· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jolay, 2012

Maoritania: Diplaomaty Nandoro Tena

Minitra vitsy nialoha ny Iftar (fotoana fampitsaharan'ny Miozolmana ny fifadian-kanina fanao rehefa Ramadany ), Hassan Ould Abba [ar], Maoritaniana iray diplaomaty izay niasa amin'ny maha-mpanolotsaina azy tao amin'ny Masoivoho Maoritaniana ao Koety, dia nandoro tena [ar] tao amin'ny distrikan'i Ksar, any Avaratr'i Nouakchott, renivohitra Maoritaniana. Nihazakazaka hamonjy azy ihany ny fiaran'ny mpamonjy voina, saingy maty talohan'ny nahatongavany tany amin'ny toeram-pitsaboana izy.. Mamintina ny fanehoan-kevitra tety anaty aterineto i Ahmed Ould Jedou.

Syria: Fampianarana An-tserasera Momba Ny Ady Sy Ny Fampiasana Fitaovam-piadiana

  Mitodika amin’ny tranokala momba ny fampianarana  ady ireo mpikomy Syriana. Ity no andraikitra farany narakitra  tao amin’ny fampahalalam-baovao sosialy, izay efa nahazo hoby lehibe noho ny andraikitra nosahaniny amin’ny fanaparitahana vaovao sy ny fanentanana ny olom-pirenena mandritra ity Lohataona Arabo ity Fantsona YouTube amin’ny anarana hoe FSAHelp (Fanampian'ny Tafika Syriana Afaka) namoaka...

Kiobà: Mafàna Fo Mpiaro Ny Zon'Olombelona Voadaroka, Voasambotry Ny Mpitandro Filaminana Tamin'ny Fandevenana An'i Payá

  28 Jolay 2012

Ny 23 Jolay teo, nambaran'ireo mafàna fo amin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy ny haino aman-jery vahiny any Kiobà fa raha iny niverina avy nandevina an'i Oswaldo Pay, mpitarika ny Vinavinan'asa malaza Varela sady nahazo ny loka Skharove an'ny parlemanta eorôpeana ho an'ny fiarovana zon'olombelona sy ny demokrasia ry zareo, dia nisambotra olona eo ho eo amin'ny 50 ny polisim-pirenena kiobàna.. An'isan'ireo voasambotra ireo Guillermo Fariñas sy Antonio Rodiles.

Fanjakan'i Baroa ve i Tonizia?

Mafana tanteraka ny adihevitra nanomboka tamin'ny 19 Jolay raha nosokajian’ i Mahmoud Baroudi, mpikambana ao amin'ny Antenimieram-panorenana (NAC) ho “Filohan'ny Repoblikan’ akondro [Fanjakan'i Baroa] ny filoha vonjimaika Moncef Marzouki. Niteraka savorovoro tanteraka tao anatin'ny Antenimiera izany fanambarana izany. Nangataka tamin'i Baroudi ireo depiote mpikambana ao amin'ny antoko telon'ny firaisan'ny governemanta mba  hitsipaka ny fanambarany....

Bahrain: Lehilahy Antitra Nosamborin'ny Polisy Satria “Niaro Ireo Vehivavy”

Tsy ilaozan'ny fisamborana ihany koa ny olona antitra mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana “tsy nahazoan-dalana” tao Bahrain, fihetsiketsehana tokony hofaizin'ny fanjakana. Araka ny nambaran'ny mpiserasera, lahy antitra roa no voasambotra noho ny “fiarovany ireo vehivavy saiky nosamborin'ny polisy” tao an-tanànan'i Karzakan. Mpanao gazety mpakasary Mazen Mahdi, nitaraina momba ilay fisamborana. Hoy...

Palestina: Mahatsiaro Ilay Mpanao Sariitatra Naji Al Ali

Marihana androany, [ 22 Jolay] ny faha-25 taona namonoana ilay mpanao sariitatra politika Palestianiana Naji Al Ali, malaza amin'ny tsikera ataony amin'ny fitondrana Arabo mpanao didy jadona sy i Isiraely izy. Teraka tao amin'ny tanàna kely Al-Shajara i Al Ali tamin'ny taona 1936 na ny taona 1937. Nandritra ny adin'i Arabo-Isiraely tamin'ny taona 1948, izay...

Madagasikara : Tsoa-kevitra Tamin'Ilay Fiokoana Farany Teo

  25 Jolay 2012

Tamin'ny Alahady 22 Jolay lasa teo, roa maty, 4 naratra nandritra ny fifandonana teo amin'ny miaramila tao amin'ny toby iray ao Ivato, Madagasikara, anisan'ny namoy ny ainy tamin'izany ny kaporaly Koto Mainty, mpiambina taloha an'ny minisitry ny fiarovana, Jeneraly Noël Rakotonandrasana. Tahaka ireo fifandonana efa nisy teo aloha, miseho ny...