· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Septambra, 2011

Tontolo Arabo: Loka Nobel Fandriampahalemana Ho An'ny Mpiserasera Niaro ny Revolisiona??

Nientanentana tanteraka ny Twitter tamin'ny alina noho ny anaran'ilay mpiserasera Arabo voatonotonina fa mety ho kandidà voafidy hahazo ny Loka Nobel Fandriampahalemana noho ny andraikitra nosahaniny nandritra ny Revolisiona Arabo. Ejyptiana Wael Ghonim (@Ghonim) sy Esraa Abdelfattah (@Esraa2008) miaraka amin'ny Hetsiky ny Tanora 6 Aprily, no natonin'ny mpanoratra Toniziana ao amin'ny Global Voices...

Filipina: Famoronana Karazana Hetsika Mandritra ny Fitokonan'ny Campus

  29 Septambra 2011

Nahitana ny fampiasana ny fitaovana an-tserasera hanetsehana olona anarivony hiady ho amin'ny zo hahazo fanabeazana ny fitokonana eny amin'ny anjerimanontolo manerana ny firenena mandritra ny herinandro enti-manohitra ny fampihenana ny tetibola. Manomboka ny 19 ka hatramin'ny 23 Septambra 2011, tanora an'arivony no hirotsaka an-dalambe ary tohanan'ny mpampianatra sy ny mpandraharaha...

Etazonia: “Fehezo i Wall Street” Foibe Ara-bolan'i New York

  28 Septambra 2011

Tao amin'ny distrikan'ny vola ao New York, nikarakara fihetsiketsehana milamina ny vondrona Fehezo i Wall Street (#occupywallstreet tao amin'ny Twitter), notohanan'ny fikambanana Kanadiana AdBusters sy ny mpisovoka antserasera Anonymous izany hetsika izany.  Aingam-panahy avy amin'ny hetsika an-tanàna tany amin'ny firenena Arabo sy Eoropeana,  mampiseho ny tsy fahafaliany ireo tanora ireo ny amin'ny fomba ataon'i...

Filipina: Fiainam-pitiavana “Aotra”-n'ny Filoha

  22 Septambra 2011

Ny Filohan'i Filipina Noynoy Aquinon, mpitovo, nampitaha ny  fiainany ara-pitiavana amin'ny zava-pisotro malefaka nandritra ny  fitsidihany ofisialy mandritra ny 5 andro tany Shina, tsy niteraka fihomehezana ihany izany fa niteraka tsikera an-tserasera ihany koa. “May nagtanong ho kasi sa akin, sabi niya, ‘kamusta love life mo?’ Eh ang sabi ko...

Shily : #paronacional (Fitokonana Faobe) vs. #yonoparo (Izaho Tsy Mitokona)

  21 Septambra 2011

Ny Workers' United Center (CUT) dia niantso fitokonana faobe ny 24 sy 25 Aogositra 2011, ho karazana fanoherana ny tsy fitoviana ara-sosialy sy ara-toekarena ao Shily. Mbola tsy azo antoka hoe nahomby na tsia ny fitakiana, saingy fara-fahakeliny ny fanehoan-kevitr'ireo mpampiasa ny Twitter mpomba sy tsy mpankasitraka ity karazana hetsi-panoherana ity dia niely be ka nahatonga ny tenifototra #paronacional (fitokonana faobe) sy #yonoparo (Izaho tsy mitokona) ho lohahevitra malaza ao amin'ny firenena.

Bangladesh : Ny Adihevitra Momba Ny Sata Ao Amin'ny Facebook

  19 Septambra 2011

Facebook dia manomboka ho filazam-baovao ara-tsosialy fanta-daza ao Bangladesh toy ny any amin'izao tontolo izao, kanefa ny satanao ao amin'ny Facebook dia mety hitera-doza ihany indraindray. Nisy ny fanapahan-kevitra noraisin'ny fitsarana nampiharina tamin'ilay mpampianatra mipetraka any ivelany, izany no vokatry ny sata napetrany tao amin'ny Facebook.