Tantara misongadina momba ny Fanavakavahana
Sina: Fanomezan-danja ny fitiavan-tanindrazana Han
"Tao anatin'ny Fandaharan'asan'ny antoko komionista sinoa, tsy ny foko vitsy an'isa ihany no tsy nanana zo ara-pivavahana fa ny avy amin'ny maro an'isa Han koa aza...Amin'ny maha teraka Han sy nanalehibiazana ahy teto Sina, tsy mahita izany antsoina hoe fitiavan-tanindrazana mihoam-pampana Han izany izahay!"
Brezila: Mba afaka hitondra fiara raitra ve ny mainty hoditra?
Lehilahy mainty hoditra iray no niharan'ny herisetra teo amin'ny toerana fametrahana fiaran'ny toeram-pivarotana lehibe iray tao São Paulo raha nampangain'ny mpiambina ho niketrika fangalarana fiara izay tsy hafa fa azy ihany, niteraka adihevitra be teo amin'ny mpitoraka blaogy maro momba ny anganongano milaza an'y Brezila ho demokrasia ara-poko.
2009-10-27
Isiraely: “fanavakavahana tsotsotra” amin'ny fitateram-baovao
Eo ho eo amin'ny 20%-n'ny mponina, ireo Palestiniana mizaka ny zom-pirenena Isiraeliana (antsoina ihany koa hoe Arabo Isiraeliana) no milaza fa voavakavaka amin'ny sehatra maro eo amin'ny andaanandrom-piainana. Nanery am-panahy mpamaham-bolongana Palestiana iray any Isiraely ny fomba fitantaran'ny haino aman-jery lozam-piarakodia niseho vao haingana.
Ny mpamahana ny bolongana The Other ...
2009-08-04
Pakistan: Manameloka ny rotaka tao Gojra
Velona ny rotaka tao an-tanànan'i Gojra, Pakistan tamin'ny Asabotsy lasa teo noho ny filazana fa nisy ny fanimbazimbana ny Korany Masina ary dia nisy nandoro ny tranon'ireo kristiana tany an-toerana ka olona 7 no may velona tao ary 18 no naratra mafy. Henjana dia henjana ny fanamelohan'ny tontolom-bolongana karana tamin'ity raharaha ity.
2009-07-14
Mankalaza ny andron’ny tanora ny firenena Afrika Atsimo ary mahatsiaro ny fahiny
Ny 16 Jona, izay ankalazana ny andron’ny tanora eto Afrika Atsimo dia andro ahatsirovanay ny fahiny. Tamin’ny 16 Jona 1976 no nitranga ny hetsika tao Soweto nohon'ny faneren’ny lalana fa amin’ny fiteny Afrikaans amin’izay no itondrana ny rafi-pampianarana rehetra.
2009-05-20
Libia: Vehivavy, Mpanoratra, Mpanakanto
Raha ny fahitàna azy hatreto dia mbola tsy mahakasika ny tontolon’ny fitorahana blaogy libiana ny gripan-kisoa fa mino aho fa ny firesahana ny momba ny anjara toeran’ny vehivavy dia efa famakiana lay kosa.
Taorian’ny fitrandrahana blaogy libianina maro,
Highlander izay mandefa lahatsoratra momba ireo mpanoratra sy mpitoraka blaogy arabo/libiana dia mihevitra fa ...
2009-02-22
Sodana: Miteny ao amin'ny Horonantsary ny mpandripa-bahoaka ao Darforo.
Mampiseho ny fijoroana vavolombelon’ireo lehilahy efatra milaza fa nandray anjara tamin’ny herisetra sy famonoana tao Darforo ny horonantsary navoakan’I Aegis Trust, ary tsy matahotra akory ry zareo milaza fa fandringanana ireny. Natsofoka tao amin’ny zotra Hub ny horonantsary ary antenaina fa hanipy izany any amin’ny hafa ny olona mba hanaparitahana ny antontam-baovao.
2008-12-27
Frantsa: Vonona handray filoham-pirenena mainty hoditra ve?
Amin'izao vanim-potoanan'i Obama izao, vonona handray filoham-pirenena mainty hoditra ve i Frantsa? ka i Eugene Ebode, vahinin'ny bolongana ao amin'i Alain Mabanckou, no miresadresaka momba ny karazana politika any Frantsa.
2008-12-24
Eoropa afovoany sy atsinanana: ny marika napetraka ;-) sy tantara aterineto hafa
Indreto atolotra anareo eto ambany eto ireo lahatsoratra nataon'ny mpamaham-bolongana avy any Eoropa afovoany sy atsinanana miresaka ny tambajotra an-tserasera, fampitam-baovao iaraha-mientana, fahazotoana an-tserasera sy izay zavatra rehetra mifandraika amin'izany.
Eternal Remont no nanoratra momba ilay mpandraharaha Rosiana Oleg Teterin, izay milaza fa efa marika ananany zo ny sarikely ;-) ...
2008-12-12
Serbia: Vondrona mpanandratra firenena Serba ao amin'ny Facebook
Eto ampanombohana dia sahirana mandrakariva aho mpandika teny malagasy amin'ny fanavahana ny nasionalista sy patriôty. Noho izany manomboka izao ny nasionalista dia hataoko hoe mpanandratra ny firenena (mba tsy hanaovana ny hoe mpankahala vahiny) ary ny patriôty kosa no hataoko hoe tia tanindrazana. Hiditra amin'izay lazain'ny lahatsoratra nadika amin'izay aho.
"Antsilava, tadivy, Srebrenica!" (Nož, Žica, Srebrenica!) no iray amin'ny teny filamatra tian'ny mpanandratra ny Serba indrindra. Nisy ny fotoana nitsangana ny vondrona Facebook iray manana mpikambana 1 045 mitondra io anarana io sy vondrona iray hafa manohitra azy kosa manana mpikambana 10 584 ary mitaky ny mpandrindra ny Facebook hanakatona ny vondrona NOŽ ŽICA SREBRENICA!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!! satria "manome voninahitra ny fandripahan-dehilahy sy zazalahy 8000 nitranga tany Srebrenica" io vondrona io. Indro i Sinisa Boljanovic mandika teny (anglisy) ho antsika ny resaky ny mpamaham-bolongana Serba.




