The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Politics Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Politics

2008-12-09

Shina: Ny zanaky ny laibany no mitavana ny harena

Araka ny tatitra hita amin'ny haino aman-jerim-panjakana dia nataon'ny mpitazona ny fahefana politika ampihimamba ny harena ao amin'ny firenena. Ny naharatsy ny toe-draharaha dia rehefa nifindra tamin'ny taranaka manaraka izany tombondahiny azony izany.

2008-12-08

korea: naato ny fiaran-dalamby mamitohy ny avaratra sy ny atsimo

Niato tamin'ny 28 novambra lasa teo ny fifamoioizana an-dalamby mampitohy an'iKorea avaratra amin'i Korea atsimo.[En] Raha nanomboka niasa indray ny fiaran-dalamby nampitohy ny roa tonta taorian'ny fihaonana an-tampony teo amin'ny roa tonta tamin'ny herintaona rehefa nitsahatra 50 taona izany, dia nanantena fivoarana sy fifanakaikezana teo amin'izy ireo ny olona. Rehefa ...

2008-12-07

Bangladesh, India: Sary momba ny fiainan'olona serôpôzitifa

Mpanao gazety mpaka sary malaza Bengali Shahidul Alam no manao tamberina ny asan'i Dayanita Singh, mpaka sary Karana iray efa nadrombaka ny amboara tamin'ny fakana sary. Maneho ny "Fiainana serôpôzitifa" mitondra ny tsimok'aretina VIH na “Positive Lives”, fampirantiana ny setriny ataon'ny olona momba ny VIH/SIDA moa izany tamberina izany.

2008-12-06

China ,
Taiwan (ROC)

Mpikatroka ara-tsosialy Wobblies no miteny ao amin'ny twitter-ny (zh): “Teo ampahalalako ny fandavan'i (filoha) Ma ny famangian'ny Dalai Lama an'i Taiwan, no nanombohako nieritreritra fa marina ny nolazain'ny naman'ny raiko. Nolazainy ary fa na manana olona mitovy endrika sy vatana tanteraka aminy (fr: sosie) ity filoha ity, na efa takalon'ainan'olon-kafa. Sa ahoana ary no dia adala be tahaka izao ity Filoha ity?”  Lynn Miles moa lasa lavitra ny fisainany amin'ny hoe ahoana moa no ieritreretany fa zavatra tsara ny fandavan'i Ma  ny Dalai Lama(en).

2008-12-05

Zamaika: Andro eran-tany natokana ho an'ny SIDA

Natokana ho andro eran-tany ho an'ny SIDA ny anio [01 desambra], ary amin'ny maha-faritra iray manana tahan'olona somary ambonimbony ihany miaina miaraka amin'ny otrik'aretina VIH/SIDA azy, dia mety halaim-panahy hieritreritra ny maro hoe hiresaka momba azy io ny ankamaroan'ireo mpamaham-bolongana Karibeana - saingy ny tontolon'ny fitoràhana bolongana ao Zamaika ...

Ezypta: Nandà ny hihaona amin'ny filoha Bush i Wael Abbas

Mpamaham-bolongana Ezypsiana iray antsoina hoe Wael Abbas no nilaza tao amin'ny bolongany fa nolaviny ny fanasana hihaonana amin'ny (filoha Amerikana George Herbert Walker) Bush. Nandika ny lahatsorany avy amin'ny teny arabo i Marwa Rakha.

2008-12-04

Renata+Ainara=Fitiavana

Miresaka momba ny fiovan'ny fokonolona mandrafitra ny mponina ao Moskoa renivohitra ny mpamaham-bolongana Rosiana.

2008-12-03

RDC: Sariitatra politika KôngôleyVideo post

Tsy ampyiray volana izay no nametraka ny governemanta vaovao ny filoha Kôngôley Joseph Kabila mba ahafahana mampitony ny tsikera maneho ny tsy fahafehazany ny herisetran'ny mpioko anyamin'ny faritra atsinanana, mao amin'ny mpamaham-bolongana ary no mijery matroka ny ho avin'ny firenena. indreto ary misy sariitatra mahalaza kokoa noho ny teny maro.

Shina : Fitokonan’ny mpamily fiarakaretsaka, sendikà ary demaokrasia an-dalambe

Nitokona nanditra ny iray volana ny mpamily fiarakaretsaka nanerana ny firenena. Tany Chongqin no nitranga ny fitokonana voalohany tamin’ny 3 Novambra teo, niitatra tany Hainan, Gansu, Yunnan, Shandong, Qingdao, Jinan, Fujian, Shantou, Wubei, Shaanxi ary tanàna hafa maro koa izany. Tahaka ny hoe nisy fitokonan’ny mpamily fiarakaretsaka ny 1 Desambra teo ...

2008-10-23

Haiti ,
U.S.A.

Lavitra dia lavitry ny fahatalanjonana mahita ny fanohanan'i Colin Powell an'i Barack Obama, The Haitian Blogger no miteny: “Eto Haiti, Powell no ‘Mpitarika Mainty niandraikitra ny' fandravana ny demôkrasia teto Haiti sy nametraka ny saribakolin'ny fitondran'i Bush, Gerard Latortue.”