· Oktobra, 2008

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Oktobra, 2008

Haiti: ny faneken'i Powell

  23 Oktobra 2008

Lavitra dia lavitry ny fahatalanjonana mahita ny fanohanan'i Colin Powell an'i Barack Obama, The Haitian Blogger no miteny: “Eto Haiti, Powell no ‘Mpitarika Mainty niandraikitra ny’ fandravana ny demôkrasia teto Haiti sy nametraka ny saribakolin'ny fitondran'i Bush, Gerard Latortue.”

Barbada, Trinite sy Tôbagô: Dokambarotra ratsy

  23 Oktobra 2008

Satria moa nipongatra indray ny fanafihana mpizahatany tao Tobago, Bajan Global Report no miteny: “fa na  toy ny tsy misy dikany io na mampatahotra, dia tsy tokony ho ekentsika velively ny lazan'ny fanafihana mpizahantany. Amin'ny mahavahiny azy ireo eto amin'ny faritra misy antsika, ny adidintsika dia ny miaro ny diany...

Botsoana: Mogae no nandray ny loka Mo Ibrahim

  23 Oktobra 2008

Natolotra  ny filohan'i Botsoana teo aloha ny loka Mo Ibrahim: “Mogae izany no faharoa nahazo ity loka  malaza fanome isan-taona ity. Ny loka Mo Ibrahim no loka lehibe indrindra manerantany ho an'olo-tokana. Ny loka fisantarana moa dia norombahin'ny filoha teo aloha Mozambikana Joachim Chisano tamin'ny herintaona.”

Pakistana: Filohan'ny foko vonoin'ny mpitolona

  23 Oktobra 2008

Chowrangi no mitatitra fa kendren'ny mpikatroka (antoko politika) ny filohan'ny foko maro any Pakistana: “Ny rafi-pandaminan'ny foko mihitsy no kendreny…Vonoiny izay mpitarika foko sy zokiolona ao aminy izay miasa ho an'ny goverinemanta ao an-toerana na mifandrairay amin'ny masoivohona antoko politika any amin'ny faritra misy azy.”

Ghana: Mitory ny vaomieran'ny fifidianana ny kandidà iray

  23 Oktobra 2008

Ampangaina ho nanintsana kandidà ho filoham-pirenena iray  ny vaomieran'ny fifidianana any Ghana: “Raha tsy nahafeno ny fepetra rehetra ahafahana mifaninana amin'ny fifidianana amin'ny volana desambra ho avy izao Atoa Dan Lartey mpitondra tenin'ny Antokom-bahoaka lehibe tafaray [Great Consolidated Popular Party (GCPP)], dia mikonokonona ny hametraka fitoriana any amin'ny fitsarana ny...

Afrika: Mpanohana tokana an'i McCain eto Afrika

  17 Oktobra 2008

David Sasaki no nandefa lahatsarin'ny mpanohana an'i McCain eto Afrika: Ao anatin'ny eritreritra endri-panohanana dia ity ny lahatsarin'ny mety ho tsara indrindra amin'ny mpanohana an'i McCain eto Afrika. Raha tadidiko tsara dia toa “George Kennedy” no anarany.

Liberia : Fanarenana ireo fantsona fampahalalam-baovaom-pirenena

  10 Oktobra 2008

Mitohy ny dian'i David Sasaki, any Monrôvia, ary mitatitra mikasika ny fanarenana ireo fantsona fampahalalam-baovaom-pirenena any Liberia izy : Developing Liberia’s national media is key to 1.) promoting democracy, 2.) promoting national identity, and 3.) fighting corruption. We have been visiting all the different players involved in Liberia’s media development....

Liberia : Tantara fohin'i Liberia

  09 Oktobra 2008

Amin'ny famangian'i David Sasaki, an'i Monrôvia, any Liberia izay hampianarany ireo Liberiana izay fomba fanaovana blaogy. Nanoratra fohy ny tantaran'i Liberia izy : Liberia’s history – and specifically its relationship with the United States – is fascinating. The country was founded and colonized in 1847 by freed Black slaves from the United States....

Venezoelà: Kiraron'ny tanora sosialisitra toa efa mahazatra

  06 Oktobra 2008

Simón Bécquer avy ao amin'ny Alternative Reality blog ao amin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe Ny  kiraro Converse ho an'ny tanora Sosialisitra [teny esipaniolona] no mampiseho antsika sary fanentanana ny tanora venezoeliana, izay ahitantsika tanora ampanaovina kiraro sosialisitra. Na izany aza, hita ho manana endrika mahazatra hafahafa ihany ilay kiraro...

Azerbaijan: Bolongana mpanaramaso ny fifidianana Eoropeana iray

  06 Oktobra 2008

Eny an-dalana ho any Azerbaijan i The Continuing Adventures of Super Steve (Ny tohin'ny tantaran'ilay mahery Steve) hanaramaso ny fifidianana ho filoham-pirenena any amin'io firenena io amin'ny 15 Oktobra ho avy izao. Milazalazazava-bitsivitsy momba an'Azerbaijan ho an'ny mpamakiny ny bolongana ary manambara ihany koa ny fomba  fiasan'ny vondrona iraisam-pirenena OSCE/ODIHR mpanaramaso...