· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Mey, 2012

Syria: Nahatonga Izao Tontolo Izao Hampiaka-peo Ny Vonomoka Tao Houla

Tamin'ny 25 May, ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta tao Houla, avaratra andrefan'i Homs, dia nidina an-dalambe teo amin'ny mitatao vovonana teo, tsy nanampo na dia kely aza fa hoe mety hivaly vonomoka feno habibiana tsy roa aman-tany ny hetsika fanehoan-kevitra nataon-dry zareo. Raha kely indrindra dia 116 no olona matin'ny mpitandro filaminana mpomba ny governemanta.

Maoritania: Kapoka Mandrivorivo Nataon'ny Mpianatra Tamin'ny Prezidansa

  27 Mey 2012

Nanao fanambarana tsy nampoizina [ar] nandritra ny valan-dresaka nomanin'izy ireo sady nampitain'ny televizionam-panjakana Maoritaniana tamin'ny 3 Mey teo ny vondrona mpianatra Maoritaniana iray. Nambaran-dry zareo ary fa nanandrana nanolikoly azy ireo hampitsaharana ny tolony hitaky ny zon'ny mpianatra sy hampitsahatra ny hetsi-panoherana sy ny sit-ins isan-karazany ny chief of staff Isselkou Ould...

Kiobà : Bilaogera voatsiratsira tamin’ny fanambaran’ny Arseveka

  23 Mey 2012

Tahaka ny tsy mbola ampy tamin'ny arseveka ny nikosikosehana ireo bilaogera tamin’ny fitsidihana farany nataon'ny Papa farany teo tany Kiobà indrindra ny fangatahany hanaisotra ny mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny fiangonana ary ny tsy fitadiavany fiaraha-miasa amin’ny fanamorana ny fifampiresahana eo amin'ny papa sy ireo vondrona mpisintaka – nandritra ny fandraisam-pitenenana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Harvard. Milaza ireo mpanao fihetsiketsehana...

India: Fifandonana tao Tamil Nadu Noho Ny Fanoherana Ilay Orinasa Mpamokatra Nokleary

  20 Mey 2012

Nampitombo ny ahiahin’ny vahoaka ny fametrahana ny  Kudankulam Nuclear Power Project (KKNPP) (Tetikasa Nokleary Matanjaka), ao amin’ny distrikan’i Tirunelvel ao Tamil Nadu, ao India, izay eo am-panamboarana ankehitriny, satria mety hiteraka voka-dratsy tahaka ny  fipoahan’ilay orinasa mpamokatra nokleary  Fukushima  ao Japana izany. Manahy  ny mpikatroka fa rehefa misy  horohoron-tany arahinà  tsunami ao...