· Avrily, 2008

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Avrily, 2008

Ethiopia : Mpihira kalaza tohanan'ny mpiblaogy nohon'ny fisamborana azy

  29 Avrily 2008

Nirongatra ny hanohana ny mpihira Teddy Afro izay kalaza indrindra any aminy ireo mpiblaogy Ethiopiana, taorian'ny nampiakarana azy fampanoavana nohon'ny fahafatesan'ny zatovo iray izay voadonan'ny fiarakodia izay nandositra tany an-drenivohitra Addis-Abeba. Ny ankamaroan'ireo mpiblaogy dia mihevitra fa nararaotin'ny fitondrana hiampangana an'i Afro fotsiny izany, nohon'ny fankahalany ny halehiben'ny lazany sy ireo tononkirany izay...

Guyana : Vidin'ny vary

  29 Avrily 2008

Rice is the new pearl, “Ny vary no perla vaovao” araky ny nambaran'i Guyana-Gyal raha manomboka hita ny vokadratsin'ny fidangan'ny vidin-tsakafo.

Japan: sarin'ny fihetsiketsehana tao Nagano

  27 Avrily 2008

Mousan ry zareo namoaka ny sary  maromaro nandritra ny fihetsiketsehana nilamina nitsena ny afo olaimpika nandalo tao Nagano, Japan a! izay hijery tsindrio io azo tsindriana io e!

Shina : Kendrena atao ankivy ny Carrefour

  24 Avrily 2008

Carrefour, ilay mpaninjara goavana frantsay indray no vao tafiditra ho ao anatin’ny lisitra maintin’ny mpiserasera tia tanindrazana any Shina. Niakatra avo dia avo ny fandefasan-kafatra am-pinday ho amin’ny fanaovana ankivy, mihoatra ny 5000 ny toeram-piseranana an’aterineto any Shina, araka ny fanisan’ny Daqi.com azy, no feno lahatsoratra mamely ny Carrefour, ary...

Haïti, Kôngô (R.D.K.), sy ny pôlitikan'ny kere

  23 Avrily 2008

Ny fidangan'ny fisondrotry ny vidin-tsakafo dia efa nipoiran'ny pitik'afo izay nandrehitra rotaka tany Haïti, sy Egypta ary Mozambika, tamin'ity volana ity toy ny fihasarotan'ny raharaha dia tsy hamela fotsiny ny kere hianjady amin'ireo osa indrindra amam-tapitrisany fa hisedra koa ny fahosana sy tsy fahampian'ny traikefan'ireo fitondram-panjakana any amin'ireo tany mahantra...

Shina: Mpampianatra amerikana voadaroka

  22 Avrily 2008

Nosoratan'i Tia an'i Hunan ao amin'ny Zhuzhouwang ny mikasika ilay mpampianatra Amerikana nodarohan'ny mpianatry ny sekoly ambaratonga faharoa[zh] teo an-tokotanin'ny Carrefour tany amin'ny distrikan'i Hunan Zhuzhou tamin'ny 20 avrily. Manana ny avaovao farany i Shanghaiist.

Shina : vohikala tsy ara-dalàna

  22 Avrily 2008

Tsikaritry ny mpamahana ny “soratra tsy miforitra” fa tsy voasoratra ara-dalàna araka ny takian'ny Minisiteran'ny orinasa fampahalalam-baovao ny anti-cnn.com [zh]. Misoratra amin'ny anaran'i Jim avy ao amin'ny Oniversiten'i Tsinghua ny vohikala ary ampiatranoan'ny www.DNS.COM.CN.

Egypta:Olona tsy hita nanjavonana

  22 Avrily 2008

Mety efa henonao ny momba ny fitokonana tamin'ny 6 Aprily nitranga teto Egypta, sy i Esraa Abdelfattah, mpamorona ny hetsika Facebook Group nosamborina ary avy eo nambara fa tsy hita nanjavonana, ary hoe navotsotra afaka minitra maro taty aoriana. Izany no nanosika an'i Michaelitoo hanapa-kevitra ny hanoratra eto momba azy...