· Jona, 2012

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Jona, 2012

Jordania: Zo Fototry Ny Vehivavy Ho Amin'ny Fahamendrehana Sy Ny Fifamatorana Sosialy

Maherin'ny olona 200 no namorona rojon'olombelona iray tany amin'ireo araben'i Amman ny harivan'ny Alatsinainy 25 Jona, mitazona sora-baventy maneho ny fijoroana manohitra ireo heloka bevava atao amin'ny anaran'ny voninahitra, fanaovana antsojay, fanavakavahana fihaviana manoloana ireo zanaky ny vehivavy Jordaniana, ary ireo mpanolana nomena fahafahana hanambady ny nampiharany ny habibiany mba hialàna ny fitsarana.

Myanmar: Voatafika Ny Tanàna Rakhine

  28 Jona 2012

Tena avo dia avo ny fifanoherana any amin'ny faritra Rakhine any Myanmar taorian'ireo andiana loza mahery setra. Nokianin'ny mponin'ny aterineto ny vaovao Tandrefana 'tsy mitombina' izay nanazava ny fitohizan'ny fifanoherana eo amin'ireo vondrom-poko eo amin'ny firenena.

Israely : Fitokonana Narahan-kerisetra Tany Tel Aviv #J14

Olona an’arivony no nirotsaka an-dalambe tany Tel Aviv ny alin’ny Sabotsy 23 Jona, taorian’ireo fifandonana narahin-kerisetra teo amin’ny mpitolona sy ny mpitandro filaminana ny omalin’iny.Ny Zoma 22 Jona, nikasa ny hiverina hibodo ny lalamben’ny Rothshield tao Tel Aviv miaraka amin’ny tranolay ireo mpitolona ho amin’ny fahamarinana sosialy (#J14) nefa notsenain’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny herisetra izany.

Iran: Hiran'ny Fahafahana

Ny United4Iran, fikambanana iray tsy mitady tombontsoa manao fampielezan-kevitra momba ny zon'olombelona any Iran, dia manao dingana miaraka amina rakikira ao anaty aterineto voatokana hamelona indray ny fanantenana hisian'ny fahalalahana miteny ho an'ireo Iraniana.

Togo : Mihantsy an'i Faure Gnassingbé Eyadema Ny Fiaraha-mientana “Ndeha Hovonjena i Togo”

  20 Jona 2012

Nivadika ho fifandonana tamin'ny mpitandro filaminana ny diabe iray am-pilaminana nataon'ny fiaraha-mientana "Ndeha hovonjena i Togo" tamin'ny 12 Jona teo. Nanodidina ny 120 ireo naratra voarakitra an-tsoratra nandritra ireo fifandonana ny 12 sy 13 Jona. Isan'ny tafiditra ao anatin'ny fitakian'ireo nanao fihetsiketsehana ny fampiharana ny zava-boalazan'ny Kaomisionam-pirenena momba ny Zon'Olombelona mikasika ny fampijaliana sy ny fanavaozana ifotony ny Lalampanorenana. Ankehitriny i Togo dia anaty tetezamita politika taorian'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin'ny 2005 nolavin'ny betsaka ka nahatonga ho eo amin'ny fitondrana an'i Faure Gnassingbé Eyadema, zanaky ny filoha teo aloha Gnassingbé Eyadema. Misy fihetsiketsehana iray nomanina hatao ny 18 Jona.

Espaina: Nitory ny Banky Bankia Ireo Tafintohina

  19 Jona 2012

[Amin’ny teny espanola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana]  Vitany ihany nony farany , haingana tsy araka ny nanampoizana azy. Nametraka  fitoriana  tao amin’ny Audiencia Nacional ao Madrid ny hetsiky ny 15M, noho ny fanaovana hosoka tamin’ny kaonty sy fisolokiana, entina hanenjehana ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Bankia, ka...

Oman: Mitohy Ny Fanenjehana Mpikatroka Ny Zon'olombelona

Iray amin'ireo firenena tsy dia mahasarika loatra ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena sy ny fikambanana samihafa i Oman. Hatramin'ny niandohan'ilay antsoina hoe “Lohataona Arabo” tamin'ny taona 2011, nanjakan’ny fihetsiketsehana marobe mitaky fanovana eo amin’ny karama, ny fitsarana ary ny firafitry ny politika ny tao Oman. Tamin’ny herinandro lasa, nampiseho ny anaran’ireo telo...

Pôrtô Rikô : Asa Loha Momba Soso-kevitra Angovo Azo Amin'ny Rivotra

  18 Jona 2012

Ny tetikasa "Finca de Viento Santa Isabel" (Sahan-dRivotra ao Santa Isabel), an'ny orinasa iray avy any San Francisco, California, Pattern Energy, dia iray amin'ireo tetikasa marobe [es] amin'ny angovo azo havaozina misanda an-davitrisan-dolara nikasa ny hanomboka ny famokarany amin'ity taona ity ao amin'ilay nosy - ary raha vantany vao vita dia io no ho iray goavana indrindra amin'ny karazany any Karaiba.

Ny Antony Mahatonga Ny Herisetra Any Andrefan'i Myanmar.

  18 Jona 2012

Am-polony no maty, maherin'ny roa arivo ny trano may ary mponina telo alina no nifindra monina noho ny herisetra tao amin'ny fanjakan'i Rakhine ao andrefan'i Myanmar. Iza no tompon'andraikitra amin'ireny fahafatesana ireny ? Nahoana ny aterineto no manaparitaka fanavakavahana sy fankahalana ? Ahoana no fijerin'ny olom-pirenena tsotra ity raharaha sarotra ity ?