· Septambra, 2008

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Septambra, 2008

Venezoela:Noroahin'ny Filoha Chavez ny Fikambanana Tsy Miankina Human Rights Watch

  30 Septambra 2008

Miaramila maro mirongo fiadiana no nalefa hisambotra an'i José Miguel Vivancos, mpitondra tenin'ny Fikambanana Tsy Miankina Iraisam-pirenena Human Rights Watch, ary nandroaka azy hiala an'i Venezoela ora vitsivitsy taorian'ny nanaovany tatitra nandritra ny fihaonana iray tamin'ny mpanao gazety, “Folo taona nitondran'i Chavez : Tsy fifandeferana ara-politika sy fotoam-bery maina ho...

Shina: Handratra ny fontsika ve ny loka Nobel ho amin'ny fandriampahalemana?

  28 Septambra 2008

Efa tsy dia tena faraidiny loatra ny tantana raha nahazo ny loka Nobel momba ny haisoratra i Gao Xingjian tamin'ny  2000; Niarahaba ilay nizaka ny zom-pirenena Shinoa teo aloha i Zhu Rongji, ary notazonin'i Wikipedia fa fotoana mahafinaritra ho an'ny haisoratra Shinoa ny nandrombahany azy tamin'ny faha-100 taonan'ny Loka Nobel,...

Japana: Namoaka DVD ilay mpanao politika Yuri Fujikawa

  21 Septambra 2008

Ny hivoahan'ny [ja] DVD mampivoitra ilay mpanao politika japoney 27 taona Japanese Yuri Fujikawa [藤川 優里], mpikambana ao amin'ny antenimieran'ny tanànan'i Hachinohe [八戸市] ao amin'ny Pirefekitioran'i Aomori [青森県], izao no ambentin-dresaky ny dinika (forum) rehetra [ja]. Raha hitamberina ny nidirany tamin'ny asany voalohany tamin'ny fiandohan'ity taona ity, dia nantsoina hoe...

Arabia Saodita: Ankamamian'ny Saodiana ve i Sarah Palin?

  16 Septambra 2008

American Bedu no maminavina raha azo atao olom-pirenena Saodiana filamatra i Sarah Palin: “Manohana ny fampianaram-pamoronana ny tany sy ny eo aminy izy fa tsy ny fampianaram-pivoaran'ny tontolo…Tsy manaiky ny fanalan-jaza izy… Ary ‘tokony’ hahalala zavatra maro momba ny solika izy satria avy any amin'ny fanjakana mpamokatra izany any Amerika.”

Bolivia: mihatra ny lalàna miaramila any Pando

  14 Septambra 2008

Miatrika fihetsiketsehana sosialy hatrany i Bolivia amin'izao fotoana izao, raha mibodo ny tranom-panjakana maro ao Santa Cruz ny vahoaka mpanohitra, ary vao nisy fifanandrinana nifanaovany tamin'ny mpanohana ny fitondrana nahafatesana 15 tany amin'ny faritry Pando. Vokany, nampihatra ny lalana miaramila tamin'io faritra io ny fanjakana.Nitaky ny hialan'ny masoivoho Amerikana Phillip...

Iran: Revolisionan'ny fahamahanam-bolongana

  14 Septambra 2008

The Blogging Revolution (Revolisionan'ny famahanam-bolongana) nosoratan'i  Antony Loewenstein dia ho azo vidiana ao Amazon rehefa kelikely. Miresaka momba an'i Iran, Ezipta, Syria, Arabia Saodita, Shina ary Kiobà indrindra io The Blogging Revolution io. Eto no ilazalazany ny mombamomba ny boky.

Kenya: Nosamborina ny mpikambana ao amin'ny Bunge La Wananchi

  10 Septambra 2008

Sukuma Kenya no manoratra momba ny fisamborana ireo mpikatroka politika any Kenya: ‘Mihaika tanteraka indray ny fahafahantsika mivory ny pôlisy nisambotra mpikambana ao amin'ny Bunge La Wananchi mba hampihorohoroana azy ireny. Tohin'ny famelezana ny fiaraha-monim-pirenena izao.”

Arimenia: fifandraisana amin'i Torikia, ahoana indray ny manaraka?

  10 Septambra 2008

Taorian'ny fitsidihana manantantara nataon'ny filoha Tiorika Abdullah Gul tany Yerevan tamin'ny faran'ny herinandro teo hanatrika ny lalao fifanintsanana ho amin'ny amboara erantany nifanaovan'i Arimenia sy  Torikiateo akaikin'ny filoha tompontany ; Serge Sargsyan, Security in the Caucasus no manadihady ny dingana manaraka eo amin'ireto firenena roa mifanakaiky nefa mifampihafahafa ireto.

Maraoka: Mpitoraka blaogy nosamborina, avy hatrany dia voasazy

  10 Septambra 2008

Androany maraina (Alatsinainy 8 septambra 2008), navoakan'ny tranonkala mpampahalàla vaovao Hespress [amin'ny teny Arabo] fa nosamborina tany an-trano fonenany tao Agadir ilay mpitoraka blaogy Mohammed Erraji.Lahatsoratra iray momba ny Hespress nosoratan'i Mohammed Erraji [amin'ny teny Arabo]no toa niaingan'ny fisamborana, nefa samy tsy nisy nanamarina, na ilay fisamborana, na ny fifandraisana...