· Mey, 2009

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Mey, 2009

Haiti, U.S.A.: Fahatsiarovana an'i Môpera Jean-Juste

  31 Mey 2009

Miraradraraka ny fanehoam-pankasitrahan'ireo vondrona mpitoraka blaogy ho  an'i Fr.  Gérard Jean-Juste, pretra Haitiana Katolika fantatr'ireo mpakafy azy amin'ny maha-tompondakan'ny mahantra azy sy mpanohana mafana fo ny antoko pôlitika Fanmi Lavalas , tarihan'ilay Filoha voaongana Jean Bertrand Aristide. “Dada Gerard Jean-Juste“, sarin'i danny.hammontree, ampiasàna ny Creative Commons license. Tsidiho ny tahirin-tsarin'i...

Sina sy Hong Kong: sary amin'ny T-shirt ho fahatsiarovana ny hetsika 4 Jona.

  30 Mey 2009

Isan-taona, mialoha ny fahatsiarovana ny 4 Jona( Kianjan'i Tianamen , 1989), no tian'ny mponina ao Hong Kong hanaovana fihetsiketsehana hitadiavana ny rariny. Amin’ity taona ity dia ny andron’ny 31 May no anaovana ny fihaonambe ho fahatsiarovana ny faha-20 taonan’izany. Ankoatra izany dia hisy ny fitondrana labozia amin'ny alin’ny 4 Jona izay hiarahan’ny vahoaka...

Fiji: Fanehoan-kevitra manoloana ny fisamborana ireo nahiahiana ho mpitoraka bilaogy

  26 Mey 2009

Notaterina teto amin'ny Global Voices vao tsy ela akory izay fa notazonin'ny polisy ireo solosaina findain'ireo olona telo nahiahiana ho mpitoraka bilaogy ao amin'ny vohikala Raw Fiji News manohitra ny governemanta. Ireo mpanao lalàna telo, ankoatry ny maro hafa, dia notononina anarana vao haingana tao amin'ny vohikala Real Fiji News...

Shina: Nasavorovoron'ny T-shirt iray

  22 Mey 2009

Toa nahasarika ny mason'ny polisy sy nanohintohina ny filaminanam- bahoaka ny soratra tamin'ny T-shirt nanaovan'ny mpahay lalàna Liu Shihui. Omena anareo eto ambany ny ampahan'ny voasoratry Liu ao amin'ny bolongany momba izay niainany tany Guangzhou. 2009年5月12日下午5点多,我在广州市岗顶地铁站靠近C出口的地铁闸口外面等我女朋友….电话联系知道她已经快到了。 Niandry ny sipako tao amin'ny garan'ny metro tao Guangzhou tamin'ny 12 Mey 2009 tamin'ny...

Fiji: noraofin'ny polisy ny solosaina findain'ny ahiahiana ho mpamaham-bolongana

  22 Mey 2009

Notazonin'ny polisy ao Fiji ny mpisolovava telo ao an-toerana ary noraofiny ihany koa ny solosaina findain'izy ireo, satria heverina fa manana fifandraisana amina bolongana manohitra ny governemanta izy ireo. Notazonina vonjimaika nandritra ny ora vitsivitsy tamin'ny talata 19 mey ireto mpisolovava telo ireto dia i Richard Naidu, Jon Apted ary...

Iran: Mitao amin'ny alalan'ny facebook ny mpanohana an'i karroubi amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena

  17 Mey 2009

Vao nitsahatra ny fandrarana ny Facebook tany Iran, saingy ankehitriny dia mampiasa azy ho fitaovana hanaingana ny filatsahany hofidiana ho filoham-pirenena ny mpanohana ny mpitondra tenin'ny antenimiera teo aloha, Mehdi Karroubi. Singa iray lehibe amin'ny fametrahana teti-panorona an-tserasera mandritra ny “fampielezan-kevitra 88″ ataon'i Karroubi ny Facebook. Lasa iray amin'ny mpanolotsainan'i...

Pakistana: Fandresen'ny Demokrasia

  13 Mey 2009

Tafaverina amin'ny toerany ny filohan'ny fitsarana tampony ao Pakistana, Iftikhar Mohammed Chaudry, fepetra namaly ny tanjona voalohan'ny fihetsiketsehana nataon'ireo mpitsara sy ireo mpisolo vava ary ny Diabe. Ny Praiministra Pakistane, nanambara izany nandritry ny  kabariny tao amin'ny fahitalavitra. Fanampin'izany dia nanome toky ny governemanta fa hamerina amin'ny toerany ireo mpitsara...

Iran: Hetsiky ny mpitoraka blaogy 1000 isa ho fanohanana an'i Mousavi ho filoham-pirenena

  12 Mey 2009

Ny mpanohana ireo roalahy ‘reformista’ mpilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena, ny praiminisitra teo aloha Mir Hussein Mousavi  sy mpitondra tenin'ny parlemanta teo aloha, Mehdi Karroubi dia mampiasa ny aterineto,  tafiditra anatin'izany ny blaogy sy ny Facebook, mba hampiakarana ny vintan'izy ireo ho isan'izay voafantina ho mpirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ataon'ny...