· Desambra, 2010

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Desambra, 2010

Tonizia: Korontana nateraky ny fikasana hamono tena nataonà lehilahy iray tsy an'asa

Toniziana tsy an'asa iray no nikasa handoro ny tenany ho fanehoana tsy fankasitrahana amin'ny tsy fahitàny asa, ka niteraka onjan-kerisetra tao an-toerana sy fanehoana firaisankina ombam-panohanana teo anivon'ny tambajotra sosialy. Raha mbola tsy fantatra mazava izay niafaran'i Mohamed Bouazizi, 26 taona, avy ao Sidi Bouzid, faritra atsimon'i Tonizia, nopaingorin'ireo Toniziana mpampiasa aterineto ilay zava-nitranga mba hilazàna ny tsy fisian'ny asa, ny kolikoly sy ny fitsitontongan'ny zo maha-olona ao amin'ny firenen-dry zareo.

Côte d'Ivoire: Manahy ny vanim-potoana vaovao hisian'ny fandrahonana any Abidjan ny mpampiasa Aterineto Ivoriana

  24 Desambra 2010

Mihamahery setra tsikelikely ny krizy ara-politika any Côte d'Ivoire. Raha ny hevitry ny Firenena Mikambana, dia olona 50 no maty ary 200 no naratra nandritra izay telo andro farany izay. Nesorina tamin'ireo fampisehoana tantara misy herisetra nandritra ireo ady sasany ny haino aman-jery nentim-paharazana fa ny mampiasa aterineto koa dia niezaka ny naneho ny horonan-tsary sasany ahitana ireo herisetra manodidina ny firenena.

Iran: Mpitoraka blaogy kely taona indrindra maneran-tany voasambotra

Tsy fanta-daza eo amin'ny fanenjehana mpitoraka blaogy fotsiny ny governemanta Iraniana, fa mitàna ny laharana voalohany koa izy ireo eo amin'ny sehatra maro: nanomboka tamin'ny fampidirana am-ponja ny mpitoraka blaogy voalohany indrindra teo amin'ny tantara, hatramin'ny nahafatesan'ny mpitoraka blaogy voalohany tany am-ponja. Mampalahelo anefa, fa mbola misy zavatra hafa mbola mahatsiravina noho izany tokony ampidirina ao anatin'ny lisitry ny firenena Iraniana eo amin'ny fahaiza-manaony dia ny fisamborana sy fitsaràna mpitoraka blaogy kely taona indrindra.