻吗？共产党的干部队伍里不但是少数民族广大汉族也一样被剥夺了宗教信仰的权利啊！维吾尔人可以不受限制地生儿育女，而当地的汉族人却被国家的计划生育政策严格限制哦！作为在中国生长的汉族人，我们真的没有感到所谓的大汉族主义！
Raha toy izay ny fijerinao azy, dia tsy toy ny tamin'i Amerika nitondra ny politikan'ny fampiasana ny teny Anglisy ve? Tsy mihevitra ve ianao fa tsy manana olana amin'izany koa ny olona miteny Indiana-Amerikana [sic] ? Tao anatin'ny Fandaharan'asan'ny antoko komionista sinoa, tsy ny foko vitsy an'isa ihany no tsy nanana zo ara-pivavahana fa ny avy amin'ny maro an'isa Han koa aza! Tsy noferana ny isan'ny zaza ateraky ny Oigoro, fa ny Han kosa dia voafehin'ny politikan'ny fanjakana amin'ny famerana ny zaza teraka! Amin'ny maha teraka Han sy nanalehibiazana ahy teto Sina, tsy mahita izany antsoina hoe fitiavan-tanindrazana mihoam-pampana Han izany izahay!
09/01: 同化、融合是社会的进步，拒绝融合是没有出路的，就想在美国不会说英语还有机会进入主流社会吗？陈破空在美国不也只是一个社会的边缘人。
Ny fitelemana, ny fisisihana hiaraka amin'ny maro, maneho fivoarana eo amin'ny fiaraha-monina izany; tsy misy azo antenaina amin'ny fandàvana  hiaraka amin'ny maro. Mihevitra ve ianao fa ny olona tsy mahay miteny Anglisy dia ho tafiditra anaty fiaraha-monina any Etazonia? Moa ve tsy lasa olona voahilika hafa koa any Etazonia i Chen Pokong?
09/02: 维吾尔人或图博人（Tibetan）在自己的土地上说自己的语言应该是畅行无阻，这应该就是当地主流社会的语言。
Tsy tokony hisy faneriterena amin'ny fampiasan'ny Oigoro sy ny Tibetana ny teniny eo amin'ny taniny, sady io rahateo no teny fampiasan'ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny.
09/02: 真会胡扯！在台湾原著民还不是要说汉语.写汉字！
Tena zavatra tsy misy fotony! Na ny tompon-tany any Taiwan aza tsy maintsy miteny sy manoratra teny Sinoa!
09/02: 真是胡评了，别忘了汉人到新疆的时间比维吾尔早
O ry Hu Ping a! aza adinoina fa ny Han anie no tonga talohan'ny Oigoro tao Xinjiang e!
09/03: 我没去过新疆，但是在我的家乡湖南，最起码我读书的两个城市：永州，长沙。还有现在在的这个城市：深圳。维族人跟我们（汉族人）比起来权利是大很多的—— 他们可以强买强卖，他们卖的价格非常高，而且看了东西一定要买，这个我们一点办法都没有的。警察可以骑在我们头上，对他们是一点办法都没有的，就是犯了事也很快出来！
Mbola tsy tao Xinjiang aho, fa raha nody tany Hunan aho dia nianatra farafahakeliny tamin'ny tanàna roa, Yongzhou sy Changsha. Izao aho eto Shenzhen. Manan-jò kokoa ny Oigoro raha oharina aminay (Han): mahazo fikarakarana kokoa ry zareo amin'ny varotra, afaka mametraka vidin'entana lafo kokoa ry zareo, ary raha mijanona ianao mijery izay amidiny, dia tsy maintsy mividy, ary tsy misy zavatra hafa azonao atao ankoatra izany. Afaka midaroka anao ny polisy nefa tsy afaka manao na inona na inona amin'izy ireo, ary raha mandika lalàna izy ireo dia vetivety dia votsotra!
09/04: 对待伊斯兰，必须大棒和胡萝卜政策同时实施，目前来看应该大棒为主。伊斯兰需要改良、进步才有出路。目前它就是反人类的宗教。
Tsy maintsy ampiasaina miaraka ny fikan'ny karaoty sy ny kibay rehefa miaraka amin'ny silamo, fa ankehitriny ny politikan'ny kibay aloha no mandeha. Mila mivoatra mihitsy aloha ny Silamo  alohan'ny hisian'ny fihatsaran-javatra. Amin'izao fotoana zao aloha izy dia mbola fivavahana tsy manaja ny maha-olombelona.
09/05: 维族被边缘化.这个基本是事实
Nahataka ny Oigoro, izay aloha ny zava-misy.
Io lahatsoratr'i Hu io dia navoaka ihany koa tao amin'ny UighurBiz, naorin'ilay mpahay toe-karena sy mpiserasera avy amin'ny  foko Oigoro Ilham Tohti; Nigadra i Tohti ny volana Jolay ary navotsotra ny faran'ny volana Aogositra, ary niteraka resabe an-tserasera tato anatin'ny herinandro ny filazany ny fanohanany ny fomba fitondràna henjana ataon'ny mpitondra vaovaon'ny antoko ao Xinjiang, Zhu Hailun (manadaboka ny politikan'ny ‘tsy misambotra olona araka izay azo atao, mampihena ny famonoana, mamindra fo kokoa) manoloana heloka be vava. Ireto misy sombiny amin'ny fanamarihana voaray androany teo amin'ny vohikalan'ny UighurBiz :
*两少一宽应该取消*
伊力哈木还对乌鲁木齐刚刚上任的市委书记朱海仑宣布取消“两少一宽”(少捕少杀，一般从宽)的少数民族政策表示赞同。他认为，法律面前应该人人平等。他说，这个政策确实让少数民族中的犯罪分子获利，同时导致了汉族人的不满。
人都是一样的汉族人被针扎了才想起要王LQ下台,维吾尔人安全受到威胁了才想起取消两少一宽.还能想起自己曾经的态度吗?
伊力哈木算是维族人里面少数能够讲的通道理的人物，对民族和国家有着比较清醒的认识。不象其他在这的一群维族小喽罗根本就是屁也不懂，还去指责汉人的FF，其实也都是五十步笑百步。好好和你们老师学一学。
“Mila foanana ny politikan'ny “Roa fihenana, iray famindram-po”
Naneho ny fanohanany ny fanapahan-kevitry ny filohan'ny Antoko Ürümqi vaovao  Zhu Hailun i Ilham ny amin'ny hanafoanana ny politikan'ny foko “Roa fihenana, iray famindram-po”  (mihena ny fisamborana olona sy ny fampiharan-tsazy, mitombo ny famindram-po). Nahatsapa i Ilham fa tokony hitovy avokoa ny olona rehetra eo anatrehan'ny lalàna, raha lazaina fa nanararaotra io politika io ny avy amin'ny foko vitsy an'isa, nefa eo andanin'izany dia mampiteraka tsi-fahafaliana eo amin'ny Han izy io.
Izany ny olona; tsy nitaky ny fialàn'i Wang Lequan ny Han raha tsy efa nanomboka ren-dry zareo  tsindron-tavim-panindronana (seraingy);tsy nitaky ny fanalàna ny ‘Roa fihenana, iray famindram-po' ny Oigoro raha tsy nanomboka nahita fa tandindonin-doza ny fandriampahalemana. Mihevitra ve ianao fa mbola mety hiverina amin'ny heviny izy ireo?
Anisan'ny olom-bitsy Oigoro mba manao resaka misy heviny i Ilham, ary mahita mazava tsara ny fahasamihafana eo amin'ny fanjakana sy ny foko. Tsy mitovy amin'irony olona manana asa zara raha asa irony izay tsy mandray ny zavatra rehetra am-pahamatorana, manao ny Han [famaritana ara-toerana] ho tsy ara-dalàna, mandray azy ireo ho toy ny vazivazy. Faly afaka nianatra zavatra avy aminao.
伊力哈木算是维族人里面少数能够讲的通道理的人物
汉族里有多少个对维族没有歧视的？
其实，新疆的很多当地汉人对维吾尔族不仅歧视而且不当人看，举个例子，6年前我在新疆出差，在乌鲁木齐延安南路路边打出租车，比我后来一个维族女孩也站在我旁边打车，冬天在乌鲁木齐往往打车需要很长时间，冻得不行了，好不容易一辆空车来了，根本没在女孩旁边停，直接停我面前了，我还好奇，上车后问司机什么不拉女孩，汉族司机说：我们不愿拉这些皮帽子（维族人）。问问什么？他说有次拉了个维族给的是假钱，我问有没有碰到汉族乘客给假钱的？他说也有。我说如果你们这样对待维族，你们不担心将来维汉矛盾越来越深吗？司机答：他们不敢，我们有枪。我再也没说话。出差3天，每次打车我都问司机愿不愿意拉维族，都是众口一词，什么维族人脾气大、不讲理、不愿意拉之类的话。后来问了当地一个维族人才知道乌鲁木齐全市有近六千俩出租车，由于维族乘客屡遭拒载，终于让200 多辆维族司机开出租，满足不了需求，没办法，很多维族人就做黑车生意了，二道桥一带的夏利基本上都是黑车。了解了情况后我心想这样的地方将来一定会出事！
没有无缘无故的爱和恨，就像一面镜子，你如何对待他人，他们也会如何对待你。不反思一下自己的所作所为，动不动给一个民族去贴标签，对一个世世代代在此繁衍的原住民族带上歧视的有色眼镜，新疆怎能不乱？
Anisan'ny olom-bitsy Oigoro mba manao resaka misy heviny i Ilham
Ary mba firy moa ny Han tsy manavakavaka ny Oigoro?
Raha ny zava-misy, amin'ny toerana maro ao Xinjiang, tsy vitan'ny manavakavaka ny Oigoro fotsiny ny Han, fa tsy mandray azy ireo akory ho olombelona. Ohatra, enin-taona lasa izay, nanao afera tany Xinjiang aho. Nizotra ho any amin'ny làlan' i Yan'an Nan any Ürümqi aho ary niezaka ny hahazo fiarakaretsaka, ary iny nisy tovovavy Oigoro iray nanatona ary niezaka ny hahazo fiara karetsaka ihany koa. Tsy maintsy miandry ela foana vao mahazo fiara karetsaka any Ürümqi rehefa ririnina. Nangatsiaka be izahay ary nony farany nisy fiara karetsaka nalalaka nijanona ihany, nisongona ity tovovavy ary nijanona teo anoloako. Hafahafa, hoy ny eritreritro, ary rehefa tafiditra tao anatiny aho dia nanontany ny mpamily fa naninona no tsy nijanona ho an'ilay tovovavy izy. Hoy ilay mpamily (Han): tsy mitondra an'ireny mpisatroka hoditra ireny izahay (Oigoro). Nanotany aho hoe fa maninona. Hoy izy hoe indray andro izay efa nitondra Oigoro aho  izay nanome ahy vola sandoka, hany ka nanotany azy aho raha efa mba nisy mpanjifa Han efa nanome azy vola sandoka. Efa nisy hoy izy.
Raha toy izany no anaovanao ny Oigoro hoy aho, tsy manahy ve ianao fa hiharatsy kokoa ny adim-poko? Hoy  ilay mpamily, tsy sahy izy ireo, manana fitaovam-piadiana izahay. Hany ka tsy nahita nolazaina intsony aho. Telo andro aho no tany, ary isaky ny mandeha fiarakaretsaka aho dia manontany foana raha manaiky ny mitondra mpandeha Oigoro ry zareo, ary mahazo valin-teny mitovy foana hoe: ratsy toetra ny Oigoro, tsy azo resena lahatra, tsy ijanona ho an-dry zareo izahay, etsetra. Efa fotoana ela taty aoriana aho vao nanotany Oigoro ary nahita fa misy fiarakaretsaka 6,000 any Ürümqi, ary satria efa zatra nolavina foana ny Oigoro dia tamin'ny farany izy ireo nanarama mpamily Oigoro 200, ary rehefa tsy ampy ireo, dia tsy dia misy  n'inona n'inona azo atao loatra, noho izany, maro ny Oigoro nanomboka nanao ny fiarakaretsany tsy nahazo fahazoan-dàlana, indrindra ny fiara Xiali izay hitanao manamorona ny tetezan'i Erdao Bridge dia fiarakaretsaka piraty. Raha vao azoko an-tsaina kokoa ny tena fandehan-draharaha, dia nihevitra aho fa tsy maintsy misy zavatra hiseho na ho ela na ho haingana.
Fitiavana na fankahalàna amin'ny tsy antony, toy ny fitaratra. Ny fitondranao ny olona ihany no itondran'ny olona anao ihany koa. Raha tsy mihevitra ny vokatry ny zavatra ataonao ary ianao dia mametraka marika fotsiny ny vondrom-poko sasany, mahita ireo olona maro efa teo an-jatotaona maro niaina ny tsy rariny, ahoana no tsy hisy korontana ao Xinjiang?
汉族里有多少个对维族没有歧视的？
其实，新疆的很多当地汉人对维吾尔族不仅歧视而且不当人看
uighurhr 发表于 2009-9-9 07:41
要让别人把你当人，你首先得表现的有个人样。
多谢党妈妈长久以来对维吾尔人的美化宣传，
以至于我们这些内地人在多次遭遇维式流氓侵害后还是不敢相信自己的眼睛。
Ary mba firy moa ny Han no tsy manavaka ny Oigoro?
Raha ny marina aza, amin'ny toerana maro ao Xinjiang, tsy vitan'ny manavakavaka ny OIgoro fotsiny ny Han fa manao azy ireo ho tsy olombelona mihitsy.
Raha tianao ny hitondrana anao ho toy ny olombelona, voalohany aloha ianao mila mitondra tena toa izany.
Misaotra noho ny fampielezan-kevitra tsara nataon'ny Antoko Foibe an-taonany maro, raha isika tato anatiny niharan'ny tsy rariny avy amin'ny Oigoro , ny hitan'ny masontsika aza tsy ninoantsika.
维族不讲理是惯的，党妈一向对维族的优惠政策，如民族团结最重要，如少数民族优先等等养成了他们越不讲理越能拿到好处然后就变的更加不讲理。
久而久之，汉族们就不喜欢跟你们打交道了。
Toetra nampivaka ny Oigoro ny manao zavatra tsy am-piheverana. Nahazo fiandaniana kokoa avy amin'ny Antoko Foibe izy ireo, ohatra hoe ny fanaovana lohalaharana ny fitambaran'ny foko, izay manome tombony ho an'ny foko vitsy an'isa, etsetra., natao izay mba ho raha miha-tsy misy dikany ny zavatra ataony, miha mahazo tombony izy, ary avy eo izy ireo manjary manao zavatra tsy ampy fiheverana loatra.
希望这个网站不要在天天宣传和蛊惑仇恨的魔鬼。看看吧，这个网站有多少文章在宣传仇恨的魔鬼。
Manantena aho fa ity vohikala ity dia tsy hanohy hampahafantatra sy tsy hamporisika isan'andro ny demonin'ny fankahalàna. Jereo fotsiny, firy amin'ny lahatsoratra eto amin'ity vohikala ity no manome vahana ho amin'ny fankahalàna.
西方人对黄种人，对中国人没有歧视吗？但是和100年前相比，去掉那些意识形态的影响（中国现在还是共产主义国家？），这样的歧视是多了还是少了？从100年前的人见人欺到现在的G2，这样的变化是因为老外道德素质提高了根除了种族歧视？
Koa raha izany, ny tandrefana angaha moa tsy manavaka ny Sinoa sy ny Aziatika hafa? Fa raha mijery ny 100 taona lasa ianao, ny vokatry ny fandaozana ny foto-kevitra (Mbola tany kaominista ve i Sina), nitombo ve sa nihena ny karazana fanavakavahana toy izao? Raha mijery ny aina solon'ny aina tamin'ny 100 taona lasa mandrak'ankehitriny, nisy ve izao fiovana izao satria ny vahiny no nanazava ny saina hiala amin'ny fanavakavahana?the G2
Brezila: Mba afaka hitondra fiara raitra ve ny mainty hoditra?
Tany amin'ny faran'ny volana Aogositra tany, nipongatra indray noho ny tranga iray nanaitra ny sain'ny maro manerana ny firenena mihitsy ny resaka fanavakavahana sy fitsarana ivelany eo anivon'ny fiarahamonina Breziliana . Januário Alves de Santana, lehilahy mainty hoditra iray eo amin'ny faha-telopolon'ny taonany eo, no voadaroky ny mpiambina roalahy raha iny izy niandry ny vady aman-janany teo amin'ny faritra fametrahana  fiara tamina iray amin'irony toeram-pivarotana lehibe iraisampirenena any Brezila irony [toy ny Shoprite aty Madagasikara]. Nampangaina izy ho nikasa hangalatra ny fiara izay azy ihany [pt]. Ireo mpanafika azy dia nihevitra mazava fa hoe satria mainty izy dia tsy tokony ho afaka hanjifa  Ford EcoSport ( karazana iray raisina ho isan'ny lafo vidy any Brezila).
Sary avy amin'i Juarez Silva Jr.
Rachel Glickhouse, avy amin'ny Adventures of a Gringa, dia mamaritra ny fizotry ny zava-nitranga tamin'ny 7 Aogositra amin'ny antsipirihany, araka izay nambaran'i Januário. Izy dia miblaogy amin'ny teny Anglisy:
Nijoro teo anilan'ny fiarany izy, voamariny fa nisy lehilahy roa mampiahiahy tamy nanatona azy. Avy eo ny iray– izay mpiandraikitra ny fiambenana ihany– nanatona azy sady namoaka fitaovam-piadiana. Tonga ilehio dia namely an'i Januário tsy nisy alaharo alaharo, ary  Januário tsy nahalala akory na jiolahy io na mpitandro filaminana. Nandritra ny fifampitoloman'izy ireo, nianjo vonjy ireo mpandalo, ary i Januário dia nihevitra fa avotra izy.  Mpiambina marobe  avy ao amin'ny  Carrefour no tonga nanatona, ary nazavainy fa resaka tsy mifankahazo izy ity– tsy nieritreritra izay hangalatra ilay kodiarandroa teo anila teo izy. Nosamborin'ireo mpiambina izy ary nentina niditra tanaty efitrano kely iray  “hanazava” hoe inona no nitranga. “Raha izany,” hoy izy ireo, “ nangalatra  EcoSport iray ianao ary avy eo mbola nihevitra ny haka kodiarandroa iray koa?”
Dia niditra tamin'ny fidarohana tsy ampieritreretana an'i Januário ireo mpiambina dimy, izay nambaran'ny tatitra voalohany ho “ampaham-potoana fampijaliana,”tehamaina, totohondry, ary vodibasy, daroka amin'ny nifiny ka nahatonga azy ho boba-rà. Januário nilaza fa niezaka ny hanazava ihany ny maha azy ny fiara izy, ary tao anatiny [toeram-pivarotana] tao ny zanany vavikely raha niantsena ny ankohonany. Tsy niraharaha azy ireo mpanafika azy. “Mangina, n*****. Rehefa tsy hangina ianao, hotapatapahako daholo ny taolam-batanao rehetra” hoy ny iray tamin'izy ireo nandrahona. Nikakakaka izy ireo rehefa nisisika izy nilaza fa azy ny fiara. Naharitra  roapolo minitra teo ny faharetan'ny daroka talohan'ny nahatongavan'ny pôlisy.
Ary mbola nampiany fa  “tsy nitsahatra hatreo akory ny fampijaliana”, fa na dia taorian'ny nahatongavan'ny pôlisy aza:
Iray tamin'ireo pôlisy, antsoina amin'ny anarana hoe Pina, no tsy nino ny  “tantaran'i” Januário . “Sahala amin'ny olona efa nifonja matetika ianao e!. Alefa moa e, mba miaiky, ao izay an,” hoy ilay manamboninahitry ny pôlisy. Pôlisy iray hafa no tsy nino ny maha-olona mpisahana fiambenana azy teo aloha, ka dia nanomboka nanadina azy momba ny fitsipika fisahanana fiambenana. Farany , nandeha nankeny amin'ny fiaran'i  Januário ilay pôlisy ary nanamarina fa azy sy ny vadiny tokoa ny fiara. Teo ny ankohonany, tohina mafy nahita azy vonton-drà sy vaky nify, ary ilay zanany vavikely mbola resin-tory tao anaty fiara.
Dia lasa fotsiny tsy niantso fiara mpamonjy voina na nanampy azy ny pôlisy. Nentin'ny ankohonany tany amin'ny hôpitaly, notsaboina noho ny dona sy ireo ratrany  i Januário. Very 8 kilao izy hatreo, misedra tsy fahitan-tory ary tsy mbola afaka miverina mamonjy ny asany. Tamin'ny Alakamisy lasa teo, niatrika fandidiana ho fanitsiana ny taolana tapaka tao amin'ny karandohany izy. Nametraka fitoriana ny pôlisy ao an-toerana ny fianakaviany, saingy araka ny filazan'ny pôlisy, ny daroka nahazo azy dia vokatry ny  “korontana” sy “ fifanjevoan'ny samy mpividy vitsivitsy”. Carrefour dia namoaka ny fialantsininy noho ilay resaka tsy nifankahazo ary nanambara fa  vonona handray anjara amin'ny fanadihadiana[pt].
Na izany aza, i Januário dia mihevitra ny hitory eo anatrehan'ny fitsarana  ilay vondron'orinasam-barotra sy ny Fanjakan'i São Paulo, sy hivarotra ilay fiara, izay mbola aloany  R$789 isam-bolana [eo amin'ny  $419 eo ho eo] , mandritra ny  72 volana.
Nanako nanerana ny firenena ilay tranga, ary maro ny olona naneho firaisankina tamin'i  Januário, saingy tsy vao voalohany no nitrangan-javatra toy izao. Araka ny anasongadinan'ny blaogy [pt]  Censurado [Voasivana, pt], fihetsika maro hafa manohintohina ny mainty hoditra no efa nataon'ireto olona mpiandraikitra fiambenana  an'ity vondron'orinasam-barotra  ity. Teny maneso no entin'ny mpitoraka blaogy manontany ireo mpamaky:
Queria um conselho dos meus leitores. Se um dia eu precisar comprar, sei lá, um shampoo no Carrefour, devo levar um amigo branco junto comigo?
Te-hahazo toro-hevitra vitsivitsy avy aminareo mpamaky ahy aho. Raha mba te-hividy zavatra aho,  shampoo, ambarao, ao amin'ny Carrefour, tokony hitondra namana fotsy hoditra ve aho hiaraka amiko?
Maria Frô [pt] mamerina mamoaka ny lahatsoratra momba ilay tantara  navoakan'ny AfroPress [pt], sady manampy lohateny lehibe iray miventy ilay bestseller Breziliana“Não Somos Racistas” [tsy mpanavakava-bolon-koditra isika] an'ilay mpanao gazety Ali Kamel. Ny lohatenin'ny lahatsorany ao amin'ny blaogy dia:
É, segundo Kamel, não somos racistas. Só quase assassinos.
Eny, raha ny lazain'i Kamel, tsy mpanavakava-bolon-koditra isika. Mpamono olona fotsiny ihany isika.
Ny blaogy Pão e Rosas [pt] dia manakiana mafy tokoa ilay tranga. Manaraka ny lalan-kevitra iraisana izy ity, miresaka ny anganongano manao hoe ny kolontsain'ny  melting pot Breziliana dia demokrasia narindra ara-poko:
Enquanto os discursos de intelectuais, políticos burgueses e dos meios de comunicação afirmam veemente “Não somos racistas”, vem à tona um caso escandaloso de como o racismo se reproduz nas formas mais violentas e repugnantes. Todo a falácia da democracia racial cai por terra frente a casos como este – e poderíamos listar tantos outros que ganharam repercussão e depois foram esquecidos, na maioria das vezes marcados pela impunidade.
Raha mbola ny intelligentsia, ireo mpanao pôlitika bevozona sy ny media taka-bahoaka no misisika miteny hoe  “tsy mpanavakava-bolon-koditra isika”, hipongatra foana ny zava-doza toy ity ary haneho amintsika ny fomba fisehon'ny fanavakavahana amin'ny endrika maherisetra sy mampahonena. Ny  fifanoheran-kevitry faratampon'ny demokrasia ara-poko dia mifototra amin'ireo tranga toy ity, ary azontsika tanisaina ireo maro hafa nanohina tamin'ny fotoan'androny nefa dia adino mora foana avy eo, izay maro no tsy nahazo sazy akory.
Juarez Silva Jr., avy amin'ny Blog do Juarez [pt], dia manontany tena raha marina tokoa fa ny fanavakavahana mahazo ny mainty hoditra ao Brezila dia olana ara-tsosialy fa tsy ara-poko:
quando o negro sai do seu “esteriótipo  e ‘lugar’ social ” ele “paga o preço”, afinal se ele não tivesse um carro bacana, talvez nada disso tivesse acontecido não é mesmo ???? , cansado de ter problemas por sua situação social não condizer com o “esperado” pela sociedade, a vítima já pensa em vender o “carro problemático”  […]
Deus me livre de por as rodas do meu vistoso Adventure no estacionamento dessa rede…, BOICOTE JÁ.
rehefa tsy mifanitsy amina lasitra “stereotype” iray  sy  “toerana ara-tsosialy” iray  ny mainty hoditra dia  “manefa” – izany eo ihany, raha toa [ilay zalahy ity] tsy nanana fiara raitra, angamba tsy nisy na inona na inona nitranga, sa tsy izany???? Trotraky ny antsojay satria ny toerany eo anivon'ny fiarahamonina tsy mifanandrify amin'izay “andrasan'ny” fiarahamonina aminy, ilay niharam-boina eto dia mihevitra sahady ny hivarotra ilay “fiara nampidi-kizo” […]
Voararan'Andriamanitra aho  tsy hametraka ny kodiaran'ny  Adventure keliko [fiara io an]  eto amin'ny toeram-piantsonan'ity vondron'orinasam-barotra  ity… NDAO HANAOVANTSIKA ANKIVY ANDROANY E.
” Carrefour mpanavakava-bolon-koditra”, fanehoan-kery iray fanoherana ny fanavakavaham-bolon-koditra natao amin'ny fitaratry ny fiara teo amin'ny toeram-piantsonan'ny fiara ao amin'ny Carrefour. Sary nalain'i @berlitz ao amin'ny Twitpic
Ao amin'ny vohikala  Geledés Instituto da Mulher Negra [Ivontoerana Geledés ho an'ny vehivavy mainty hoditra, pt], maro ireo olona sorena amin'ity vaovao ity ary niloa-bava namoaka ny  alahelon'izy ireo ao amin'ny boaty fametrahana fanamarihana. Ohatra, milaza i  Ayraon:
Só no Brasil se acha que o racismo é velado. Velado nada! Só não vê quem não quer, ou seja, o povo brasileiro iludido por uma visão deturpada de si mesmo. “Somos mestiços!” diz um, “Não existe preto ou branco” diz outro na hora que esse preto inexistente diz sofrer racismo. Lá fora, quem conhece o Brasil, não consegue entender como esse país pode, por tanto tempo, esconder seu racismo doente. Aqui dentro, vivemos na insanidade coletiva: brancos acham que racismo não existe, que tá na cabeça dos pretos (que, segundo alguns pretos e brancos, não existem), negros dizem que o racismo brasileiro é “velado”; e muitos aceitam essa situação (alguns até dizendo nunca terem sofrido racismo, mesmo sendo alvo dele todo o dia). A história do bahiano me deixa triste , por que ela v ai se repetir, e se repetir, e se repetir sem que façamos nada. Ou iremos fazer algo?
Aty Brezila irery ihany no heverin'ny olona ho miafina ny fanavakavaham-bolon-koditra. Hagaigena! Miafina fotsiny ho an'ireo tsy te-hijery azy izany. Amin'ny teny hafa, diso hevitra tamin'ny fomba fijeriny mivilana momba ny tenany ihany ny  Breziliana. “Foko mifangaro isika!” hoy ny iray, “Tsy misy mainty na fotsy izany,” hoy ny iray hafa miteny, raha sendra misy olona [vahiny] mainty hoditra milaza fa nizaka fanavakavaham-bolon-koditra izy [na lahy io na vavy]. Any ivelany any, ho an'ireo mahafatantra hoe toy inona moa i Brezila dia tsy afaka hahatakatra hoe fomba ahoana no nanafenan'ity firenena ity nandritry ny fotoana elabe ny fanavakavaham-bolon-koditra tao aminy. Eto an-toerana, miara-miaina hadalana itambaram-be isika: ny fotsy hoditra mihevitra fa tsy misy zavatra toy izany hoe fanavakavahana izany fa zavatra foronin'ny mainty hoditra any an-tsainy any izany (dia ireo  ‘mainty' izay heverin'ny sasany ho toy ny tsy misy), ary ny mainty hoditra indray milaza fa ny fanavakavaham-bolon-koditra breziliana dia “misarom-boaly”; Maro no manaiky an'io teo-javatra io ( ary dia maro mihitsy ireo milaza fa tsy mbola niharan'izany fanavakavahana izany ry zareo, na dia lasibatr'izany isan'andro vaky izao aza).  Ny tantaran'ity lehilahy avy any Bahia ity no tena nankarary saina ahy, satria dia hiverimberina ny toy io rehefa tsy misy fandraisana andraikitra avy amintsika. Sa mba hanao zavatra isika momba azy ity?
Ho valin'ny fanontaniana'ilay mpitoraka blaogy, nanomboka ireo hetsika fanoherana. Nisy fanehoankery natao ny 22 Aogositra, ary raha ny nambaran'ny Geledés dia  hetsi-panoherana lehibe iray hanoherana ilay vondron'orinasam-barotra no hatao ny 5 Septambra.
Olana saro-bahana ny fanavakavaham-bolon-koditra ho an'ireo  firenena nozanahan'ireo tany mandroso sy niaina teo ambany vahohon'ny fanandevozana; mbola betsaka ny antsojay mipoitra any anatin'ny fiarahamonina maoderina any. Nanamarika an'i Brezila ny fanandevozana mahery setra natao ireo Afrikana mainty hoditra, izay naharitra efa ho 300 taona ary, hatramina dingana iray voafaritra, dia kitro nifaharan'ny toekarena nandritry ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany. Nandova izany holatra ara-tsosialy izany ireo mainty hoditra aty amin'izao fotoana izao ary miaritra amin'ny endrika samihafa ny fanavakavaham-bolon-koditra amin'ny andavanandrom-piainan'izy ireo. Nefa sakafom-panahy ho an'ny saina, ary ventiny ho an'ny hafatra hafa io.
Hafatra nandalo fanamarinan'i Maisie Fitzpatrick.
Pakistan: Manameloka ny rotaka tao Gojra
View Larger Map
Gojra, renivohitr'i Gojra Tehsil, dia tanàna iray ao amin'ny  Distrikan'i Toba Tek Singh ao amin'ny faritanin'i Punjab any Pakistan. Velona ny rotaka tao an-tanàna tamin'ny  Asabotsy teo noho ny filazana fa nisy ny fanimbazimbana ny Korany Masina. Nanaraka ny rotaka dia trano 50 an'ny vondrona kristiana no may ka nahakila olona 7 maty tao sy nampamay  olona 18. Araka ny loharanom-baovao, dia andian-tanora nisaron-tava no nandoro ny trano. Nitoraka cocktail Molotov ry zareo ary nitifitifitra fahatany. Nomelohin'ny tontolom-bolongana Karana sy ny media mafy dia mafy izao herisetra any an-toerana izao.
Manameloka ny vono olona amin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe “Fa inona koa no manjò ny oloko?” i Zaheer Kidvai ao amin'ny Windmills of my mind (fitotoan-koban'ny saiko):
Tsy tranga naningana ity vono olona nahazo ny vondrona kristiana ity. Efa lasa toy ny ketrona eo amin'ny handrin'ny Karana ny fihetsiky ny antokom-pinoana maro, ary raha tsy voatandrina, dia mety haharatsy tarehy tsy hahafantarana azy intsony. Mety ho nizaka faharesena maro teo anatrehan'ny tafika nandritra ny fifanandrinana sy fifanosehana nataony, saingy tsy maintsy toherina amim-pahavitrihana ny hevitra maizina nambolen'ny fanatika maro (sady zara raha mba hita amin'ny TV ny tavan'ilay Mulla).
Miantso izay iharan'ny “lalàna tapany” i Samson Simon Sharaf ao amin'ny Pak Tea House ary nanoratra hoe:
Itrangana fankahalana ara-pinoana aelin'ireo mpanaraka efa voaroaka tahaka izao manomboka any Jhang ka hatrany Gojra, Mian Channu sy Shantinagar. Mpitranga izao toe-javatra izao ary haingana dia haingana ny fitrangany. Mampanontany tena ihany raha mbola miesona amin'izao ny mpitondra ao an-toerana ary dia tsy hita izay natao isorohana ny tahaka izao.
Dia nolazainy ny tsy fahombiazan'ny mpitondra eo am-pisahanana ny krizy:
Araka ny henoheno tany ho any amin'ny manodidina ny faha-18 ny volana Jolay dia efa nampitandrina fitondrana ao Punjab ny sampam-pitsikilovana amin'ny mety hisian'ny asa fampihorohoroana hihatra amin'ireo vondron'olona vitsy an'isa. Raha tokony ho nandray ny fampahalalana ho matotra ry zareo dia ny nampiditra malalaka ny mpikatroka hamono olona sy handoro trano no nataony.
Na dia nilaza aza ny fanjakana fa efa maherin'ny 200 no voasambotra noho ity raharaha ity dia tsy mbola afa-po amin'izany ny maro an'isa. mitohy ny fanamelohana ary miverimberina hatrany fa nanao tsirambina ny mpitondra.
Kalsoom Lakhani ao amin'ny CHUP! -Changing up Pakistan nanolo-kevitra fa maro ny zavatra mbola tokony hatao:
Tsy ampy ny mitondra fotsiny ny nanao ny heloka any amin'ny fitsarana. Tokony hojeren'ny governemanta sy sahaniny ny faka sy izay antony lalina miteraka itony toe-javatra itony.  Tsy tranga maningana ny herisetra mahazo ireo Karana ao amin'ny antokom-pivavahana vitsy an'isa [izay lazain'ny CIA Factbook fa 3% n'ny Karana izy ireo - ka na Haindò na Kristiana]; ny zava-misy dia lazain'ny Vondrona iraisam-pirenena miaro ny vondron'olona vitsy an'isa fa tao Pakistan tamin'ny herintaona no nihaniroborobo indrindra nanarena izao tontolo izao ny fandrahonana ny vitsy an'isa ary laharana fahafito no misy azy eo amin'ny firenena atahorana indrindra amin'ny famelezana ny vitsy an'isa.
Nahery vaika ihany koa ny fanamelohana tany amin'ny media. Naveen Naqvi ao amin'Ny Maraina no manontany ny toe-javatra ho “Tsirambina sa firaisana tsikombakomba?”, ary dia nandeha amin'izay izy nanoratra ny  ‘Fanontaniana sy Valiny' miaraka amin'ny Mpampianatra fivavahana Khalid Zaheer.
Miresaka ny  fiitatry ny an-tendron'ny fampianarana Islamika isika izay tsy mahazaka fisarahan-kevitra. Nampanotany ahy tamin'ny alalan'ny Twitter ny vahiniko ao amin'ny “Sakafo Maraina”, dia Atoa Khalid Zaheer izany, ny mpamaham- bolongana Sana Saleem raha hiara-manameloka ny tao  Gojra izy sy ny mpampianatra manana fijery malalaka namany tahaka izay nataony tamin'ny tsy rariny nataon'ny Taliban. Nandiso fanantenana ny valinteniny saingy efa azo veroka. Namaly manko izy hoe : ‘Tsia. Io no lafiny mampalahelo tamin'ilay tantara.’ Misy mamely matetika manko ny olom-pivavahana  manohitra ny fandikana tery dia tery fijery ny Islam izay mandevona an'i Pakistan. Nampitahorina tamin'ny voalohany fa nisy namono ho faty mihitsy taty aoriana nohony fomba fijeriny. Efa namono an'i Maulana Hassan Jan, mpampiana-pivavahana avy ao Peshawar, ny Taliban noho izy io nametraka fatwa (lalàna) manohitra ny fanafihana amin'nyalalan'ny famonoan-tena, izay nolazainy fa tsy Islamika.
Moin Ansari ao amin'ny Rupee News no miresaka ny momba ny herisetra tao Gojra ka mitodika amin'ny lazain'ny Korany sy ny fampianaran'i Jinnah (naotin'ny mpandika teny: nanangana an'i Pakistan):
Miangavy ny fiarahamonina ankapobeny eto Pakistan izahay mba hifampidinika amin'ny fomba matotra ary hifantoka amin'ny nanaovana fanitsakitsahana ny zon'ny vitsy an'isa ao Pakistan tamin'ny alalan'ny lalàna isan-karazany. Mila mifanazava isika sady manazava amin'izao tontolo izao fa mifanohitra amin'ny fomba noheverina hananganana an'i Pakistan sy amin'ny fototry ny fampianarana ny Korany izao heloka bevava izao.
Mamerimberina hatrany ny fitondrana fa handray ny andraikiny. Nefa tsy naningana iny tranga iny ary misynyfepetra tokony horaisina hisorohana izay mbola hitranga rahampitso.  Ao amin'ny bolongako, misy lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Gojra: ny Afon'ny Teokrasian'i Zia” no nitondrako fanazavana fa ny fampiharana tafahoatra ny lalànan'ny fitenenan-dratsy (blasfemia) no mampiroborobo ny herisetra itambarambe.
31 taona izay no nampidirana ny lalàna saingy  nilefitra tamin'ny rafitra tsy misy dikany tsy nampihatra azy mihitsy ny firenena. Rafitra nitady mandrakariva ny hanakely ny fomba fijery sy hampiroborobo ny fiaraha-monina mitana ny nentin-drazana. Mampitsahatra ny herivaikan'ny fitiavana izany ary mampisongadina ny halalin'ny fombam-pivavahana eo amin'ny kolotsaintsika. Na dia vonointsika aza ny afon'i Gojra dia mbola mihantona ny fanapahan-kevitra raisina manoloana ny hevitra fanatika. Koa avelao ireo niharan-doza tao Gojra hampisokatra ny masontsika hampiketriketrika ny saintsika hijery ny fiovana tokony atao.
Sana Saleem
Mankalaza ny andron’ny tanora ny firenena Afrika Atsimo ary mahatsiaro ny fahiny
Ny 16 Jona, izay ankalazana ny andron’ny tanora eto Afrika Atsimo dia andro ahatsirovantsika ny fahiny. Tamin’ny 16 Jona 1976 no nitranga ny hetsika tao Soweto noho ny faneren’ny lalana fa amin’ny fiteny Afrikaans no fiteny hampianarana.
Ny marainan’ny 16 Jona 1976, mpianatra mainty hoditra anarivony no nidina an-dalambe niainga avy tao an-tsekoly ho eny amin’ny kianja Orlando ary hanao rodobe hanohitra ny fanerena ny rafi-pampianarana an-tsekoly ho amin’ny teny Afrikaans. Betsaka tamin’ ireo mpianatra tonga teny an-tsekoly io maraina io no tsy nahafantatra mialoha ny hisian’ny fihetsiketsehana nefa resy lahatra nandray anjara teny ihany koa.
Heverina fa teo anelanelan’ny 300 ka hatramin’ny 600 no isan’ireo olona namoy ny ainy nandritra ny fifandonana, fotoana nofaritana ho fiandohan'ny fanoherana ny rafitra fanavakavaham-bolokoditra.
Mijery todika ny tantara ny mpanoratra ao amin’ny bolongana Redemption Time:
Betsaka no azoko tenenina  mikasika io andro io, nefa ho feheziko  amin’ny teboka vitsivitsy ny teniko. Amin'ny tantara rehetra, ny fitondrana mpanavakava-bolokoditra sy ny zavatra vitany teo amin’ny vahoaka sy ny tanora izay nofehezina teo ambaniny no hitoetra ho tantara ratsy indrindra eo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona. Noho izany dia mitondra fanajana lehibe ho an’ireo tanora izay niaina tamin'izany fotoana izany aho, izay niady tamin’ny herin’ny fanavakavaham-bolokoditra sy ny fanambaniana ny bantu sy ny baiko afrikana sadasada ny taona 1976.  Ho tsaroana mandrakizay ary homena voninahitra eto amin’ity firenena ity I Hector Peeterson sy ireo izay niaraka taminy ka nijoro  nitaky ny zon’izy ireo.
Ao amin’ny bolongana Platform 2, manoratra mikasika ny fankalazana ny fikomiana tamin'ny 16 Jona sy ny mozika ho endrim-panoherana ny mpanoratra:
Ho fantatry ny tontolon’ny Hip-Hop fa zanaka lahy no nomena antsika ny andron’ny 16 Jona, araka ny tantaran’ny  tontolo rap, mpanantalenta rap no teraka avy tao anatin’ny hetsika ara-politikan’I Afeni Shakur ary ho fantatry ny tontolo Mzansi fa  nipetraka ny tantara io andron’ny taona 1976 io. Androm-pitahiana ny fahatsiarovana io andro io tsy amin'ny maha andron'ny tanora Afrikana tatsimo ihany fa amin'ny mahafanatika Hip-hop ihany koa. Ireo mozika henointsika amin'ny maha-fiovana lehibe azy no nahasahian'ireo tanora mpiady nitondra ny hatezerany ho eny an-dalambe. Antony hafa no notakian’izy ireo izay mahakasika ny tolona politika nataon'izy ireo nefa mitovy amin'ny fanirian’ireo tanora ankehitriny higoka  fahafahana. Ekena hoe tsy dia mihetsika toy ireo tanoran’ny taona 76 isika saingy raha ny marina dia mitovy ny zava-notakiana, dia ny fahafahantsika, hita mazava be izany nandritra ny fotoam-pifidianana tamin'ny volana arily ka ny ankamaroan’ny tanora mihitsy no tonga nandatsa-bato. Tonga isika hiaro ny fahafahantsika, nifidy isika satria tiantsika ho henoina ny fijaliantsika sy ny tolona ataontsika. Avy teo tsy ela akory izay no niara-nandihy tamin'ny fankahalana vahiny, famonoana sy ny fidorohana zava-mahadomelina isika, dia noraisintska ho amin'ny lafiny tsara toy ny fikomina nataon’ny Hector Petersons nanohitra ny rafi-pampianarana Bantu ihany koa tamin'ny alalan'ny fandrotsaham-bato ny fikomiana nataontska.
Manoratra i Fabulosity fa ny olana dia zavatra hafa ambonin’ny fampianarana ho amin’ny fiteny Afrikaans:
Tsy ny teny Afrikaans amin'ny maha-rafi-pampianarana Bantu manontolo izay nisiana fanavahana sekoly sy Anjerimanontolo, kojakoja tsizarizary, ny efitrano fianarana hipoka ary ny tsy fahampian'ny fiofanana ho  an'ny mpampianatra loatra no nisian'ny adihevitra.
Miresaka ny fiantraikan'ny fihetsiketsehana I Thando Tshangela:
Nahatratra ny faratampony ny vanimpotoanan’ny fihetsiketsehan’ny mpianatra sy ny tanora tamin'ny taona 1980 tany amin'ny tanànan’ireo mainty hoditra ary ny krizin'ny kolontsain'ny fianarana sy ny fampianarana teo amin'nympianatra dia lasa ho fanoherana ny  fanavakavaham-bolokoditra teny an-dalambe. Ny tanjona? Hahatonga ny firenena tsy ho azo fehezina? Sy  ny hahatanteraka ny fahafahana na dia lasa sorona aza ny fanabeazana. Ny velirano nentin’izy ireo? Fahafahana aloha vao ny fianarana?
Libia: Vehivavy, Mpanoratra, Mpanakanto
Raha ny fahitàna azy hatreto dia mbola tsy mahakasika ny tontolon’ny fitorahana blaogy libiana ny gripan-kisoa fa mino aho fa ny firesahana ny momba ny anjara toeran’ny vehivavy dia efa famakiana lay kosa.
Taorian’ny fitrandrahana blaogy libianina maro,
Highlander izay mandefa lahatsoratra momba ireo mpanoratra sy mpitoraka blaogy arabo/libiana dia mihevitra fa raha hanoratra ihany dia aleo mampiasa ny tontolon’ny blaogy ho fanazaran-tena. Tsy ilaina akory ny manao resa-be amin’ny olon-drehetra, mba hisorohana ny disadisa amin’ny andaniny lehilahy.
“Raha ny hevitro dia tsy manohitra velively izay nosoratan’ireo anabaviny, reniny, vadiny sns… akory ny lehilahy Libianina fa ny olana dia mitoetra ao amin’ny tsindrim-piaraha-monina ary ny  3ayb [ ny henatra– ny fahafaham-baraka] - tsy mampihontsina izay hitan’ny maso fa toy ny tsy misy…na ao amin'ny hoe mety hiaka-danja ny vadin'izy ireo ary mety hadika vilana ny heviny na hoe,  à Dieu ne plaise, mety hanimba ny laza amam-boninahiny noho  ireo lehilahy mandoto ny tranonkalany/blaoginy. [ref]
Endrika matetika adino ny hoe tsy antoka mihitsy momba ny fihevitra samihafa na mitovy mikasika io resaka io ny fandehanana miaina ivelan’i Libya. Jereo izay nitranga tamina hetsika mitovy amin’io tany Londona sy Washington DC. nanatrika iray tany Londona i Anglo Libyan, izay nahasorena ka mangataka ny lehilahy izy mba hanaja ny vehivavy.
““Raha iny izaho mandehandeha tao anaty trano fandraisam-bahiny iny dia nahita maro tamin’ireo olona nahazo fanasàna mijorojoro eny ivelan’ny efitrano natokana handefasana ny horonantsary noho ny varavarana rehetra efa nihidy rahateo, nahamarika vehivavy vitsivitsy aho teo, nijoro niaraka tamin’ireo mpanaraka azy, 20 minitra teo ho eo taorian’izay dia hitako ny mpikambana iray tamin’ny mpikarakara nanokatra ny varavaran’ny efitrano hitanilanila ary tampoka teo tsy haiko hoe avy taiza fa nahita andiam-behivavy Libiana aho, manodidina ny 15 na 20 teo nihazakazaka avy any aorianay ary niditra tany anaty efitrano, toy ny tselatra marina mihitsy,  avy eo ilay mpikambana avy amin’ireo mpikarakara dia nanidy ny varavarana, raha ny tsikaritra dia niafina tsy ho hitan’ny mason’ny olona tany ananonanona tany ry zareo mandra-pisian’ny olona niteny tamin’ireo mpikarakara mba hamoha varavarana azy ireo hialan’izy ireo amin’ny fiandrandrana fitserana avy amin’ny mason-dehilahy Libiana !!!! Taorian’ny nisokafan’ireo varavarana hidiran’ny sisa taminay hiditra hanatrika ny hetsika tao anaty efitrano, ny zavatra voalohany voamariko dia ny fipetrahan’ireo vehivavy rehetra tery amin’ny farany indrindra ary manao vondrona iray amin’ny toerana navàhana, tonga dia nijery avy hatrany ireo vehivavy vitsivitsy hitako tery ampiandohana niara-nitsangana tamin’ireo mpanaraka azy aho, toa gaga sy sorena izy ireo, azoko antoka fa te-hiaraka hipetraka amin’ireo fianakaviany ry zareo saingy nanapa-kevitra ny hiavaka amin’ny fianakaviana ka nipetraka niaraka tamin’ireo vehivavy hafa ary dia hita mihitsy fa tena tsy faly.” [source]
Namoaka lahatsoratra iray somary niteraka adihevitra mafana mikasika ireo vehivavy vahiny nanambady Libianina ary tsy voakarakara araka ny tokony ho izy  ny On the edge. Hoy izy:
” Mamaky tsy tapaka aho izay lazain’ireo mpitoraka blaogy libianina manoratra miresaka ny HAMORAN’ny fiainako vahiny manambady libianina, mipetraka aty Libia. […]  Ny zavatra azoko ambara dia ity …. Tena faran’izay mafy  ny fiainanay. Mafy marina, mafy lavitra noho izay azonareo eritreretina. Tsy toy ny vehivavy Libiana manana reny na ray mba hiaro anay izahay rehefa manapa-kevitra ny hanao tsinontsinona anay ny vadinay sy/na ny fianakaviany.  Tsy mahita idodododoana sy lavaka isitrihana koa izahay rehefa sarotra sy ratsy ny raharaha.  Tsy misy toerana haleha na iza hitarainana, hihaino anay sy ny olana sedrainay. Tsy misy tànana hanampy mba hivatsy fitiavana, toy izay azon’ny vehivavy Libiana. Tsia, mizàka ny zava-mitranga fotsiny izahay. Miaina amin’izany. Tsy mitsoaka izahay. Mitraka hatrany izahay ary miady ho an’ny tenanay sy ireo zanakay, tsy andalanay izay fitaovana na fomba entinay miaro tena.
Ataonay izany noho ny Fitiavana. Fitiavana, eny Fitiavana. Tianay ny vadinay, na dia indraindray aza irianay mihitsy ny hanapitra ny ainy. Tianay ireo zanakay, na dia tsy mankato anay sy menatra noho izahay tsy Libiana aza, satria hafa izahay. Eny, izany no mihatra amin’ny sasany aminay. Amin’ny fitiavana ny ankohonana nekenay, i Libia sy ireo mponiny, tanàna sy ireo zavatra rehetra toa kidaladala, hafahafa, mahafinaritra sy mahagaga ao aminy.”
Tsy ilaina akory ny milaza ny hafanàn’ny resaka manodidina ity lohahevitra ity izay fenoin’ity lahatsoratra iray ity.
Amin’ny lafiny iray sy amin’ireo lohahevitr’ireo mpanoratra Libiana, tsy mitsahatra ny manao izay mahazendana antsika amin’ny fandikàny ireo tantara fohy avy amin’ireo mpanoratra Libiana (lahy sy vavy) i Ghazi avy amin’ny Imtidad. Mpanoratra iray voatanisa sy eritreretiko fa mànana hoavy tsara sy mamiratra i Ghazi. HNy fandikan-teny farany nataony dia ny  ” While drinking tea” an’i Omar Kikli  [”Eo ampisotroana dite”], izay mampatahotra ahy.
Shahrazad , izay mahita foana zavatra mahaliana avy any Libia dia nampakatra sary maromaro nalaina avy amina  hosodoko nataona vehivavy Libiana iray mpanao taokanto manana ny hoaviny.
” Ireto misy sary hosodoko vitsivitsy nalain’ny anabaviko tany an-tranon’ny namany. Vao eo amin’ny fanombohany mihitsy ilay mpanao taokanto ary tsy mbola nampiranty mihitsy. Noho izany, nilaza taminy aho fa navoakako tamin’ny blaogiko ireo sary hosodokony ary ho hita eo hoe manao ahoana ny akony”
Ahy manokana, vidiako ny iray amin’ireo hosodokony raha  mahavita mikarakara fampirantiana izy.
Ho faranako amin’ny famoahana ny lahatsoratr’i Lostdubliner , vehivavy iray teratany irlande monina sy miasa any Libia ny resaka. Roa volana teo izay no efa nahatany an-toerana azy.
“Miaraka amin’ny fakantsary efa vonona, niala tao amin’ny efi-tranon’ny hotely aho nanantena ny hahazo ampahan-tsary kely mikasika ny kolontsaina eto an-toerana – nihodina manodidina hevitra iray tena tsara momba ny zava-misy izy ity no nivadika ho zava-mahaketraka. Azo lazaina fa isak’izay fiara tamy manatona ka lehilahy no ao anatiny dia mampaneno kipantsona na mijanona mihitsy. Maro ny tolotra voaraiko ho fanaterana ahy amin’ny fiara,  laharana telefona ary fanasana hiditra anaty fikambanam-pirahalahiana!  Sorena sy tezitra, teny antenantenan-dàlana aho no nitodi-doha malaky nanao tongotra an-katoka niverina avy hatrany tany amin’ny hotely.[…] Nony tonga tany amin’ny hotely, tena tsara fanahy sy mahay mandray olona tsara tokoa ireo mpiasa ao, hain’ny tsirairay rahateo ny anarako na antsoiny hoe “ranabavy”. Amin’ny ankapobeny,  mbola mahay mifandray aman’olona mihoatra noho ny Tandrefana ry zareo libiana - maneho fahatsaram-po lalim-paka sy fahatsaram-panahy tena mahatony tokoa! [loharano]
Ity eto ambany ity dia manaporofo fa vendrana ny zatovolahy Libiana sasany ary ny hafa kosa anefa dia tena gentlemen be fitiavana.
Tiavina ny vehivavy eo amin’ny fiaraha-monina Libianina, hajaina ary raisina toy ny reny, anabavy, nenitoa, zanakavavy ary vady. Ny fanjakàna no miantoka ny fahalalahana sy ny fitovian-jon’ny lahy sy ny vavy, nefa mbola midona amin’ny fomban-drazana sy ireo kolontsaina, ary eto dia marihiko fa tsy miresaka finoana aho. Tsy misy fanindrahindrana ny vehivavy na kely aza ity lahatsoratra ity, fa fanamarihana fotsiny ihany ireo zavatra tsy mety sy mikiky ny fiaraha-monintsika ary tari-kevitra ho amin’ny fitadiavam-bahaolana momba azy ireny.
Sodana: Miteny ao amin'ny Horonantsary ny mpandripa-bahoaka ao Darforo.
Mampiseho ny fijoroana vavolombelon’ireo lehilahy efatra milaza fa nandray anjara tamin’ny herisetra sy famonoana tao Darforo ny horonantsary  navoakan’ i Aegis Trust,  ary tsy matahotra akory ry zareo milaza fa fandringanana ireny. Natsofoka tao amin’ny zotra The Hub ny horonantsary ary antenaina fa hanipy izany any amin’ny hafa ny olona mba hanaparitahana ny antontam-baovao.
Ny lehilahy – maizina ny fomba hamantarana azy – dia mpikambana taloha avy tao amin’ny tafika Sodaney sy ny militia Janjaweed: manamboninahitra zokiny ao amin’ny fitantanam-bolan’ny tafika Sodana ny iray, Komanda ambonin’ny Janjaweed kosa ny manaraka,  ilay iray hafa indray miaramila tsotra an’ny Janjaweed, ary ny farany dia miaramila Sodanese.
Afaka maheno ireo fijorona vavolombelon’izy ireo ianao ao amin’ny horonantsary, izay mampiseho hoe tamin’ny fomba ahoana no nanangonan’ny governemanta Sodana  ny Janjaweed militias, ny fomba nanomezany azy ireo fitaovam-piadiana sy vatsy rehefa andeha hanafika tanana ry zareo, mety ho sarotsaroman’ny governemanta izy ity ary amin’izany no hilaza izy fa hoe ny fanafihana anie ka nataon’ny tafika manohitra ny mpikomy fa tsy hoe fanafihana ny vahoaka nataon’ny militias e.
Efa misy ny dikan-teny an-tsoratra  alemana , Arabo, ary Frantsay ao anatin’ny horonantsary.
Araka  ny feon-gazetin’ny Aegis Trust momba ny Zon’olombeloha, dia  tokony ho entina eny amin’ny Fanapahan-kevitry ny fitsarana iraisam-pirenena mahakasika ny heloka be vava ity horonantsary ity mba hanome ny antoka fahafahana misambotra ny filohan’ny Sodana, Andriamatoa Jeneraly Omar al-Bashir:
Farafaha keliny 300 000 ny olona maty tao Darforo hatramin’ny taona 2003 ary anapitrisany no tsy tafapetraka tao an-tananany, ny ankamaroan’izy ireo aza dia baboan’ireto milisy mitondra ny anaram-bositra hoe Janjaweed (devoly an-damosin-tsoavaly). Rehefa nandeha ny andro sy ny fotoana, dia nilaza ireo olona sisa velon’aina – ka ny mpanara-maso iraisam-pirenena no manamafy izany – fa namono, nanolana, nanararaotra ary nandoro tanana misesesy izy ireo, voatohitry ny tafika Sodana sy ny air force ireo Janjaweed. Kanefa mbola manda hatrany ny andraikitra manoloana ny habibina tao Darforo ity ny Governemanta Sodana ary mandrak’androany, dia lazaina fa tsy misy idiran’ny Janjaweed ireny toe-javatra ireny .
Kanefa indray misy hevitra mifanohitra ao amin’ity horonantsary ity – ny sasany amin’izy ireo izay miresaka mivantana amin’ny vahoaka  tamin’ny voalohany indrindra – no milaza tantara hafa.
Afaka jerena eto ny horonantsary:
<object width="400" height="240" data="http://vimeo.com/moogaloop.swf?clip_id=3161513&server=vimeo.com&show_title=1&show_byline=1&show_portrait=0&color=&fullscreen=1" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowfullscreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://vimeo.com/moogaloop.swf?clip_id=3161513&server=vimeo.com&show_title=1&show_byline=1&show_portrait=0&color=&fullscreen=1" /></object>
Simba I Darforo: niala tamin’ny fahanginany ny tompon’andraikitra Sodana tamin’ny alalan’ny Aegis Trust ao amin’ny Vimeo..