· Janoary, 2009

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Janoary, 2009

Madagasikara: Fahapotehana tsy roa aman-tany

  31 Janoary 2009

( Zandary eny an-tanàna, sary Mehmoud Karim) ) Taorian'ny rotaka nandritra ny roa andro sy ny fahafatesan'olona heverina ho 80 manerana ny firenena, ny fandrobana toeram-pivarotana ampolony dia milamindamin-dratsy ny firenena ankehitriny. Mivezivezy manerana an'Antananarivo ny miaramila ary samy miantso fitoniana ny roa tonta ankehitriny. Miantso hanaovana an'Antananarivo ho “tanàna...

isiraely: Fa aiza i Mahmoud al-Zahar?

  28 Janoary 2009

Loharanom-baovao Palestiniana iray no voatsonga tao amin'ny Sunday (alahady) raha nilaza fa naratra nandritra ny andro farany nanaovan'ny Isiraeliana fanafihana tany Gaza ny Loholona ambony ao amin'ny Hamas Atoa Mahmoud Zahar. Nolazain'ny gazety fa nalefa haingana tany Kairo ny tenany mandra-pahatongan'ny ekipana mpitsabo tany aminn'y toerana misy azy. Tsy nisy...

Madagasikara: Miverina mba handatsa noho ny rotaka ny tantara!

  27 Janoary 2009

Tena azo itokisana fa tsy avy amin'ny polisy io tovolahy kely io. Ahitanao setroka haintrano ao ambadik'ilay tovolahy. (Sary nalain'i Maika Razafindranbeza ao amin'ny takelaka Facebook) Samy lasan'eritreritra amin'ny fivadihan'ny toe-draharaha teto madagasikara ho lasa fandrobana, fanjakan'ny Baroa ary ny fahabangan'ny fahefana ny mpikambana ao amin'ny Yahoo! forum; Ahoana no...

Madagasikara: Niato ny fifampiraharahana, niitatra ny korontana

  27 Janoary 2009

Mba nisy masoandro nihiratra kely ihany ny hisian'ny famahana ny olana ara-tsosialy teto Madagasikara. Samy nilaza ny roa tonta avy amin'ny fitondrana sy ny fanoherana fa hisy ny fihaonana omaly. Niato anefa izany fihaonana izany rehefa tsy nifanaraka tamin'ny fepetra mialoha ny roa tonta. Mandritra izany fotoana izany dia mbola...

Madagasikara: Rivodoza nandravarava nanome lalana ny tadiom-politika

  25 Janoary 2009

Nivoaka ihany nony farany ny antontan'isan'ny fahapotehana nateraky ny rivodoza Fanele rehefa avy nandalo andro vitsivitsy teto Madagasikara. Nisidina tany amin'iray amin'ny faritra nandalovan'izany rivodoza izany ny filoha Ravalomanana hijery ny haben'ny fahavoazana. Tadiom-panomezam-baovaon'olo-tsotra Raha mbola tsy manana vohikala ho azy ny BGNRC (sampan-draharaha misahana ny fikarakarana raha misy ny...

Shina: Vitanao ve ry Obama?

  24 Janoary 2009

Nahavita ny fianianany amin'ny mahafiloha Afrikana Amerikana azy voalohany, sy ao anatin'ny fitiavan'ny vahoaka azy indrindra i Obama. Nahavory vahoaka hatramin'ny 2.000.000 moa ny fametrahana azy amin'ny toerany ary tapatapaky ny firefodrefotry ny tehaka sy ny hora-pihobiana tsindraindray eny ny kabariny. Mireondreona avy amin'ny mpanatrika mangoro-potsy ny antsoantso miady rima...

Indonezia: Fanontaniana ho an'i Obama

  23 Janoary 2009

Bolongana 27 968 no nampiditra ny anarana Obama tany Indonezia tanelanelan'ny 20 sy 21 Janoary. Fanamin'izany, saika nandefa mivantana ny fametrahana tamin'ny fomba ofisialy avokoa ny fahitalavitra tany an-toerana rehetra halina.

Faritra Arabo: Fanehoan-kevitra @ fitokanana an'i Obama

  21 Janoary 2009

Androany (20 janoary) no fotoana manan-tantara eto Etazonia hanaovan'i Barack Obama fianianana amin'ny maha-prezidà faha-44 azy. Raha nihanihena ny fanohanana an'i Obama any @ tontolo arabo nandritra izay volana vitsy nanginany sy nanginan'ny governemantany nandritra ny fahafihan'ny Isiraely tany Gaza izay, dia mbola manana zavatra maro hotenenina kosa ny mpamaham-bolongana...