· Marsa, 2008

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Marsa, 2008

Ezipta: Antso ho amin'ny fitokonana faobe

  27 Marsa 2008

“Miantso fitokonambe izay hotanterahina ny 6 aprily ho avyizao, izany hoe roa andro mialoha ny fifidianana filakevim-paritra ny vondron'ny mpanohitra any Ezypta ka tafiditra anatin'ireo mpiantso ny antokon'ny mpiasa, ny Kifaya, ny mpirahalahy Miozolmana izay antoko voarara, ny tsy nahazo fahazoan-dalana hijoro antoko Karama (na fahamendrehana amin'ny teny malagasy) ,...

Shina : Gidragidra manerana ny lalamben’i Lhasa

  27 Marsa 2008

Na dia efa andro vitsivitsy lasa aza ity lahatsoratra ity no nivoaka tamin’ny teny anglisy ataoko fa tsy very akory ny hasina mahavaovao azy indrindra amin’ny teny malagasy noho ny fahavitsian’ny vaovao milaza azy amin’ity tenindrazantsika ity. Izay no mbola amoahako azy hatrany. Marihina hatrany fa fandikanteny fotsiny no ataoko...

Irak tao anaty dimy taona: Nihetsika izao tontolo izao

  26 Marsa 2008

Anio, 19 mars, no manamarika ny fahadimy taonan'ny “Ezaka ho fanafàhana an'i Irak”. “Tany amboalohany dia tetika nentina handrodànana an'i Saddam Hussein sy ” hamàrana ny ady tsy mbola miantomboka” mbola mitohy hatramin'izao ny ady ao Irakl, mampivarahontsana ny olon-tsotra maro maneran-tany. Anatin'ity lalan-dra ity, Global Voices Online no hamoaka...

Serbia: Ny fanoheran'i Cavic (ny fahaleovantenan'i) KOsovo

  25 Marsa 2008

Balkan Baby no  manoratra momba ilay tompon-dakan'ny lomano Milorad Cavic: “Maro aminay izay nanohana tanteraka ny fahaleovantenan'i Kosovo no hanohana ny fanoheran'i Cavic ihany koa na dia mifandaka aza ireo hevitra ireo, noho ny fahitanay azy ho endrika zon'ny tsirairay ao anaty demokrasia ho afa-maneho hevitra sy milaza izay ao...

Egypta: Fenoina taratasy mankany amponja

  20 Marsa 2008

“Ho fiaraha-mientana amin'ny FreeKareem.org (fanafahana an'i Kareem izay migadra), dia nanentana ny olona tamin'ny alalan'ny mailaka ny Vaomieran'ny fiarovana ny mpamaham-bolongana (mpitoraka blaogy) ho fanohanana an'ilay mpamaham-bolongana Egyptiana mbola migadra Kareem Amer,” hoy ny filazan'ny Vaomieran'ny fiarovana ny Bilaogera. Ity hetsika  izay hotontosaina, manomboka ny 7 ka hatramin'ny 21 Aprily, ity...

Armenia: Kolontsaim-panoherana

  19 Marsa 2008

Nanoratra ny heviny momba ny taratasy misokatra nosoratan'olomalaza dimy any amin'ny taranjan-kolontsaina manavanana azy avy ka voasoratra ao ny toe-draharaha politika any Armenia i Unzipped. The signatories Nanolo-kevitra ny hisiana fifidianana solombavambahoaka vaovao indray ireo mpanao sonia hamahana ny olana nateraky ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 19 Febroary lasa teo ka...

  17 Marsa 2008

Mamela hafatra momba ny op-ed nosoratan'ny prezidanta voafidy Serge Sargsyan sy ny mpisolo vava tao amin'ny parliamanta taloha Artur Baghdasarian, voatontan'ny Washington Post i Unzipped. Ity op-ed ity dia valin'ny op-ed anankiray nosoratan'ny lehiben'ny mpanohitra sy prezidanta taloha Levon Ter-Petrossian, natonta tao amin'io gazety io ihany.

Armenia: Valintenin'ny mpitondra fanjakana

  16 Marsa 2008

Unzipped no mitatitra fa efa nivoaka ny filazana ofisialy momba ilay lahatsary niparitaka  nampiseho ny sampan'ny mpitandrony filaminana nitifitra mivantana teo anoloan'izy ireo ankoatra ny fitarainana nataon'ny mpitondra fanjakana. Nolazain'ny bolongana ary fa mitady ny fanamarinana avy amina tsy miankina ny mpanadihady (mpitsara), na izany aza dia efa nametraka ny...