2009-10-28
Israely: Horonantsary maneho ny olan'ny fanakatonana ireo sisintanin'i Gaza
Eo amin'ny tontolon'ny blaogy Israeliana, tsy dia tsapantsika loatra hoe misy mihaino na dia tsy misy miteny aza, izay no nitranga tamin'ny fanombohan'ny sarimihetsika fohy antsoina hoe “Closed Zone.” Sarimihetsika maharitra 90 segondra momba ireo faritra fivezivezena nohidiana any Gaza, “Closed Zone” izay efa in-31.600 nojerena ary ...
2009-10-20
2009-10-18
2009-10-16
Ginea: miaramila nijoro vavolombelona tamin'ny famonoana ny 28 septambra tao Conakry
Ity resadresaka teto ambany ity dia fijoroana vavolombelona nataona miaramila Gineana iray nandray anjara tamin'ny famoretana ny fihetsiketsehana nataon'ny mpanohitra tany Conakry, any Ginea, tamin'ny 28 Septambra 2009. Noraisimpeo tamin'ny alalan'ny antso an-tsofindavitra ary navoakan'ilay mpanao gazety frantsay Olivier Rogez tao amin'ny Radio France Internationale tamin'ny voalohany Oktobra 2009, roa ...
2009-10-14
2009-10-11
Mbola tolona mafotaka ny an'ny mpamaham-bolongan'i Gabon
Nandeha nankany Gabon hanampy amin'ny fitateram-baovao amin'ny alalan'ny Twitter, facebook ary ny bolongana samihafa ny mpandika teny ao amin'ny Global Voices teny malagasy Adriankoto Harinjaka Ratozamanana fa tandindonin-doza ny mpanao gazety ao. INdro ary ny fitantarany.
2009-10-10
Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?
Tamim-pahagagana sy tamim-pahatairana no nandraisan'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Ejipsiana ny fahazoan'ny filoha Amerikana Barack Obama ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana: Amin'ny fomba ahoana moa no ahazoan'ny filoha manangana ady amina firenena lavitra azy no hahazo ny lokan'ny fandriampahalemana? Mbola hitantara maromaro amin'io amintsika i Tarek Amr
2009-10-08
Maraoka: Rehefa tsy sivana dia fandraofana
Nanoritra ny làlany teo amin'ny tontolon'ny blaogy ilay kisarisary
Ny minisitry ny Atitany Maraokana dia nanapa-kevitra ny hitory ny gazety mpivoaka isan'andro amin'ny teny Arabo Akhbar Al Youm noho ny famoahana sariitatr'ilay Printsy vao nanambady, Moulay Ismail. Tao amina fanambarana ofisialy, no namaritan'ilay minisitra ilay sariitatra ho “manimbazimba ny ...
2009-10-06
Costa Rica: Filoha teo aloha migadra 5 taona noho ny kolikoly
Kostarikana mihoatra ny 14000 tsy afa-nijery fahitalavitra androany [alatsinainy] no afaka nanaraka mivantana ny fitsarana ny filohany teo aloha Rafael Ángel Calderón nanomboka tamin'ny telo ora tolakandro tamin'ny alalan'ny vohikala telo farafahakeliny no niara-nanapa-kevitra hitantara azy an-tserasera [streaming] , zavabita tsara indrindra [record] izany ho an'ny tambajotran-tserasera Kostarikana. Tsy ...
2009-10-04
Libanona: Hatezerana misonga noho ny fampiatoana ny fanamboarana ny toby Palestiniana
Nirongatra ny fahatezerana sy ireo mpanao fihetsiketsehana noho ny fandraisan'ny governemanta Libaney fanapahan-kevitra hampiato ny fanamboarana tobin'ny mpitsoa-ponenana Palestiniana, Nahr el Bared. Mampiseho ny tsy fahafaliany ao amin'ity lahatsoratra avy amin'i Antoun Issa ity ireo mpitoraka blaogy.






