· Desambra, 2008

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Desambra, 2008

Miresaka momba ny Gaza ny tontolon'ny Twitter @ ankapobeny

  31 Desambra 2008

Fomba fitorahana bolongana vaovao (na famahanam-bolongana vaovao) ny Twitter , na mizotra izao ny tantara. Tsy misy mampivandravandra azy ankoatra ny amin’ny fotoanan’ny krizy: nandritra ny fanafihana tany Mumbai, mila ho isa-minitra ny mpampiasa ny Twiter no mamatsy vaovao, ary ankehitriny, satria mitohy ny fandarohana avy eny an-habakabaka Isiraelianina an’ny Gaza dia...

Barbados: Mpanao gazety voasambotra

  30 Desambra 2008

Misaritaka ny tontolon'ny fitorahana blaogy Barbadiana tao aorian'ny fisamborana mpanao gazety malaza anankiroa – fihetsika izay nadikan'ny mpitoraka blaogy ho fanelingelenana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Ilay blaogy fanta-daza sy be mpanaraka Barbados Free Press dia milaza fa io fisamborana io dia valifaty tamin'ny “fitaterana momba ny manam-pahefana iray izay voampanga...

Iran : Tamberin'ny taona 2008

  29 Desambra 2008

Tamin'ny volana Aprily 2008 no namoahan'ny Berkman Center for Internet and Society (ivotoeran'i Berkman misahana ny aterineto sy ny [orinasa na] fiaraha-monina) fanadihadiana mahaliana milaza fa manodidina eo amin'ny 60 000 eo ho eo ny isan'ny bolongana iraniana tsara fahana. Misy isan-karazany ny bolongana any Iran, ary tamin'ny taona 2008...

Iran: Mpamaham-bolongana Islamista Iraniana manohana an'i Gaza

  27 Desambra 2008

Mpamaham-bolongana Islamista maro no manao fanaitairana ho fanoherana ny fahirano atao amin'ny tehezan-tanin'i Gaza ka manentana ny tontolo Miozolomana hamonjy ny Palestiniana. Mampiasa fitaovana maro tahaka ny Google bombs sy ny banners ny mpamaham-bolongana hielezany eo amin'ny tontolom-bolongana sy hampiroboroboana ny hetsika. Fanampin'izany dia misy fikambanana mpamaham-bolongana Islamista antsoina hoe...

Shina: Ny Sata faha 8, mba halàlaka sy tsy hanan-tahotra

  24 Desambra 2008

Ankatoky ny fankalazana ny faha enimpolo taonan'ny fanambarana eran-tany momba ny Zon'Olombelona ny 10 Desambra, Sinoa 303 mpitandro ny zon'Olombelona, no niaraka namoaka ny Sata faha 8, izay mitaky fanavaozana pôlitika any Shina. Kanefa, ny governemanta Sinoa dia nanapa-kevitra ny hankalaza ny fanambarana eran-tany ny zon'Olombelona amin'ny alalan'ny famoretana izany...

Madagasikara: Televiziona noterena hijanona

  23 Desambra 2008

Noho ny nandefasany ny lahatsarin'ny mpanohitra iray an-tsesintany dia nakaton'ny fanjakana ny VIVA televiziona. Miady hevitra momba ity fanapahan-kevitra politika ity sy ny fiantraikan'izany eo amin'ny fahafaham-pitenenana ny mpamaham-bolongana.

Jamaika, Kiobà, Etazonia: Kiraro iray eny an-tanana

  17 Desambra 2008

Mamahana avy any Jamaika, Annie Paul no milaza an'i Muntadar al-Zaidi (Ilay mpitoraka kiraroan'i Bush) ho ny  “Olon'ny taona”, fa “izy no nanana aingam-panahy (mampisy aingam-panahy) indrindra tao anatin'ny taona vitsivitsy izay”, ary nanamarika ihany koa: “Fa tokony deraina tamin'ny valinteniny fohy ihany koa i Bush…” Manana izay lazainy ihany...

Brezila: Lasa mpamono olona mihitsy ny pôlisy breziliana

  13 Desambra 2008

Amin'ny fotoana ankalazana indrindra ny andro ho an'ny zon'olombelona, ary raha nisy vono olona mitovy tamin'ity mihitsy izay niteraka fitokonambe tany Gresy, dia mihiaka mafy ny mpamaham-bolongana Breziliana manohitra ny fomba tena mampihivinginvin-doha nefa tsimatimanota ataon'ny pôlisy ao Rio de Janeiro - tamin'ity fotoana ity kosa ny niharandoza dia zaza vao telo (taona) monja.

Gresy: Ilay gidragidran'ny tanora sy ny pôlisy tany an-toerana

  13 Desambra 2008

Nisy fihetsiketsehana sy gidragidra nahery vaika nataon'ny olona an'arivony nidina an-dalambe tao an-drenivohitry Gresy, Athena, nandritra ny telo andro, ho fanoherana ny fitifirana nataon'ny pôlisy nahafaty zatovolahy 15 taonaantsoina hoe Alexandros Grigoropoulos tao Athena faritry Exarchia tamin'ny 6 Desambra 2008 lasa teo. Niitatra vetivety hatrany Thesalonikia, tanàna lehibe faharoa any Gresy sy tany amin'ny tanàna hafa any an-toerana ny korontana. Ary nisy fifanandrinana hatrany Shipra aza. Araho an-tsary sy an-dahatsary ato ary izany.

Serbia: Vondrona mpanandratra firenena Serba ao amin'ny Facebook

  12 Desambra 2008

Eto ampanombohana dia sahirana mandrakariva aho mpandika teny malagasy amin'ny fanavahana ny nasionalista sy patriôty. Noho izany manomboka izao ny nasionalista dia hataoko hoe mpanandratra ny firenena (mba tsy hanaovana ny hoe mpankahala vahiny) ary ny patriôty kosa no hataoko hoe tia tanindrazana. Hiditra amin'izay lazain'ny lahatsoratra nadika amin'izay aho. "Antsilava, tadivy, Srebrenica!" (Nož, Žica, Srebrenica!) no iray amin'ny teny filamatra tian'ny mpanandratra ny Serba indrindra. Nisy ny fotoana nitsangana ny vondrona Facebook iray manana mpikambana 1 045 mitondra io anarana io sy vondrona iray hafa manohitra azy kosa manana mpikambana 10 584 ary mitaky ny mpandrindra ny Facebook hanakatona ny vondrona NOŽ ŽICA SREBRENICA!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!! satria "manome voninahitra ny fandripahan-dehilahy sy zazalahy 8000 nitranga tany Srebrenica" io vondrona io. Indro i Sinisa Boljanovic mandika teny (anglisy) ho antsika ny resaky ny mpamaham-bolongana Serba.