· Novambra, 2007

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Novambra, 2007

Malezia: mitaky fitovian-jo ny Maleziana karana

  29 Novambra 2007

Nisedra fitohanan’ny fiarakodia, fanapahan-dalana ary fikatonan’ny gara ny Mpitolon’ny karana Maleziana raha hamonjy ny alahadin’ny fitovian-jo tany Kuala Lumpur any Malaysia. Nakaton’ny polisy ny lalana sy ny garan-dalamby roa manakaiky ny Vaomiera ambony Britanika na British High Commission hiomanany amin’ny filaharan’ny Hindu Rights Action Force (HINDRAF). Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy...

Angôla : Ny zo hifidy

  27 Novambra 2007

Ny blaogy Desabafos Angolanos monina any Angôla dia manambara ho fandresena ny hetsika fitakian-jo nataon'ireo zanaka am-pielezana Angôlana mipetraka any Lisbôna [renivohitry Pôrtigala] ny 19 Novambra 2007 : « “Sucesso? Com 20 pessoas ?” Sim !!! Sucesso porque foram 20 pessoas debaixo de chuva, 20 pessoas entre 100 000 que não tiveram...

Afrika : Fanoherana ny fiakaran'ny vidin-tsakafo any amin'ny firenena maro

  26 Novambra 2007

Tanterin'ny blaogy ADP [Alliance pour la démocratie et le Progrès ] any amin'ny Repoblika Ivon'i Afrika fa manomboka misy fikomiana etsy sy eroa ho fanoherana ny fiakaran'ny vidin-tsakafo any amin'ny firenena maro any Afrika : « Maroc, Mauritanie et désormais Sénégal: la flambée des prix des produits alimentaires de première...

Fanjakana Mitambatra (UK) : Omeo rariny itompokolahy Jean Charles de Menezes

  20 Novambra 2007

Ny mpiblaogy Joty dia mitatitra fa hivory ny Alakamisy 22 Novambra 2007 izao ny Sampandraharaha mikasika ny Polisy an-tanan-dehibe Anglisy [MPA | Metropolitan Police Authority] handray fanapahan-kevitra momba izay hanamelohana na tsia an'i Ian Blair, Polisy Anglisy nitifitra an-doha sy namono an'i Jean Charles de Menezes, tsy manan-keloka Breziliana, tamin'ny taona 2005  :...

Zimbaboe : Ry Mogabe ô, iangaviana re mba mialà amin'izay !

  09 Novambra 2007

Ny blaogy This is Zimbabwe dia mampiseho sarina mpanohitra iray izay mitondra taratasy misy ny soratra mena hoe : « Pliz Mugabe must go now, people are starving » « Ry Mogabe ô, iangaviana re mba mialà amin'izay fa efa tena mosarena ny vahoaka » Ndesanjo Macha