The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Fanoherana Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Fanoherana

2009-11-09

Arabia Saodita: Doka ho an'i Grande Bretagne avy amina mpitoraka blaogy iray

Maram Meccawy dia Saodiana mpanoratra sady mpitoraka blaogy, monina sy miasa any Grande Bretagne. Tsy ela akory izay dia nanoratra lahatsoratra iray izy, nantsoina hoe “Nahoana aho no vonona hiaro an'i Grande Bretagne?

2009-11-05

Iran: Nihaika ny fitondrana indray ny Hetsika MaitsoVideo post

Nanomana fidinana an-dalambe ho fanoherana ny fiaraha-mientan'ny mpanohitra Hetsika Maitso ny faha-4 ny volana Novambra (faha-13 Aban), fa nanararaotra ny fihaonana nokarakarain'ny mpitondra fanjakana tamin'io andro io hanamarihana ny faha-30 taona nananihana ny Ambasadin'i Etazonia ao Teheran. Nahery vaika ny nandravan'ny mpitandro ny filaminana ity fihetsiketsehan'ny mpanohitra ity. Araka ny efa ...

2009-10-28

Israely: Horonantsary maneho ny olan'ny fanakatonana ireo sisintanin'i GazaVideo post

Eo amin'ny tontolon'ny blaogy Israeliana, tsy dia tsapantsika loatra hoe misy mihaino na dia tsy misy miteny aza, izay no nitranga tamin'ny fanombohan'ny sarimihetsika fohy antsoina hoe “Closed Zone.” Sarimihetsika maharitra 90 segondra momba ireo faritra fivezivezena nohidiana any Gaza, “Closed Zone” izay efa in-31.600 nojerena  ary ...

2009-10-16

Ginea: miaramila nijoro vavolombelona tamin'ny famonoana ny 28 septambra tao Conakry

Ity resadresaka teto ambany ity dia fijoroana vavolombelona nataona miaramila Gineana iray nandray anjara tamin'ny famoretana ny fihetsiketsehana nataon'ny mpanohitra tany Conakry, any Ginea, tamin'ny 28 Septambra 2009. Noraisimpeo tamin'ny alalan'ny antso an-tsofindavitra ary navoakan'ilay mpanao gazety frantsay Olivier Rogez tao amin'ny Radio France Internationale tamin'ny voalohany Oktobra 2009, roa ...

2009-10-14

Rosia: Filazana ny fihaonambe ho fahatsiarovana an'i Anna Politkovskaya

Nisy namono tamin'ny 7 Okt.2006 i Anna Politkovskay. Amin'ny Alarobia, hivondrona ireo olona any Moscou mba ho fahatsiaroana azy sy ireo mpanao gazety sy mafana fo hafa maty. Na izany aza, tsy dia faly loatra ireo mpitoraka blaogy sasany eo am-piresahana momba izany hetsika ho avy izany.

2009-10-04

Libanona: Hatezerana misonga noho ny fampiatoana ny fanamboarana ny toby Palestiniana

Nirongatra ny fahatezerana sy ireo mpanao fihetsiketsehana noho ny fandraisan'ny governemanta Libaney fanapahan-kevitra hampiato ny fanamboarana tobin'ny mpitsoa-ponenana Palestiniana, Nahr el Bared. Mampiseho ny tsy fahafaliany ao amin'ity lahatsoratra avy amin'i Antoun Issa ity ireo mpitoraka blaogy.

2009-09-30

Honduras: fakana sary mandritra ny tsy fahazoana mivezivezyVideo post

Telo volana taorian'ny naharesen'ny filoha Mel Zelaya tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana izay heverin'ny sasany fa rariny ary ataon'ny hafa kosa ho tsy ara-dalàna, dia niverina tany Honduras izy ny 21 septambra lasa teo ary mialokaloka ao amin'ny tranon'ny masoivohon'i Brésil any Tegucigalpa renivohitra. Niteraka savorovoro politika sy tsy fitovian-kevitra eny an-dalana ...

2009-09-28

Porto Rico: Adihevitra momba ny sivanaVideo post

Ny Ministeran'ny Fampianaran'ny governemantan'i Porto Rico dia nanala boky dimy amin'ny fandaharam-pianaran'ny taona faha-11 ao amin'ny rafi-pampianaran'ny sekolim-panjakana. Maro ireo mpanoratra sy mpanakanto any Porto Rico no naneho ankarihary ny olany ary nandray ny fihetsiky ny governemanta ho sivana. Mihetsika noho izany fifanoheran-kevitra izany ny tontolon'ny blaogy ao Porto Rico.