Global Voices amin´ny teny malagasy » Protest

Arabia Saodita : Fanandevozana ao amin'ny helodrano Persika
Tapa-bolana lasa izay dia nanao fitokonana sy fenehoan-kery ireo tera-tany Bangladeshy miasa ao Koety noho ny fahakelezan’ny karama omena azy ireo sy ny faharatsian’ny lalana mifehy ny asany. Taorian’io fitokonana io dia mahery ny 200 ny mpiasa noroahina tamin'ny asany. Ny hevitry ny mpitoraka blaogy Saodiana roa mikasika ny endriky ny “fanandevozana” mitranga ao Arabia Saodita sy manerana ny helodrano Persika amin’izao fotoana izao no hotanterintsika amin’ity lahatsoratra ity.

Ny tantara’ny fanandevozana nisy tany Etazonia no hanombohan’i Ahmed Baaboud azy :

أعلن الكونجرس الأمريكي منذ بضعة أيام عن اعتذار رسمي للأمريكيين الأفارقة عن سنوات العبودية الطويلة التي عانوا منها في أمريكا على أمل أن تكون هذه خطوة من أجل محاربة العنصرية و تخفيف جروح الماضي المرة، في نفس الوقت تابعنا الأنباء عن إضرابات العمال الأجانب في الكويت بسبب عدم دفع رواتبهم الضعيفة أصلاً

Andro maromaro lasa izay dia niala tsiny tamin’ireo Afrikana-Amerikana ny antenimieram-pirenena Amerikana noho ny taona maro nampijaliana azy ireo tamin’ny fanandevozana tao Amerika. Dingana iray izany amin’ny fanafoanana ny fanavakavaham-bolo-koditra, sy ny fanalefahana ny hirifiry noho ny ratra nentin’ny lasa. Nandritra izany koa no nanarahana ny vaovao mikasika fitokonana nataon’ireo vahiny miasa ao Koety noho ny tsy fandoavana ny karaman’izy ireo, izay efa kely rahateo.

Avy eo izy dia niresaka ny zava-misy ao Arabia Saodita :

في مملكة الإنسانية أجد أن صنوف كثيرة من العاملين هنا يعانون من أشكال مختلفة من سوء التعامل و ساعات العمل الطويلة بالإضافة إلى عدم وجود نظام مقنن للإجازات الأسبوعية بصورة مفجعة، و نظراً لعدم وجود الكثير من السعوديين العاملين كبائعين في المحلات لا نجد أن هناك إحساس بحجم المعاملة القاسية التي يعيشها مئات الألوف من العاملين هنا.

أتكلم من خلال معرفة شخصية لأن لي أقارب يعملون كبائعين في محلات أقمشة و بيع ساعات يعملون من الساعة التاسعة صباحاً حتى صلاة الظهر (أي إلى حدود الساعة الثانية عشر ظهراً)، و بعد ذلك يعودون للعمل من الساعة الرابعة و النصف حتى الساعة العاشرة و ربما الحادية عشر مساءً، أي ما مجموعة ثمان ساعات يومياً تقريباً و بشكل يومي من غير أيام إجازة أسبوعية، بل حتى إجازات الأعياد تكون مقصورة في العادة على يوم أو يومان. كما إن الأمور تصل إلى حد غير معقول خلال العشر الأواخر من شهر رمضان حيث تستمر ساعات العمل إلى الساعة الثانية صباحاً.

Ato amin’ity “fanjakan’ny maha-olombelona” misy antsika ity dia mahita aho fa maro ny mpiasa no tsy mizaka ny zony tanteraka, na miasa be loatra ary misy aza miasa amin’ny faran’ny herinandro. Ny fisian’ny Saodiana miasa amin’ireny magazay isan-karazany ireny dia midika fa mbola odian-tsy hita ny olana sedrain’ny olona an’arivony maro eto. Mahafanattra izany aho satria misy havako miasa amin’ireny magazay mivaro-damba na famantaran’andro ireny. Manomboka amin’ny 9 maraina izy ireo no miasa ary tsy mitsahatra raha tsy amin’ny vavaka atoandro (izany hoe mandra-pisasaky ny andro), dia miverina miasa indray manomboka amin’ny 4 sy sasany ary tsy mirava raha tsy amin'ny 10 na 11 alina. Izany hoe miasa adiny valo isan’andro izy ireo, tsy misy fiatoana amin’ny faran’ny herinandro – ary na ny fialan-tsasatra amin’ny Eid [Fety Silamo] aza dia voafetra ho iray na roa andro ihany. Tsy vitan'izay fa mandritra ny folo andro tsy hahataperan’ny Ramadan aza moa dia mitohy hatramin’ny 2 maraina ny ora fiasan’izy ireo, izay zavatra tsy azo ekena mihtisy.

Noho izy ireo miasa mandritra ny andro sy ny tsy fisian’ny fialan-tsasatra kely isakin-kerinandro dia tsy afaka mivelatra ara-tsosialy ireo mpiasa ireo. Manginy fotsiny ny fahakelezan’ny karama omena azy ireo. Misy elanelana lehibe araka izany eo amin’ireo mpiasa ireo sy ny Saodiana ary miteraka lonilony noho ny fomba hampiasana azy ireo isan’andro. Taloha dia tsy nampiharina tamin'ireny sehatra ireny ny tetik'asam-pirenena hampirisihana ny fanomezana ny asa ho an'ny tera-tany Saodiana noho ny fahabetsahan’ny ora isana sy ny fahakelezan’ny karama. Amin’izao nefa dia efa maro ihany ny Saodiana miandraikitra ny varotra amin’ireny orinasa lehibe ireny. Antenaina fa ho hitan’ny Saodiana itony lahatsoratra itony.

Tsy mahagaga an’i Ahmad kosa ny zavatra misy ao Koety :

يسجل التاريخ أن التغير الكبير لا يظهر إلا بثورة ، وأبطال هذه الثورات إما أن يتحولون إلى أبطال يذكرهم التاريخ طوال سنوات ويمجدهم في الكتب والمراجع ، أو هم يصبحون ضحايا للثورة فيخسرون كثيراً .. قد يصل الأمر إلى أن يخسرون حياتهم .

تذكرت الكلمات السابقة وأنا أشاهد ردة فعل العمالة في دولة الكويت خلال الاسبوع الماضي ، حيث أضرب عدد كبير من العمال وبعضهم شارك في مظاهرة علنية في الشوارع والميادين مطالبين بتحسين الأنظمة ، بغض النظر عن إشكاليات العمال والجرائم التي انتشرت مؤخراً ، أنا على يقين بأننا في دول الخليج - ليس في الكويت فحسب - لازلنا ننظر إلى العمالة الآسيوية نظرة متدنية وخالية من أي تقدير واحترام أشببها بالنظرة الحيوانية ، فالمواطن ينظر للعامل ويتعامل معه وكأنه ليس انساناً مثله ، ناهيك عن تعامل الشركات التي تقدم رواتب شهرية متدنية جداً ، أعلم بأن 120 دولار (450 ريال) تعتبر مرتباً عالياً جداً للموظف في بنغلادش مثلاً ، لكنها لن تستطع أن تجعل عاملاً في الرياض أو دبي أو الكويت يعيش بأقل التكاليف مع توفير مبلغ نهاية كل شهر ، فلو فرضنا أن جميع وجبات الأكل الثلاث تكلف العامل في اليوم الواحد فقط 12 ريال فهذا يعني بأنه يحتاج إلى 360 ريال شهرياً فقط لوجباته الثلاث ، ناهيك عن الملبس والتنقل والتوفير .

Araka ny tantara dia amin’ny alalan’ny tolo-piavotana ihany no hisian’ny fiovana goavana. Rehefa vita ny tolona, dia na lasa olo-malaza ireo nitarika izany noho ny firesahana azy amin’ny tantara sy ny boky isan-karazany mandritra ny taona maromaro ; na mizaka ny takaitran’ny tolona noho ny fahavoazany, mety hatramin’ny famohizany ny ainy aza. Izay no tonga tao an-tsaiko raha nahita ny fihetsikereo mpiasa ao Koety ireo aho tamin’ny herinandro. Maro ny nandeha nitokona, ny sasany naneho hery teny amin’ny ara-be mba hanatsarana ny lalana mifehy ny asan’izy ireo. Na tsy nisy iny hetsika nataon’ny mpiasa iny aza, dia izaho mahita fa mbola heverintsika eto amin’ny helodrano Persika iray manontolo, fa tsy Koety ihany, fa ambany noho isika ny olona avy ao Azia, ary tsy mendrika ny fanajana fa sanatria tahaka ny biby. Tahaka ny tsy olona no hitondrantsika ireny mpiasa ireny, ny fomba fitondran’ny orinasa isan-karazany azy moa tsy resahiny intsony, tahaka ny fahakelezan’ny karama omena azy ireny. Fantatro fa betsaka izany US$120 (450 Riyals) isam-bolana izany raha ho an’ny mpiasa any Bangladesh ohatra, fa tsy ampy hivelomana izany raha ao Riyadh, Dobay na Koety, ary tsy afaka manana tahiry kely akory izy ireo amin’ny faran’ny volana. Raha atao ny kajy, ny olona iray misakafo in-3 isan’andro dia mandany 12 riyals eo ho eo, izany hoe lany amin’ny sakafo fotsiny ny 360 riyals mandritra ny iray volana – ary tsy mbola voaisa ao ny fitafiana, ny fitanterana na izay tahiriny.

لشركات تستغل ضعف وزارات العمل الخليجية وانشغالها بالموظفين المواطنين إلى الضغط على الآسيويين واستغلالهم شر استغلال بما فيها المرتبات المدنية وساعات العمل الطويلة وسوء مكان السكن وانعدام أي مميزات ، من المفترض أن لا يزيد عدد ساعات العامل عن 9 ساعات يومياً لكننا نشاهد العمالة في مواقع البناء والمصانع وحتى المطاعم تعمل على مدار اليوم ثم نغضب عندما تصدر مؤسسات حقوق الانسان الغربية اتهامات بعبودية (البشر) في دول الخليج .

الشركات الكبرى الآن تضغط على الحكومات التي تتأخر في دفع مستحقات المشاريع الكبيرة بعدم دفع رواتب العمال ، فحين يحتج العامل ويوصل صوته للمسؤولين في بلاده يكون رد الشركة بأننا ننتظر (التعميد من الحكومة ) أي استلام جزء من مستحقات المناقصة وهو الذي يتأخر بالأشهر ويصل إلى 7 أو 8 شهور ، الضحية هنا العامل الذي لاعلاقة له بكل ذلك .. يحرم من مرتبه الضئيل فترات تصل إلى 8 شهور .. ثم نغضب حينما يلجأون للجريمة والسرقة .

Araraotin’ny orinasa ny fahalemen’ny Minisiteran’ny Asa eto amin’ity helodrano ity sy ny fahasahiranan’izy ireo amin’ireo mpiasa tera-tany. Hita izany fanararaotana izany amin’ny fitondran’izy ireo ny mpiasa avy ao Azia, amin’ny tsindry hazo lena sy ny fitrandrahana azy ireo, amin’ny fahakelezan’ny karama, ny habetsahan’ny ora hiasana, ny faharatsian’ny trano sy ny tsy fisian’ny tombony ho an’ny mpiasa mihitsy. Raha ny tokony ho izy dia adiny 9 isan’andro ihany no hiasan’ny mpiasa iray. Betsaka nefa ny mpiasa amin’ireny asa fanorenana, na toeram-pisakafoanana aza, miasa mandritra ny andro. Dia tezitra isika rehefa miresaka ny fanandevozana misy eto amintsika ny fikambanana miaro ny zon’olombelona avy amin’ny firenena tandrefana. Rehefa tara ny fandoavan’ny fanjakana ny vola tokony alohan’izy ireo amin’ny asa ataony, dia ny mpiasa, amin’ny tsy fandoavana ny karaman’izy ireo, no ataon’ny orinasa fitaovana hanerana ny fanjakana. Rehefa mitaraina ny mpiasa ary tonga hatrany amin’ny manam-pahefana ny fitarainan’izy ireo, dia mety valian’ny orinasa fotsiny fa mbola miandry ny “batemy” avy amin’ny governemanta izy ireo, izany hoe mbola miandry ny volan’izy ireo any amin’ny governemanta ka izany no mahatara ny fandoavana ny karama hatramin’ny fito na valo volana … Ny mpiasa, izay tsy miditra amin’izany resaka miaraka amin’ny governemanta izany akory, no tena voa mafy. Tsy omena azy ireo ny karama keliny mandritra ny valo volana, dia tezitra isika rehefa mandeha mangalatra sy mampiasa herisetra izy ireo.

لنسبة لي عندما أستمع إلى شكاوي العمالة حقيقة يحز في خاطري أن يتم معاملتهم بطريقة فيها من (العبودية) الشيء الكثير .. يكفي أن بعض الشركات تطلب من العامل مرتب شهر نظير تجديد الإقامة ، وشركات أخرى تمنع العامل من التمتع بإجازته الاسبوع ، وأخرى تحرمه من أي استئذان أو إجازة حتى بحجة المرض ، أحد العمال قال لي بأنه يعمل في السعودية منذ 3 سنوات ولم يستطع أداء العمرة لأن الشركة ترفض منحه يومين إجازة.

كل هذه السلبيات تتكرر أيضاً في العمالة المنزلية ، ففي كل دول الخليج تعمل الخادمة أو السائق نحو 18 ساعة يومياً بلا توقف ، وهناك الكثير منهم لا ينعمون بمكان نوم ملائم ، بل هناك من يجبر الخادمة على النوم في المطبخ بين الفرن والثلاجة ! ، في أحد المرات ذكر لي صديق (متفاخراً ) بأنه لا يجعل الخادمة تغسل (حوش) المنزل خوفاً من تلقيها أرقاماً هاتفية من سائقين بالجوار .. لذلك فهي لا تتجاوز حدود المنزل الداخلي وربما لا تنعم بضوء الشمس سوى عند نشر الملابس في سطح المنزل ، وعلى كل حال يؤكد أيضاً بأنها لا تخرج مع العائلة للسوق أو المطاعم حتى يضمن عدم تعرفها لعمال آخرين ، قلته له بالعربي ( هي في سجن ؟) ، فأجاب .. (بس هي راضية!)

Rehefa maheno ny fitarainan’ireo mpiasa ireo aho dia tsapako fa tena tahaka ny andevo mihitsy no hitondrana azy ireo. Akoatra ny fakan'ny orinasa ny karama iray volana be izao amin’ny mpiasa rehefa hanavao ny taratasy fahazoany alalana mipetraka eto izy ireo, dia misy koa ireo orinasa tsy mamela ny mpiasany hiala sasatra na dia iray andro isan-kerinandro aza, na dia efa marary aza. Misy mpiasa niteny tamiko fa efa telo taona izy izay no niasa teto Arabia Saodita, ary nandritra izany dia tsy afaka nanao ny Umrah [Fiatahana Masina any Mecca] satria tsy omen’ny orinasa izy na dia roa andro fotsiny aza hanatanterahany izany. Misedra izany olana izany koa ny mpiasa an-trano. Amin’ny firenena rehetra eto amin’ity helodrano misy antsika ity dia miasa adiny 18 isan’andro ny mpiasa an-trano sy ny mpamily fiara-kodia, ary misy amin’izy ireny no tsy manana toerana mba hahafahany matory tsara akory – misy ny matory ao an-dakozia eo anelanelan’ny fatana sy ny vata fampangatsiahana ! Nisy namako izay nitantara tamiko (nirehareha ery !) fa tsy avelany mamafa tokotany ny mpanampiny fa sao mahazo ny laharana an-taroby an’ireo mpamilin’ny mpifanolo-bodi-rindrina aminy. Mbola tsy niala io trano io mihitsy izy izany hatramin’ny niasany tao, ary mety mbola tsy nahita masoandro ankoatra ny hoe mandeha manaha lamba any amin’ny tafo. Nanamafy moa izy fa tsy miaraka miantsena amin’ny fianankaviana io mpanampiny io, tsy mandeha amin’ny toeram-pisakafoanana sns mba hahazoany antoka fa tsy mahafantatra mpiasa tahaka azy izy. Nanontaniako moa izy hoe “Fa gadra angaha ilay mpiasanao ?” dia nolazainy aho fa “Fa faly tsara izy ka ! ”

المشكلة الكبرى فينا وليست في الاسلام بطبيعة الحال ، لكننا نتفاخر بعاداتنا وثقافتنا وروحنا الاسلامية ولا نطبقها على أرض الواقع ، جرب وقف يوماً في إشارة مرور مزدحمة قرب مواقع العمل والمناطق الصناعية ، شاهد كيف تحشر العمالة تحت درجة حرارة 45 في سيارة نقل أعدت لنقل المعدات .. والخراف في أحسن الأحوال .. لكن جشع صاحب المصنع أو الشركة يمنعه من شراء باص قد لا يزيد سعره عن 40 ألف ريال لنقل العمالة من المكانالإقامة للعمل ، ووالله لو كان الأمر بيدي لرفعت قضية ضد أي شركة ينقل عمالتها بسيارات (نقل) وحكمت على المالك بأن يخوض تجربة النقل في ( دينا) لمدة اسبوع (طبعا هذا في الاحلام ).

سل نفسك الآن ، متى آخر مرة أحضرت وجبة خارجية للخادمة أو السائق ، وكم مرة منحت السائق هاتفك الجوال لمحادثة أهله ، ماذا عن الخادمة .. هل مازالت تكتب رسائلها وتبعثها بالبريد ؟

هل لديكم شك بأنها ليست (عبودية) ؟

Tsy ny finoana Silamo mihitsy no tena olana ho antsika ; mirehareha ery isika amin’ny fombafomba sy kolotsaina ary toe-panahy Silamo – nefa tsy ampiharintsika akory ireny amin’ny fiainana. Mba mijanona anie manoloana ireny toeram-piasana na orinasa ireny, dia jereo ny fanerana ny mpiasa hifafatra ao anatin’ireny fiara be natao hitanterana entana na ondry ireny, amin’ny hafanana be 45 °C [113 Fahrenheit] … Noho ny fitiavan-tenan’ny tompon’ny orinasa dia tsy mividy fiara be fitanteran’olona izy (bus) mba hitanterany ny mpiasany, na dia tsy mihoatra ny 40,000 Riyals aza ny vidin’ireny. Raha nanana fahafahana aho dia ampiakariko fitsarana ireny orinasa mitatitra ny mpiasany amin’ny fiara be fitanterana entana ireny,  ary ataoko ao amin’ny lalana fa tsy maitsy mandeha amin’ireny fitanterany ny mpiasa ireny in-dray mandeha isan-kerinandro ny mpampiasa. (Nofinofy izany !)

Manontania tena amin’izay, oviana ianao no nitondra sakafo avy any amin’ireny toeram-pisakafoanana ireny ho an’ny mpiasa na mpamilinao ao an-trano ? Mba avelanao mampiasa ny findainao ve ny mpamily mba hiresahany amin’ny fianankaviany ? Ary ny mpiasa trano ? Mbola manoratra taratasy ve izy, ary mandefa izany amin’ny paositra ?

Mbola manana ahiahy ve ianao raha tena fanandevozana tokoa ity na tsia ?

Fiji: Mamely mafy ilay “fananganana Fiji tsara kokoa” ireo mpitoraka blaogy
Komity iray najoron'ny governemantan'i Fiji no nandroso vinavina misy teboka 11 ho fanampiny ao amin'ny Lalampanorenan'ity nosy ao amin'ny Ranomasimbe Pasifika ity sy “hananganana firenena iray tsy misy fanavahana ara-poko, mavitrika sy mivondrona ara-kolotsaina, tsara tantana sy tena democratika ao ”. Ity vinavina misy pejy 75 ity, mitondra ny lohateny hoe “Volavolan-tSatan'ny vahoakan'i Fiji ho amin'ny Fiovana, ny Fandriampahalemana ary ny Fandrosoana (antontan-taratasy .pdf azo jerena eto [amin'ny teny anglisy] ) dia natolotra tamin'ny Alarobia [6 aogositra 2008] mba hahafahan'ny olona mitondra ny fanamarihany sy ny soso-keviny mikasika azy ity.

Ireo mpikambana miisa 45 ao anatin'ity Filan-kevitra ho Fananganana Fiji tsara kokoa ity, izay nanoratra ireo tolo-kevitra ireo taorian'ny valo volana niasany, dia samy notendren'ny governemanta vonjimaika nilaza tena, tarihan'ny contre-amiral Josaia Voreqe (Frank) Bainimarama, izay naka ny fitondrana tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 5 desambra 2006.

Ny Filan-kevitra ho Fananganana Fiji tsara kokoa dia manana andraikitra mifantoka bebe kokoa amin'ny “fanafoanana ny kolontsain'ny fanonganam-panjakana” [amin'ny teny anglisy] ao amin'ity fanjakana anivon-drano ity, izay efa in-efatra izao hatramin'ny 1987 no nanelingelenana sy nampitsaharan'ny tafika ny fizotry ny, maha kenda roroka ny fandrosoana ara-toe-karena sy misarika ho amin'ny “tsy fahaiza-mitantana ary ny gaboraraka”. Mba hisorohana ny fitsabahana lava ataon'ny tafika eo amin'ny resaka fiainana ara-pôlitika, dia miaiky ity vondron'asa ity fa ilain'ny firenena ny manafoana ny “fifandonana pôlitika milafika resaka ara-poko” izay mampifandramatra ny mponina manana fihaviana indiana, ka ny razamben-dry zareo dia ireo mpanao raharaha nafaran'ny mpitantana kolonialy britanika tamin'ny faran'ny taonjato faha XIX su ny fiandohan'ny taonjato faha XX mba hanmpandeha ny asa fanaovan-tsiramamy Nandritry ny ampolotaonany maro, ireo Fijiana manana fiaviana Indiana, izay haindoista ny ankamaroany, dia somary nanatombo an'isa. Saingy hatramin'ny fanonganam-panjakana roa tamin'ny 1987, niakatra be ny fifindra-monin'ireo fijiana manana fiaviana indiana ireo, ka nanjary ny mponina melaneziana, indrindra ny kristiana, no mameno ny 57%n'ny mponina

Ilay volavolan-tSata dia mametraka fa raha tiana handroso ny firenena, dia ilaina ny haneken'ny rehetra fa ny Lalampanorenana no lalana fototry ny fanjakana, ilaina ny hanitsiana ny fombam-pifidianana mifototra amin'ny fanavankavahana ara-poko [amin'ny teny anglisy] sy hanahàna ny olan'ny fananan-tany, iray amin'ireo olana goavana sedrain'ny firenena, amin'ny fanalalahana ny fahazoan'ireo vondrona foko tsirairay hanana tany amin'ny fampitomboana ny haben'ny faritra azo volena efa misy atao amin'ny fifanarahana fampanofàna maharitra. Nilaza ny governemantan'i Bainimarama fa ireo fepetra ireo dia ilaina laniana mialohan'ny fahafaha-mametraka ny demokrasia amin'ny alalan'ny fifidiana faobe izay voafaritra tany am-piandohana fa hatao ny Martsa 2009, nefa nahemotra indray [amin'ny teny anglisy] taty aoriana kely.

Tany amboalohany, tsy dia nakasitraka loatra ilay volavolan-tSata ireo mpampita vaovao maventy sy ny ankamaroan'ireo mpitoraka blaogy. Be ny nanakiana ny soso-kevitr'ilay komity milaza hoe ny avy any amin'ny nosy Fiji dia ho antsoina hoe “Fijiana”, ary ireo melaneziana dia hovàna hoe ” itaukei”, mba hisorohana ny ethno-nationalisme. Amin'izao fotoana, ny fiantsoana hoe “Fijiana” dia ampiasaina hilazana ny melaneziana, raha antsoina kosa hoa “Indo-Fijiana” ireo taranaka avy amin'ireo mpiasa indiana.

I gdevreal, mpanentana ao amin'ilay forum be mpitsidika atao hoe Fiji Board Exiles [ami'ny teny anglisy], dia mihevitra fa tokony hitady anarana hafa tsy mbola nampiasaina mihitsy ilay komity raha te-hanova ny fiantso ireo mponina ao Fiji, tsy tokony ho nampiasaina izay efa teo taloha:

Mitadiava zava-baovao fa tsy maka mindrana ny an'ny sasany. Tsy rariny ny hangalarana amin'ny vondrona iray mba hanomezana fahafaham-po vondrona iray hafa. Mifidiana teny iray izay tsy mbola nanan ny dikany, amin'izay ho voahajanareo ny zon'ireo Fijiana hisitraka ny azy, izay efa nanomezan'ny Lalampanorenana fiantohana rahateo ho an'ireo mponina rehetra ao Fiji.

Ny mponina rehetra any Inde ve izao dia antsoina hoe Indiana daholo? Na Japoney ny any Japana?

“Teratanin'i Fiji”, ampy izay…

Anaty hafatra iray hafa ao amin'io forum ihany no itondran'i real jack fomba fijery iray ara-tantara momba ny teny hoe “Fijiana”, izay tondroiny ho “noforonin'ireo britanika mpanjanaka” :

Raha nandray anjara tamin'ny lalao iraisam-pirenena momba ny Golf i Vijay Singh dia teratany Fijiana no nilazan'ny rehetra azy, indrindra fa ireo mpampahalala vaovao, toy ny hoe mari-panavahana iray izany, ary tamin'ny fanadihadiana tamin'ny fahitalavitra, dia fehezanteny toy ny hoe “ilay Fijiana Vijay Singh no nandrombaka ny Masters amerikana” no mbola neneho izany, toy ny tsy mbola fantatra mihitsy hoe fijiana anie izy! lol.

Tsy hihinanantsika hanina akory ity adihevitra momba ny teny hoe “Fijiana” ity, tsy mampandroso na inona na inona io. Tsy izany ihany koa fa tsy misy ao, sy tsy mamoaka velively ny maha “itaukei” antsika io teny io, fa fiteny britanika ary tonga niaraka tamin-dry zareo britanika …

Mbola ao amin'io forum io ihany no ametrahan'I Alohabula1 [amin'ny teny anglisy] fa :

Raha manaraka ny fomba amrikanina isika dia izao no azo lazaina “Afrikana Fijiana” sy “Indiana Fijiana”. Ary raha ireo nifindra monina tany Etazonia tato anatin'ny taona vitsivitsy lasa izao mety ho antsoina hoe Fijiana Amerikana sy Indiana Fijiana Amerikana, fa TSY ho Indiana Amerikana, satria ireo teny ireo dia efa voatokana ho an'ireo mena hoditra? Tena very tanteraka aho. Tena mety ho tiana ihany izany, indrindra fa lazaina ho avy any Afrika daholo no tena fihaviantsika rehetra, ka izaho izany ve mety ho Afrikana, Eropeana, Amerikana Hawaien??? Fijiana??? Satria miaina eto aho amin'izao fotoana izao? Sa kosa isika tokony hifototra amin'ny firenena iraiketan'ny fontsika? Na ny toerana ivelomantsika ankehitriny, na koa amin'izay nahaterahan'ireo raiamandrenintsika, na ihany koa any amin'izay nahaterahantsika, na nahalehibe antsika. Tena very foana aho e.

Tena tsy takatry ny olona ilay Sata, hoy I Delta [amin'ny teny anglisy], raha nitondra fanamarihana ao amin'ny tranonkalan-tserasera Fijilive :

Ny Satam-bahoaka no manana ny rariny. Teratanin'i Fiji isika rehetra, ara-pahaterahana, ary mendrika ny ho antsoina hoe Fijiana, saingy misy ireo fanasokajiana madinidinika hanavahana antsika toy ny hoe Fijiana, Indiana, Samoana, Tongiana, Fotsy avy any Nouvelle Zelande na Aostralia, etc.. Tsy misy afaka hanova ny fiaviany. Ny Satam-bahoaka dia manaiky ny fisian'ny maha-teratany, ry namako isany. Aza diso égocentriques loatra isika.

Ry Paceli sy Wendy kosa ao amin'ny blaogin'izy ireo Babasiga [amin'ny teny anglisy], dia mihevitra fa raha tsy maintsy hifidy anarana vaovao ho an'ny mponina ao aminy i Fiji, dia tsy maintsy anarana “foko tsy momba ny atsy sy ny aroa, ary vaovao, ho fiaingana vaovao ho an'i Fiji” . Hoy i Indo-Fijian Kaicolo mamaly azy ireo : “Fijiana aho, na iza ho faly na iza tsy ho faly… Ny maha Indiana ahy tsy tokony hanetry velively ny maha teratany Fijiana ahy!!”.

Tsy irery amin'izay mahatonga fahalinana ilay fanovana anarana. Ao amin'ny blaogy Soli Vakasama [amin'ny teny anglisy], dia heverina ho toy ny tsy manana fankatoavan'ny besinimaro ilay Filan-kevitra ho Fananganana Fiji tsara kokoa satria ireo mpikambana ao dia notendren'ny “fitondrana miaramila tsy ara-dalàna”[junte illégale[

Nihana vetivety ny fanoherana, ary isika, ato anatin'ny Soli Vakasama, mino fa ny mpikambana ao amin'ny Filan-kevitra ho Fananganana Fiji tsara kokoa dia zendana tanteraka amin'io fivoaran'ny fanoherana io, raha nieritreritra izy ireo fa ho zavatra hisosa mora izy ity ary tsy hihetsika ireo Fijiana maro fa hanohy ny fitadiavany isan'andro ihany, saingy tsy nosainin'izay ireo fa ny nataon'ity fitondrana miaramila tsy ara-dalàna tao Fiji ity dia nahatohina ny mponina tsirairay mihitsy ary hafa tsy toy ireo fanonganam-panjakana rehetra teo aloha ary tsy hitony ny olona raha tsy mandalo fitsarana ireo tompon'antoka tamin'izany.

Izahay, ato anatin'ny SV, dia miantso fanajanonana ity kolontsain'ny fanonganam-panjakàna ity ami'ny alalan'ny fitarihana ireo tompon'antoka hiatrika fitsarana na dia hiafara amin'ny fanamelohana ho faty aza izany ho an-dry Vore sy ny namany. Tadidionareo tsara, [George tompon'antoky ny fanonganam-panjakàna tamin'ny 2000] Speight nahazo fanalefahan-tsazy tamin'ny filoha Iloilo [ filoha Josefa] ka ny fanamelohana azy ho faty nanjary figadràna mandram-pahafaty araka ny teny midin'ny Commission des Grâces. Nefa kosa ry Vore sy ny mpitari-tafikany dia tsy olona sivily akory, toa an-dry Speight ka tsy misy mihitsy fialan-tsiny azo ekena avy aminy, ary sarotra inona ny hahazoany teny midina toy izany. Sa ahoana no hevitrareo?

Ho an'i Fiji Democracy Now [amin'ny teny anglisy], ny làlana tsara indrindra hananganana indray an'i Fiji amin'ny lafinny toe-karena sy pôlitika dia ny famerenana ny demikrasia narodana tamin'ny 2006.

Ny tena zavatra ilaina amin'ity fikatsahana anarana vaovao ity dia ny demokrasia. Tsy misy afa-tsy ny governemanta voafidy tamin'ny fomba demokratika ihany no hanam-pahefana hanao ny fanovana toy izany. Ny Komitim-pirenena'ny TsyFivakianaLoha ary ny BeLazao, tsy nofidiana, no te hanolotra demokrasia tsy manampaharoa ho antsika, araka izay fahitany azy, nefa nahoana izy no mitady anarana vaovao homena antsika alohan'ny fametrahana io demokrasia tsy manam-paharoany io?

Heverinay fa azo atao ny mamaly hoe : koa satria efa te-hamafy ny voan'ny fahatezerana sy ny fifampihantsiana ity fitondrana tsy ara-dalàna ity mba hampaharitra kokoa ny didy jadony. Lavitry ny eritreritra tena hampandroso marina an'i Fiji, asisiny ho ao anatin'ny fisavoritahana i Fiji, ny hatezerana ny fifampihantsiana. Ambaranay fa tsy maintsy averina ny demokrasia sy ny tàn-dalàna ankehitriny. Ndeha isika hiverina amin'ny ara-dalàna, fa tsy hihemotra, satria raha izao no ambara ho antoky ny hoavy, tsy mila an'io isika.

I Corruption Fighter, raha nitondra fanamarihana tamin'ny hafatry Soli Vakasama [amin'ny teny anglisy] , dia matoky fa ny fanoherana tamba-be an'ity Sata ity dia afaka hanafaingana ny fiverenan'ny democrasia :

Andro lehibe tokoa ho an'i Fiji. Angamba mba hisy zavatra tsara hivoaka amin'izao mafy zakaina izao raha ny tsirairay no mifanome tànana ao andamosin'ny ara-dalàna, sy ny fisainana nofaritan'ny Lalampanorenana. Aza adino mihitsy fa ny fanonganam-panjakàna tamin'ny 2006 dia nandrodana governemanta nivondronana antoko pôlitika maro izay nahasolo tena tsara ny vahoakan'i Fiji noho ireo governemanta rehetra efa nisy teo amin'ny tantarantsika.

Iran: Mitondra fivavahana ambony diso fanantenana
Kamangir no mitatitra fa nalahelo (tezitra) tamin'ny ekipan'i Iran ny Mpitarika Vavaka isan-Joma tao amin'ny tanànan'ny mpivavaka ao Mashhad, dia ny Ayatollah Seyed Ahmad Alam Alhoda, satria vehivavy no nitarika azy ireo tamin'ny lanonam-panokafana ny lalao olaimpika.

Brezila: Mananontanona ny ady an-trano noho ny tanin'ny Indizeny
Raha mankalaza ny zon'ny vahoaka indizeny izao tontolo izao mandritra ity andron'ny vahoaka indizeny  ity dia ambavahoanan'ny ady antrano noho ny resaka ady tany kosa ny ao Brezila. Adintany nitoetra hatry ny ela teo amin'ny mpamboly vary sy ny foko indizeny any Roraima, fanjakana any avaratra atsinanana manamorona an'i Guyana sy Venezuela, nivadika ho gidragidra, niteraka horohoro sy fifanafihana matetika  izay mety hivadika ho ady manerana ny firenena mihitsy aza.

Lahatsary iray avy amin'ny Filankevitra Indizenin'i Roraima (CIR) sy ny  ONG Survival International no mampiseho antsika olona mitondra basy nokaramain'ny mpamboly vaventy ao an-toerana sady mpanao politika Paulo César Quartiero hanafika ny tanàna Indizeny Makuxi iray.

Fampitandremana: Ity lahatsary ity dia miaty herisetra sy ratra izay mety hanohintohina ny mpijery. (jereo ny lahatsoratra nadika)

Heverina ho 18 000 eo ho eo ny isan'ny vahoaka indizeny avy amin'ny foko Ingarico, Macuxi, Patamona, Taurpeng ary Wapixana izay monina amin'ny faritra antsoina hoe Serra Raposa do Sol. Nampitombo ny disadisa tamin'ny taona 2005 ny nanasoniavan'ny fitondrana ny hanekena ny faritry ny Raposa Do Sol ankehitriny izay mahatratra 4 200 000 acre (1 acre = 4047 metatra toradroa) ho valanjavaboary. Nanamarika ihany koa ny didy hitsivolana fa anjaran'ny Tafika sy ny polisy federaly no miandraikitra ny fiarovana io faritra io. Nanomboka tamin'io fotoana io dia nandao ny faritra ny ankamaroan'ny mpiompy sy ny mpamboly vary rehefa nahazo onitra avy amin'ny goverinemanta.

Na izany aza dia te-hiady hevitra ny mitaky ny hampihenana io velarantany io ny goverinemantan'ny firenen'i Roraima (Brezila) izay milaza fa efa eo ampelatanan'ny Indiana ny 46 isanjaton'ny velaratanin'i Roraima, ka ny fanitarana io valanjavaboarin'ny Indizeny io dia ho vato misakana ny fampandrosoana ny firenena. Efa ampolony taona no niainan'ny voanjo tamin'ny tany sy namboleny azy, hatramin'ny namenoan'ny andian'ny voanjo voalohany ny tanin'ny indizeny mbola tsy voasoratry ny Indizeny tany amin'ny fanjakana ny taniny. Koa na nisy aza ny fanaovan-tsonia taty aoriana dia mbola misy ny vondrona kely tsy manaiky hiala amin'ny tany ary mametraka fa 1% na latsaka aza amin'ny tany (voafaritra ho valanjavaboary na tany arovana tsy hokasikasihina no marina kokoa) no ampiasainy. Niato ny fikasana hanalana azy ireo rehefa vaky ny herisetra tamin'ny Avirily 2008.

Volana aogositry ny alahelo

Efa manome tombondahiny ny vahoaka indizeny ny goverinemanta, saingy hatramin'ny nanombohan'ny gidragidra dia voatsikeran'ny vondron'olona maro, hatramin'ny mpitari-tafika izany politika izany. Eo ampelatanan'ny Fitsarana Tampony Breziliana ankehitriny ny raharaha, izay heverina hamoaka ny didy amin'ity volana ity raha ho esorina amin'ny toerana misy azy ihany ny mpamboly vary na atsahatra ny fampiharana ny mahatanin'ny Indizeny ny Raposa Serra do Sol. Ahiana manko fa raha manome rariny ny mpamboly vary ny Fitsarana Tampony dia ho fanombohan-javatra hiteraka famerenana ady any amin'ny fitsarana ihany koa ny tany efa nekena fa tanin'ny indizeny hafa.

Misara-kevitra ny mpamaham-bolongana Breziliana manoloana ity raharaha ity. bloggers have divided opinions on the matter. Nanao fitsapa-kevitra an-tserasera amin'izay antenaina hodidian'ny Fitsarana Tampony ny Filohan'ny Fifanampiana Indiana nasionaly teo aloha (FUNAI), Mércio Pereira Gomes [pt]. Amin'izao fotoana izao moa dia 253 no efa nifidy ka ny 34% mieritreritra fa hotazonin'ny fitsarana ny faneken'ny filoha Lula tamin'ny taona 2005 momba ny tany, raha 39% kosa no mino fa haverina ny famaritana (ho kelikely kokoa) indray ny tany:

Está todo mundo ansiosíssimo sobre o que sairá do STF. Basta ver ao lado o placar da enquete sobre esse assunto. Quase meio-a-meio entre os que acreditam que o STF vai manter e os que acreditam que ela vai mandar refazer a homologação de Raposa Serra do Sol. Hoje mesmo está havendo no Ministério da Justiça um debate com alguns antropólogos, o jurista Dalmo Dallari e o próprio governador do estado de Roraima sobre Raposa Serra do Sol. Debate para tentar influenciar a decisão do ministro Ayres Britto, que, segundo ele mesmo, a decisão e o voto já foram feitas.

Efa tena mitaintaina tokoa ny rehetra amin'izay havoakan'ny STF [Fitsarana Tampony Breziliana]. Jereo fotsiny ny vokatry ny fanadihadiana etsy ankilan'[ny bolongana]. Mifanasaka mihitsy ireo mino ny fitazonana ny velarantany ankehitriny sy ny mihevitra fa hisy fanitsiana io famaritana ny tanin'ny Raposa Serra do Sol. Ankehitriny dia misy adihevitra miaraka amin'ny mpahalala momba ny olona, ny mpitsara Dalmo Dallari eny fa na dia ny Goverinoran'i Roraima momba ny Raposa Serra do Sol ao amin'ny Minisiteran'ny Fitsarana handresy lahatra ny Minisitra izay, efa manana ny safidiny, araka ny fijeriny.

Tahaka ny efa mahalala mialoha ny didy hivoaka i Aldenor Jr [pt] ary manahy fa mbola hihamafy ny herisetra:

Enquanto os ministros não firmam uma posição definitiva, os ocupantes ilegais das terras públicas, incentivados pela meia dúzia de grandes rizicultores, preparam a guerra. Há denúncias de que, nas últimas semanas, teriam entrado na região armas, munições e um contingente ainda maior de pistoleiros, que ocupam posições ofensivas nas proximidades das aldeias Macuxi. A qualquer momento, sem qualquer aviso, a violência poderá explodir sem controle.

O intenso lobby a favor do esfacelamento do território indígena, realizado por políticos identificados com gananciosos e obscuros interesses, não parou de trabalhar durante o recesso, lançando sóbrias expectativas sobre o desenlace da polêmica em plenário. Haverá ainda tempo para inverter essa tendência?

Raha mbola tsy manana fanapahakevitra matotra farany ny minisitra dia efa miomana ho amin'ny ady kosa ny mpibodo tanimpanjakana ampirisihan'ny mpamboly vary vitsivitsy. Efa re siosio fa nandritra ny herinandro vitsivitsy izay dia maro ny fitaovam-piadiana, basy, eny fa na dia mpikarama an'ady aza niditra tany amin'ny faritra ary maka toerana manodidina ny tanàna manakaiky ny Macuxi. Mety hipoaka hatrany ary tsy ho voafehy noho izany ny ady.

Tsy nijanona mihitsy ny fanerena ankolaka ataon'ny mpanao politika fantatra amin'ny fitadiavan-tombotsoa mihoa-pampana mandritra ny fotoam-pisintonan'ny fitsarana mitady ny handravana ny maha an'ny indizeny ny tany, ka miteraka fanantenana matanjaka (tsy mikivilavila) amin'izay hivoaka avy ao amin'ny Lapa(n'ny Fitsarana). Hisy ve ny fotoana hampivadika izany fironana izany?

Amin'ny lafiny iray dia mino i José Correa Leite [pt] fa didy iray ihany no azo heverina hivoaka (possible). Raha hafa io didy io dia hita manomboka eo hoe mankaiza ny fironan'i Brezila:

A população de Roraima não chega a 400 mil habitantes. Para os cerca de 350 mil não-índios há quase 11 milhões de hectares de terras disponíveis, diz estudo do Instituto Socioambiental. Comparando, Pernambuco tem 9,8 milhões de hectares para cerca de 8 milhões de habitantes.

A defesa das nossas fronteiras na Amazônia sempre receberam grande contribuição das comunidades indígenas. Por exemplo, pela incorporação de seus jovens ao Exército para ações em áreas aonde ninguém quer ou sabe ir.

Assim, não há razão concreta, de natureza social ou de segurança, para desconstituir a terra indígena Raposa Serra do Sol. A decisão do Supremo, seja qual for, dirá algo relevante sobre o compromisso do Estado na defesa de uma das principais raízes de nossa identidade cultural, e sobre seu dever de protegê-la, mesmo contrariando interesses ou remando contra marés de incompreensão momentâneas.

Tsy mihoatra ny 400 000 ny isan'ny mponina ao Roraima. Ho an'ny mponina tsy Indiana eo ho eo amin'ny 350 000 eo dia tany manakaiky ny 11 000 000ha vonona ho azy, araka ny fanadihadian'ny ivotoerana Misahana ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Ampitahao amin'i Pernambuco izay manana tany 9 800 000ha ho an'ny mponina manodidina ny 8 000 000 izany.

Nahazo fandraisana anjara mavitrika avy amin'ny fokonolona Indizeny hatrany ny fiarovana ny sisintanintsika manamorona an'i Amazona. Ohatra, nampidirina ho ao amin'ny tafika ny tanorany hanao ny asa tsy tian'ny hafa na tsy zakan'ny hafa.

Noho izany, tsy misy antony mitombina, na fiarovana sosialy na antony hafa, anesorana ny indizeny amin'ny tanin'ny Raposa Serra do Sol. Manamarika ny fanantanterahana ny teny ifanomezana nataon'ny fanjakana mandrakariva, eo amin'ny fiarovana ny fototry ny kolontsaintsika sy nyadidiny ho amin'ny fiarovana izany, ny Didy avoakan'ny Fitsarana Tampony na ho inona izany na ho inona, eny fa na dia mety hifanohitra amin'ny tombotsoa maro izany ary mety hiteraka tsy fifankahazoankevitra vetivety aza izany.

Ny andaniny kosa

Amin'ny andian-dahatsoratra lava no hanavazavan'i Adelson Elias Vasconcellos [pt] ny antony tokony amerenan'ny goverinemanta indray (na ijerena indray) “araka izayhaingana indrindra” ny fepetra nahatonga ny fanekena tamin'ny 2005 amin'ny famaritana ny tany voaron'ny Raposa do Sol:

E muito deste dolo se deve ao fato de Lula ter assinado, na ONU, em 2005, o protocolo que torna o Brasil signatário da Declaração Internacional de Autodeterminação das Nações e Povos Indígenas que, se homologadas pelo Congresso, será incorporada à Constituição do Brasil, e partir deste momento, toda e qualquer tribo, nação ou etnia indígenas, poderá declarar-se independente do Brasil. Em números reais, hoje seria 216 novos países que resultaria na perda de mais de 13% de nossa área geográfica, sendo que 90% disto em terras da amazônia. Dá para perceber o forte inteesse estrangeiro na questão da homologação de terras indígenas?

Ny tena nandrava zavatra dia ny nanasoniavan'i Lula tamin'ny 2005 ny Fanambarana ny zon'ny vahoaka indizeny izay, raha eken'ny Kongiresy ity Fifanarahana ity, hampidirina amin'ny lalampanorenanan Breziliana, ka manomboka amin'io fotoana io dia mety hanambara ny fahaleovantenany amin'i Brezila avokoa ny foko na vondrona Indizeny rehetra. Raha jerena ny isa ankehitriny dia mety hiteraka firenena 216 vaovao sy fahaverezan'ny velaratanintsika mahatratra 13% izany, ary ny 90%n'izany tany izany dia any Amazonia avokoa. Takatrao ve ny mahaliana fatratra ny vahiny ny hanekena ny tany ho an'ny Indizeny?

Mitovy hevitra amin'izany ihany koa i Fernando Rizzolo [pt]:

Só quem não conhece geografia, mal intencionado, ou extremamente leigo, consegue dormir em paz deixando nossas fronteiras abertas numa região perigosa; e não preciso nem dizer porquê.

Ny tsy mahalala jeogirafia, ny fetsifetsy na olona tsy mahalala na inona na inona ihany no mandry ampiadanana mamela ny sisintanintsika hisokatra amina faritra mampididoza, ary tsy mila lazaina akory hoe nahoana izany.

Bob Back [pt] koa mino fa mbola misy ambadika mihoatra noho ny zon'ny indizeny ity raharaha ity:

A região tornou-se alvo de interesses estrangeiros, de mineradoras e até de governos, que alimentam a esperança de conseguir arrancar uma lasquinha fresquinha do Brasil. Atuam ali ONGs com interesses excusos.

Colocando-se de ponta-cabeça o mapa do Brasil, este assemelha-se a um imenso presunto, de quem a comunidade internacional busca tirar um pedacinho, alimentando em nossos índios a esperança de tornarem-se em breve uma nação independente do Brasil.

Por iso, convém dizer que só pode haver soberania onde há autoridade. A reserva Raposa do Sol tornou-se terra-de-ninguém, em clima de verdadeiro faroeste.

Até que o cherife apareça para pôr ordem na casa e dizer a que veio…

Efa lasa kendrikendren'ny tombotsoa vahiny, mpihady tany eny fa na dia ny goverinemanta aza ny faritra manantena fa sao dia mahazo sombitany amin'i Brezila. Misy aza ONG miasa tsy fantatra hoe ho amin'ny tombotsoan'iza.

Raha avadika ny sarintanin'i Brezila dia tahaka ny mahita fen'henankisoa goavana izay tsiriritin'ny fiarahamonina iraisam-pirenena hakana kely ihany koa amin'ny fampanantenana ny Indiana fa hahaleo tena amin'i Brezila ry zareo.

Noho io antony io, dia tokony holazaina fa any amin'ny toerana misy fahefana ihany no misy fiandrianam-pirenena. Efa lasa tany efitra tsy misy olona amin'ny lahatsary western ireny ny tany arovana Raposa do Sol.

Mandrapipoitran'ny sheriff hanadio ny trano sy hiteny izay antony hahatongavany…

Adihevitra sy fanetsiketsehana

Altino Machado [pt], miaraka amin'ny vondrona Makunaima Grita, no iray amin'ireo mpamaham-bolongana maro manentana ny fanangonantsonia an-tserasera ho fanohanana ny vahoaka indizeny ao Raposa Serra do Sol, izay efa voasonian'olona mihoatra ny 2000 ary tokony halefa any amin'ny Fitsarana Tampony Breziliana  alohan'ny 27 Aogositra, daty anapahan-kevitra ny amin'ny tany:

Enfatizamos na petição que a Constituição completa 20 anos em outubro e a decisão do Supremo Tribunal Federal no caso da Raposa Serra do Sol precisa honrá-la, resgatando a dignidade aos povos indígenas, fortalecendo nossa democracia pluralista e o Estado Democrático de Direito no Brasil.

Ambaranay indray fa amin'ity fanangonan-tsonia ity fa feno 20 taona amin'ny volana Oktobra ny Lalampanorenana ary tokony hajaina ny Didy navoakan'ny Fitsarana Tampony federaly mikasika ny Raposa Serra do Sol, hanavotana ny hajan'ny vahoaka indizeny, ary hanamafisana ny demaokirasia manaja ny hevitra samihafa sy ny fanjakana demaokiratikan'i Brezila.

Tamin'ny lahatsoratra mandresy lahatra iray no namintinan'i Sakamoto [pt] ny fandokondokoan'ny fampahalalambaovao sy ny mpilaza ny heviny ny adihevitra mafotaka amin'izao fotoana izao:

O debate está assumindo níveis de ignorância explícita. Já ouvi jornalistas afirmarem que se trata de uma “interdição” de uma área do tamanho de Sergipe para uma populaçao indígena de alguns milhares, comparando a situação com a de trabalhadores rurais sem-terra que esperam a reforma agrária. Primeiro, é um grande erro comparar culturas tão diferentes e tão díspares. Índios caçam e para isso precisam de uma grande área, enquanto nós podemos escolher nossos produtos industrializados e com conservantes nas prateleiras de qualquer supermercado. Isso sem falar das mudanças de roçado e nas suas áreas místicas. E não são as reservas indígenas o entrave da reforma agrária no Brasil. Sabemos que o problema está mais para a política do que a para a antropologia.

Nampivandravandra ny tsi-fahalalana ankehitriny ny adihevitra. Naheno mpanao gazety aho niteny “fandrarana” (ny fampiasana ny) tany mitovy velarana amin'ny firenen'i Sergipe ho ana mponina indizeny anarivony monja, miohatra amin'ireo tantsaha tsy manana tany iasana izay manantena fanajariana ny tany. Voalohany aloha dia fahadisoana ny mampitaha kolontsaina tsy misy ifandraisany. Mpihaza ny Indiana ka mila velarana lehibe izy hanaovany izany, raha nisafidy ny vokatra voaodin'orinasa aranty eny amin'ny talantalan'ny tranombarotra lehibe kosa isika. Tsy tenenina ny taom-pamboleny (ny taom-piotazany) sy ny toerana masiny. Arytsy sakana ho amin'ny fampanjariana ny tany velively ny tany arovana ho an'ny indizeny eto Brezila. Fantatsika fa any amin'ny sehatry ny politika no itoeran'ny olana fa tsy any amin'ny mahaolona velively.

Sakamoto [pt] indray mamarana azy amin'ny esoeso kely, tamin'ny filazany fa tany Brezila dia  “Natakalo  biby fiompy mandrakariva ny Indiana noho ny fanohanana sy firaisana tsikombakomban'ny fiarahamonim-pirenena”:

Índios vem sendo mortos freqüentemente. Assim como árvores são transformadas em tábuas. E nunca ninguém precisará saber ao certo quem faz isso porque, na verdade, não estamos mesmo interessados. Que a vida siga como ela sempre foi: nós com nossas reservas intocadas sem gente, os estrangeiros com suas mesas de madeira maciça, carne em abundância e soja barata, os latifundiários com grandes pastos, políticos com férias em Angra e os trabalhadores com seus empregos efêmeros. Do que nos interessa a vida de um grupo de índios, empurrado de um lado para outro, cumprindo pena por ter subvertido a ordem nacional?

Maty misy mamono matetika ny Indiana. Tahaka ny niovan'ny hazo ho hazo fisaka. Ary tsy misy te-hahalala izany satria tsy mahaliana antsika izany ny tena marina. Avelao hitohy tahaka ny mahazatra ny fiainana e: isika miaraka amin'ny tany arovana tsy misy olona, ny vahiny amin'ny latabany mafonja, feno hena sy saozaha moravidy, ny tompontany miaraka amin'ny tany midadasikany, ny mpanao politika mitsangatsangana any Angra ary ny mpiasa amin'ny asany tsizarizary. Nahoana isika no tokony ho liana amin'ny fiainan'ny vondrona Indiana, voatositosika etsy sy eroa, voasazy noho ny fikasana hanohintohina ny filaminan'ny firenena?

Eo ho eo amin'ny 11% amin'ny velarantanin'i Brezila sy manakaiky ny 22%n'i Amazonia no eo ampelatanan'ny Indiana. Nanambara ny Lalampanorenana Breziliana tamin'ny 1988 fa ny tsy maintsy tafaverina amin'ny fokony ao anatin'ny dimy taona ny tanindrazan'ny Indiana.

Shina: Mpihetsiketsika vahiny ampian'ny fitaovana 2.0
Ny (mety ho) fihetsiketseham-panoherana farany mialoha ny iverenana indray amin'ny lohahevitra manodidina azy; ny voalohany izany dia ny karazana tolona anaty akata Exodus 8:1 ataon'ilay mpitolona avy amin'ny misiona Kirisitiana Eddie ‘iamgadfly' Romero ho fampanjakana ny zon'olombelona any Shina ary ilay azo heverina ho ilay nandoko ny rindrin'ny efitrano roa raha vitsy indrindra amin'ny efitra fandriam-bahiny 2 raha vitsy indrindra ary dia nandositra niery avy eo. Ary mbola namahana tweeter ihany izy, na izany aza, ary nametraka lahatsary ao amin'ny YouTube.

Ary androany indray, mpihetsiketsika iray avy amin'ny fikambanana Amerikana ho amin'ny fanafahana an'i Tibet indray no nandeha nivantana tao amin'ny Qik.com avy amina olompirenena iray mailaka amin'ny fanomezam-baovao @noneck; somary lavalava kokoa ny fotoana hisintonana ity lahatsary ity raha vao aseho ny be sy ny maro izy ity:

Misy lahatsoratra maromaro kokoa ao amin'ny tweet avy @noneck (na i Noel Hidalgo) vao tsy ampy ora iray izay; ny lahatsary lazainy moa dia toa  ity rakikira antsary ity:

I'm qik'n an awesome video of a protest i saw in t sq. The frosting came from a cbc camera man who got his passport stolen by police na nahazo ity lahatsary mahavariana ity avy amina mpihetsiketsika iray hitako tao amin'ny kianjan'i Tienanmen. Avy amina lehilahy mpaka sary cbc izay nangalarin'ny polisy ny pasipaorony ity tolotra tsy nampoiziina ity (glace ny dika manta)

Lhadon Tethong avy amin'ny fikambanan'ny mpianatra ho amin'ny fanafahana an'i Tibet ihany koa diananao zavatra mifanahatahaka an'io mialoha ny hiereny ‘underground' (ambany lakavy), mandositra ny mpitondra fanjakana Shinoa noho ny fanohizany manontany antsary mba hisarihany araka izay azony natao ny mason'ny filohan'ny Komity Olaimpika Iraisampirenena Jacques Rogge.

Marihina fa ny lahatsary rehetra dia hitanao ampanindriana ny vakio eto ny lahatsoratra nadika etsy ambony. Tsy mba mahita na dia sombin-tsary aza manko ny mpandika ho amin'ny teny Malagasy.

Seribia: Afangaron'ny CNN i Budapest sy i Belgrade
Balkan File no nilaza fa “nampifamadihan'ny CNN ho ny sary ny filazalazana ny rotaka nitranga tany Budapest, Haongiria, ny rotaka nitranga tany Belgrade”: “ny fanehoankevitra an-tserasera moa no nanambara fa angamba te-hampiseho hetsi-panoherana mafana vay kokoa noho ny tena nitranga ny CNN, saingy na izany aza, amin'ny fomba ahoana moa no isian'ny fifandisoana ka sary tany amin'ny firenena hafa sady tamin'ny herintaona ihany koa no naseho?”

Iran : Nifarana tany amonja ny diam-panoherana nataona mpitondra fivavahana
Mpitondra fivavahana Iraniana antsoina hoe Ali Reza Jahanshahi no nosamborina tapabolana lasa izay, rehefa nanomboka ny diam-panoherana 960 kilometatra (590 maily) avy any an-tanna atsimon’i Iran Sirjan ho any Teheran. Notoherin’ilay mpitondra fivavahana manko ny kolikolim-pakana tany tao Sirjan ary nitarainany ny fitondrana mahefa ho tsy miraika loatra amin’ity raharaha ity. Nosamborina i Jahnashahi raha vao nahavita 30 kilometatra akaikin’ny tanànan’i Abadeh.

Maro tamin’ny mpamaham-bolongana mpitahiry ny fahazarana Iraniana sy mpanohana ny repobilika Isilamika no nanambara ny fanohanany ity diam-panoherana ity, ary niantso ny mpitondra mahefa hamotsotra azy. Maro tamin’ireo mpianatra Isilamika sy mpitondra fivavahana tokoa no nanao fihetsiketsehana ho fanafahana azy. Maro tamin’ireo mpikambana sy mpamaham-bolongana ireo no mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra Mitady ny Rariny, vondrona Isilamika sy mpitandro ny fahazarana izay mitsikera ny mpitondra Iraniana ho tsy mihetsika loatra hiady amin’ny kolikoly.

Etsy andaniny koa, zara raha taterin’ny mpamaham-bolongana mpitaky ny fanavaozana sy ivelan’ny fivavahana ity fitazonana amponja mpitondra fivavahana ity. Manaporofo tokoa izao ny fizarazaran-kevitry ny ny tontolom-bolongana Iraniana.

Namoaka ny  sarin’ilay mpitondra fivavahana maromaro [Fa] ny mpamaham-bolongana Mostazafin (midika hoe ‘voateritery’ amin’ny teny Perisiana), izay nanaraka akaiky ny vaovao momba ity fanoheran’i Jahnashahi ity, ary nolazainy fa gazetin’ny mpianatra miisa 18 no namoaka fanambarana hanohanana ny diam-panoherana revolisionera ataony.

Naka ny sombin’ny filazana nataony izy:

“In Sirjan we witnessed how power circles and capitalists illegally took control of many properties that belong to the Iranian people… People who acted against Islamic Republic law and Islam.”

« Vavolombelon’ny fakan’ny Kapitalista sy manampahefana amin’ny tsy rariny sy tsy ara-dalana ny ankamaroan’ny tanin’ny vahoaka Iraniana izahay eto Sirjan… (Tena) olona mandika ny lalànana’ny Repobilika Silamo sy ny Isilamo ireo »

Hoy ny filazan’i Mostazifin momba ny hetsiky Jahnashahi:

“For two years he tried to attract the Iranian authorities’ attention to enormous financial corruption, but nobody paid any attention… What happened in Sirjan is just an example of what is going on across Iran.”

« Efa roa taona izay izy no nanaitra ny mpitondra Iraniana amin’ny haben’ny kolikoly ifanakalozana saingy tsy noraharahiana… Inona moa no mitranga raha singa hita manerana an’Iran manontolo hay izao any Sirjan izao ? »

Markazinews moa nanoratra fa mpitandro ny filaminana miisa 6 no nisambotra an’i Jahanshahi nanery azy hiditra anaty fiara raha mbola tao amin’ny Môsikea izy. Araka ny tatitra dia nosamborina izy satria mandika ny fitsipika mifehy ny mpitondra fivavahana.

Nalain’i  Markazinews ny sombim-panambaran’ny Mpianatra mitady ny Rariny, mampahatsiahy ny tenin’ny Ayatollah Khomeini, mpitarika ny Repobilika isilamikan’i Iran teo aloha, fa tsy mahazo manadino ny mahantra sy ny vahoaka tsy mikiraro ny mpitondra fivavahana … Nohazavazavain’izy ireo fa tsy ho andeferany ny kitoatoa ataon’ny mpitondra fanjakana, ary hotontosainy ny adidy revolisionera ataony.

Bignaehstiz indray namoaka  badge (mari-pamantarana) hanohanany ilay mpitondra fivavahana ary mivaky toy izao “Ho fanoherana ny kolikoly ao Sirjan, dia miaraka amin’i Jahanshahi izahay.” Nampian’ny mpamaham-bolongana moa fa misy mpianatra sy mpitondra fivavahana manohana azy ka hiara-dalana aminy eny atsefatsefan-dalana eny hanoherana ny kolikoly.

Kashmar injao mitsikera ny Fitsarana Manokan’ny Mpitondra Fivavahana izay namoaka ny didim-pitsarana hisamborana sy hamonjana an’i Jahanshahi, ka manontany hoe nahoana moa tsy ny mpitondra fivavahana manao kolikoly no enjehiny.

Namoaka mari-pamantarana moa ny Muslim Bloggers Association(fikambanan’ny mpamaham-bolongana Silamo) izay milaza fa ny mpitondra fivavahana mpanao tsolotra no tokony samborina fa tsy ny mpitondra fivavahana avy any Sirjani.

Brezila: Fihetseham-panoherana tsy manao tatinono tao Rio
Navoakan'i Walter Valdevino tao amin'ny  Nova Corja [pt] ny sarim-pihetsiketseham-panoherana hafakely tao Barezila, raha nizotra ho eny afovoan-tanànan'i Rio de Janeiro tsy misy tatinono ity vehivavy aritista 28 taona iray. “Silipo kely ihany no mba fitafiana nentiny, nandeha 15 metatra nisikina ny sainam-pirenena Bareziliana hanakona ny fitombenany ity mpirotsaka hifaninana ho Miss Flamengo ity ary nandray fiarakaretsaka avy eo, ka nampihoraka hakiviana ny kaofiboay teo akaiky teo”. Ho fanoherana ny hanohanana, tsy rariny ary ny fampanantenana poakaty ataon'ny mpanao politika no nanaovany izany.

Brezila: Nahazo alalana ilay tetikasa nokileary efa nampiady hevitra
Nahazoana fahazoan-dalana vonjimaika [pt], avy amin'ny Ivotoerana Breziliana miahy ny tontolo iainana sy ny akora azo avaozina tamin'ny 23 jolay farany teo, ho azo trandrahina ilay mpamokatra angovon'aratra nokileary Angra 3 efa nampiady hevitra, nefa mialoha izany dia andiam-pifanarahana fiarovana ny tontolo iainana mahatratra 60 no napetraky ny minisitry ny tontolo iainana Carlos Minc tsy maintsy ekena. Izy 60 dia fikaroham-bahaolana maharitra manomboka any amin'ny saram-pandaniana fifehezana ny taratra  (nokileary) ka hatrany amin'ny fikarakarana ny fampianarana sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Tsy maintsy soniavina ao amin'ny fanomezana lalana vonjimaika ho famenoana ny Angra 3 ireo fepetra ireo mialoha ny fandravonana ny asa ny volana sepitamb°ra amin'ity taona ity.

Nahazendana ny mpamaham-bolongana sasany ity fanapahan-kevitra ity satria ity Minisitry ny tontrolo iainana Carlos Minc ity raha heverina dia nanangana ny antoko mpandala ny voary (Antokon'ny maitso raha heverina amin'ny dika manta) ary nalaza ho niady mafy hanoherana ny fampiasana ny angovo nokileary dia lasa minisitry ny Tontolo iainana rehefa niala i Marina Silva. NIlaza moa izy fa tsy maintsy mahita ny fametrapetrahana rehetra mialoha ny fiafaran'ny fotoam-piasany. Toa hita ihany manko fa tsy mitovy hevitra loatra i Minc sy ny filoha Lula, izay efa nilaza ny fampanantenany momba ny angovo nokileary, rehefa miresaka ity lohahevitra iray ity fa tsy mba tahaka ny mahazatra taloha intsony ny tsy fifanarahan-kevitra. Namoaka ny sarin'izy mirahalahy tamin'ny 1989, nandritra ny fihetsiketseham-panoherana ny fananganana ity Angra 3 ity indrindra i Jorge Henrique Cordeiro [pt] . Mihevitra ny mpamaham-bolongana fa tokony ho tany amin'ny angovo madio sady mbola betsaka no nandaniam-bola:

Energeticamente o Brasil tem imenso potencial hídrico, solar e eólico a ser explorado. Só os ventos do Nordeste oferecem 75 gigawatts de energia ao país. O que me leva a fazer uma continha básica: levando-se em conta que Angra 3 tem potencial para 1.350 megawatts (1 gigawatt = 1.000 megawatts, só pra constar) e custo estimado de R$ 8 bilhões para ser construída, seriam necessárias 56 usinas iguais à ela, ao incrível preço de R$ 450 bilhões, para gerar esse mesmo total de energia com reatores nucleares. E ainda têm a cara-de-pau de dizer que as fontes renováveis de energia são caras…

Raha eo amin'ny resaka angôvo, manana “tahirin” angovon-drano, masoandro ary rivotra betsaka azo trandrahina tsara i Brezila. Ny rivotra any avaratra atsinanana fotsiny dia afaka manome angôvo hatramin'ny 75 gigawatt ho an'ny firenena. Ahafahako manao kajikajy tsotra izany: raha raisina fa afaka manome 1,350 megawatts (1 gigawatt = 1,000 megawatts, aoka hazava) ny Angra 3 ary ny saram-pandaniana hananganana azy dia US$ 8 miliara, dia tsy maintsy manangana 56 tahaka azy izany vao ampy, izany hoe mahatratra hatramin'ny US$ 450 miliara ny fandaniana, vao mahazo ny angovo mitovy amin'ny voalaza etsy ambony. Nefa dia mbola matoky tena ihany ry zareo fa lafo loatra ny angovo azo havaozina…

Amin'ny lafiny ilany kosa indray, Briguilino [pt] kosa mino fa fanaporofoana  “fa hita aloha loatra ny  mahatsinontsinona ny mpiaro ny tontolo iainana breziliana” ny fitakiana isan-karazany hahazoana ny fahazoan-dalana, ary eritreretiny fa dingana tsara ilay fanomezan-dalana:

De todo modo, a decisão é positiva para o país, desde que o radicalismo ambiental enxertado por Luiz Inácio Lula da Silva na Esplanada dos Ministérios não consiga interromper o andamento da obra, negando-lhe a licença de instalação. Aliás, é só do que se fala em Brasília: que o Ibama teria cedido agora para endurecer depois. Será?

Hitera-boka-tsoa ho an'ny firenena ny fanapahan-kevitra amin'ny lafiny rehetra, rehefa tsy mahasakana ny fandroson'ny asa ny fiarovana an-tendrony ny tontolo iainana ataon'i Luiz Inácio Lula da Silva any amin'ny Minisitera, te-hitsivalana amin'ny fahazoan-dalana. Raha ny marina dia miresaka an'io avokoa ny ao Brazilia: Moa ve hanamafy ny fanekeny ankehitriny ny IBAMA any aoriana any?

Nitsapa ny hevitry ny mpamaky azy amin'ity raharaha ity i  Projeto Jogo Limpo [Tetikasa Lalao Madio, pt] . Namoaka ny lahatsoratra etsy ambany nalefan'ny Greenpeace Brazil tamin'ny alalan'ny imailaka ny mpamaham-bolongana sasany, mampirisika ny olona hitaraina mivantana amin'ny filohan'ny IBAMA:

Não deixe isso passar em branco! Você pode enviar um SMS (torpedo) e reclamar diretamente com Roberto Messias, presidente do Ibama, através do número: 061 9982-4409. Exerça o seu papel de cidadão, mostre sua indignação e cobre explicações do Governo Lula!

Aza avela handalo fotsiny io! Afaka mandefa SMS mitaraina mivantana amin'Atoa Roberto Messias,  IBAMA's president ianao amin'ny alalan'ny laharam-pinday: 061 9982-4409. Ampiasao ny andraikitra mahaolom-pirenena anao ka asehoy ny fahatezeranao sy ny fitakiam-panazavana ilainao avy amin'ny fitondran'i Lula!

Antsoina hoe  “Tonga ny Messiah hitondra filazandoza (vaovao mampalahelo)” ity hetsika ity ary efa nidina an-dalamben'i Brazilia renivohitra sy Rio de Janeiro. Hoy [pt] Ricardo Baitelo, mpanetsiketsika avy amin'ny Greenpeace Brasil :

“Aprovar o projeto de construção de Angra 3 é um retrocesso para o país e uma vergonha para o Ibama. Roberto Messias entra para a história como o homem que assinou a licença de um elefante branco radioativo, e Minc, opositor da energia nuclear, como o ministro que lavou as mãos para o fato”, lamentou Ricardo Baitelo, da campanha de energia do Greenpeace.

“Fiverenan-dalana ho an'ny firenena sy henatra ho an'ny IBAMA ny fanekana ny fananganana ny Angra 3. Niditra ao amin'ny tantara ho ilay nanasonia orinasan-taratra (mampidi-doza) nandaniam-bola nefa handamoka i Roberto Messias, ary i Minc kosa , ilay mpanohitra ny angôvo nokileary, no [Pilato] Minisitra  nanasa ny tanany [naotin'ny mpandika teny malagasy: afaka amin'ny ran'io lehilahy io aho, hoy i Pilato teo amanasana tanana] amin'ity raharaha ity”

Nalaina avy amin'ny hetsi-panoherana ny fananganana ny Angra 3 nokarakarain'ny Greenpeace Brazil tamin'ny 23 jolay ireo sary nalaina [jereo ny lahatsoratra nadika], rehefa nosoniavina ny fifanekem-piaraha-miasa. Sary nalain'ny Agência Brasil ireo ary ambany fifehezan-dalàn'ny Creative Commons licence.

Nanomboka tamin'ny taona 1984 ny fanorenana ny mpamokatra angôvo Nokileary fahatelo mameno ny dingana fahatelo farany amin'ny ozinina famokarana angôvo breziliana tokana saingy naato 22 taona taty aoriana rehefa nisedra olana ara-toe-karena goavana i Brezila. Efa novidiana tamin'ny taona 1995 ny kojakoja vaventy mandrafitra azy, ary andaniana 50 000 000 dôlara isan-taona ny fikojakojana azy. Toherin'ny mpandala ny tontolo iainana sy ny sarambambe amin'ny ankapobeny moa ity tetikasa ity.

Arzantina:Nolavin'ny loholona ny fampiakarana ny haba amin'ny fanondranana ny vokatry ny fambolena
Ny 17 jolay 2008 teo dia nolavin’ny Antenimieran-doholona Arzantina ny volavolan-dalàna natolotry ny Filoha Cristina Fernández de Kirchner mba hampiakarana ny haba alaina amin’ny fanondranana ny vokatry ny fambolena.

Nizara mitovy ho antsasany avy ny vato narotsak’ireo loholona, 36 nandany ary 36 nitsipaka, i Julio Cobos, Filoha lefitra arzantina, izay voatendrin’ny Lalam-panorenana noho izany toerany izany ho filohan’ny antenimieran-doholona, ary tsy mifidy raha tsy sendra fitoviam-bato, dia nifidy ny hitsipaka ny governemanta izay misy azy rahateo.

Ity fifidianana ity, izay ny ampitson’io dia narahan’ny fanajanonana ilay “marimaritra 125″ avy amin’ny mpitondra arzantina, dia fandresena iray ho an’ny “tantsaha”, izay ivondronan’ireo tompom-pananana vaventy, ireo mpiompy madinika, ary ireo orinasa manofa tany mba hambolena soza, izay manome ny ampahatelon’ireo fanondrànana avy aty Arzantina ka amidy lafo noho ny fiakaran’ny filàna eran-tany. Ity tsy fahombiazan’ny filoha ity dia fiandohan’ny olana pôlitika anaty izay tsy mbola fantatra izay ho vokany ho an’ny Governemanta arzantina, izay raha ny tokony ho izy dia mbola manana telo taona hiasana.

Ny blaogy Viva el Campo [amin’ny teny espagñola] dia nankalaza ity fanapahan-kevitra ity tamin’ny kiaka hoe “Ho ela velona anie ny tanindrazana”, ary mitatitra ny fotoana tao amin’ny Antenimieran’doholona izay nitsipaka ity volavolan-dalàna ity.

I Paro Agropecuario [amin’ny teny espagñola] dia mandefa antso ho fanangànana firenena mendrika iray, ary maniry ny mba hamitàn-dramatoa Filoha ny fe-potoam-piasana nahalàny azy – na dia avy amin’ny fanoherana aza ny tenany -, valin-teni-na tia tanindrazana ho setrin’ireo fiampangàna fikotrehana “fanonganam-panjakana” voizin’ireo mpomba ny governemanta rehefa miresaka ny mpanao fihetsiketsehana mitsipaka ity fanavaozana ity.

I Ciudadanos Participando [amin’ny teny espagñola] dia nanoratra hoe “Nahazo ny anjara Waterloo-ny i Kirchner ”.

Mendieta el Renegau [amin’ny teny espagñola], mankasitraka ny fisiam-pomba fijery maro ao anatin’ny antokon’ny maro an’isa, dia mangataka ny mba handraisana amin’ny fo tony ilay fanapahan-kevitr’i Julio Cobos [izay tsy mba péroniste, toa an-dramatoa Filoha, fa tena mpiara-mitolona ilaina tokoa], ary tsy miala ao anaty Governemanta.

I Homo Economicus [amin’ny teny espagñola] dia manontany tena ny amin’izay ho fiantraikan’ity fanajanoana ny volavolan’ny governemanta ity eo amin’ny lafiny toekarena, indrindra indrindra eo amin’ny vidin-tsakafo [be tombom-barotra, ny fambolena soza ka nàka ny toeran’ny fambolena vokatra fihinana hafa].

Ny Blog del Ingeniero [amin’ny teny espagñola] dia mihevitra fa raha ny zava-misy marina dia samy voa ny rehetra ao anatin’ity fifandirana lava efa ho efa-bolana ity. Ao amin’ny Arte Política [amin’ny teny espagñola], mpikambana iray no nandefa antso ao anatin’ny hàfany ny mba handranitan’ireo mpandray anjara (hanompàna) an’i “Cleto” (Julio Cobos) : na dia teo aza ny lohateniny feno fandranitana (”Pejy iray ho fanompàna an’i Cleto”), ity hafatra ity dia toerana iray iadian-kevitra momba ny anjara noraisin’i Cobos tamin’ny tsy fampandaniana ilay volavolan’ny fitondrana.

Ny gazety La Nación dia manana takelaka amin’ny Aterineto mitondra ny lohateny “Soy Corresponsal “, ka ireo mpamaky azy dia afaka mametraka lahatsoratra sy sary ao: ny fifidianana nataon’ny Antenimieran-doholona no mitàna toerana betsaka ao, isan’andro vaky.

Tsy dia misy ambara firy ireo blaogy amin’ny fiteny anglisy, nefa na izany aza dia misy azo vakiana momba azy ity ihany ao amin’ny Understanding Argentina; By The Fault sy Open Democracy.