The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Politics Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Politics

2008-09-10

Kenya

Sukuma Kenya no manoratra momba ny fisamborana ireo mpikatroka politika any Kenya: ‘Mihaika tanteraka indray ny fahafahantsika mivory ny pôlisy nisambotra mpikambana ao amin'ny Bunge La Wananchi mba hampihorohoroana azy ireny. Tohin'ny famelezana ny fiaraha-monim-pirenena izao.”

Armenia ,
Turkey

Taorian'ny fitsidihana manantantara nataon'ny filoha Tiorika Abdullah Gul tany Yerevan tamin'ny faran'ny herinandro teo hanatrika ny lalao fifanintsanana ho amin'ny amboara erantany nifanaovan'i Arimenia sy  Torikiateo akaikin'ny filoha tompontany ; Serge Sargsyan, Security in the Caucasus no manadihady ny dingana manaraka eo amin'ireto firenena roa mifanakaiky nefa mifampihafahafa ireto.

Maraoka: Mpitoraka blaogy nosamborina, avy hatrany dia voasazy

Androany maraina (Alatsinainy 8 septambra 2008), navoakan'ny tranonkala mpampahalàla vaovao Hespress [amin'ny teny Arabo] fa nosamborina tany an-trano fonenany tao Agadir ilay mpitoraka blaogy Mohammed Erraji.Lahatsoratra iray momba ny Hespress nosoratan'i Mohammed Erraji [amin'ny teny Arabo]no toa niaingan'ny fisamborana, nefa samy tsy nisy nanamarina, na ilay fisamborana, na ny fifandraisana ...

2008-09-09

Olympics

“Volam-pihobiana ity olana Septambra ity ho an'i Tirinite sy Tobagô ary Jamaika noho ny figadonan'ireo Atileta nandray anjara tamin'ny lalao olaimpika tany Beijing farany teo tany an-toerana”: Caribbean Beat Blog te-hanomboka ny fety izany!

Haiti

jmc strategies no niteny fa “Tafapetraka amin'ny fomba ofisialy ho Piraiminisitra Haisiana hajaina izao i Michèle Pierre-Louis…Hanokatra Toko amin'ny fanamby lehibe indrindra hatrehin'i Haiti amin'ity taompolo ity :Ny fanorenana indray taorian'ny fandravana nisesy nataon'ireo rivodoza Fay, Gustav, Hanna ary Ike.”

2008-09-07

Saudi Arabia ,
U.S.A.

Mpamaham-bolongana mipetraka any Arabia Saodita Nzingha, manan-janaka dimy, no mahatsapa fa diso ny masontsivana itsarana an'i Sarah Palin: “Tsy tokony hisy ny tsy hanohana azy noho ny mahareny azy fotsiny tahaka ny tsy tokony hanohanana an'i Palin satria vehivavy izy. Tsy miankina amin'ny nonony tsy akory ny fahafahany manatontosa ny asa, fa miankina amin'ny safidy politikany, ny traikefany, ary ny vina hataony ho an'ny fireneny rehefa voafidy izy.”

2008-09-06

Taiwan (ROC)

Ny bolongan'i Michael Turton no miresaka ny fiantraikany amin'ny sehatra politika ny fihenan-danjan'ny tapakilam-pifampivarotam-petra-bola any Taiwan.

2008-09-05

Barbados ,
Cuba

Raha 'somary nampiaiky azy kely ihany ny kabarin'i Palin (kandidà repobilikana miray lisitra amin'i McCain) halina' ny mpamaham-bolongana Kiobana ampielezana Babalu, Ilay mpamaham-bolongana Barbadiana ampielezana Jdid kosa niteny hoe: “Niezaka ny hitsikera an'i Obama amin-javatra tsy dia misy dikany efa nitsikerana azy taloha izy, tsy namaky lay tamin-javatra hafa izy ary amin'ny toetry ny tarehiny tahaka an'i Tina Fey sy ireny paingotra malemy ireny moa ho ahy na ho an'olon-kafa antenaina avy aminy ho lasa ‘Mivantana avy any New York amin'ny Sabotsy alina?”

2008-09-02

Madagascar

Gazety Avylavitra no namoaka sary vitsivitsy ny nisamborana mpitarika mpanohitra iray nosamborina ampahibemaso indrindra dia Atoa Henri Lecacheur tao amin'ny toerana misy ny tsena (taloha) ny zoma maraina (8/29/008) ary polisy misarontava no nisambotra azy (mg).

2008-08-26

Palestina : Hafaliana noho ny namotsorana ireo voafonja

Hafaliana no nitsenan'ny palestiniana ny famotsorana ireo voafonja 199 tany Israely. Tamin'ny Alatsinainy no nambara ny famotsorana azy ireo, ary mety nokendrena hifanindry amin'ny fahatongavan'i Condoleezza Rice any Israely. Efa imbetsaka moa no nahemotry ny mpanatanteraka Israeliana ity famotsorana ireo voafonja ity ary nanao fifidianana telo izy ireo mikasika ity raharaha ...