Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Politika

27 Jolay 2014

Filipina: Filohan'ny ‘Ady Amin'ny Kolikoly’ Miatrika Antso Fitsipaham-Pitokisana Noho Ny Fiahiahiana Azy Ho Manao Kolikoly

Taorian'ny nilazàny Fitsarana Antampony ny maha-tsy araka ny Lalàm-panorenana ny famatsiambola ny fandaharanasa iray tantaniny, ampangaina ho manao kolikoly ny filohan'i Filipina Benigno Aquino III, izay nandresy taminà fiaraha-mientana manohitra ny kolikoly.

Mbola Bahanan'i Tajikistan Hatrany ilay Tambajotra Sosialy Rosiana Malaza

Mandray ny andraikitra feno sy tanteraka amin'ny maha-mpiaro ny ara-moralin'ny daholobe azy governemanta ao Tajikistan - ary mpiaro manoloana ireo fanaratsiana ny governemanta. Nanampy isa ny Youtube ao anatin'ny lisitr'ireo tranonkala voabahanan ny tambajotra Rosiana Odnoklassniki, tamin'ny 18 Jolay.

26 Jolay 2014

Nanaisotra Ny Maha-olompirenena Ireo Mpikambana Ao Amin'ny Fanoherana i Koety

Niteraka fahatezerana manerana ny Helodranao ny fanapaha-kevitr'i Koety hanaisotra ny maha-olom-pirenena ireo mpikambana ao amin'ny mpanohitra. Mitantara amintsika ny anton'izany i Noor Mattar.

25 Jolay 2014

Tsy Mahomby Amin'ny “Vaovao Sandoka” i Rosia, Saingy Tena Izy Kosa Ny Fahalalahan'ny Aterineto Miaraka Amin'io

Akon'ny RuNet

Nanao sarintsarinà "fandranitana ara-tsaina" hafahafa ny tompon'ny fantsom-pahitalavitra TV Rain mba hahatakarana ny tandindon-doza mety hahazo ny fahalalahan'ny aterineto ao Rosia.

Fouad Masoum Voafidy Ho Filoha Irakiana Vaovao

Nanana filoha vaovao ihany i Iràka. Fouad Masoum, Kiorda politisiana 76 taona no voafidy ho eo amin'io toerana io.

24 Jolay 2014

Hahafantatra Izay Ho Filoham-pireneny Manaraka i Indonezia, Demaokrasia Fahatelo Goavana Manerantany

Miandry fatratra ny valim-pifidianana filoham-pirenena notontosaina tamin'ny 9 Jolay 2014 teo ny Indoneziana, izay ho ambara amin'ny 22 Jolay. Hitondra filaminana sa fikorontanana izany?

Miondrika Amin'ny Mpitandro Ny Filaminana Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Miaro Ny Demokrasia Any Hong Kong, Fa Tsy Amin'ny Ray Aman-dreniny Mandritra Ny Sakafo

Olona an'arivony maro no naneho mafy ny fitakiany fifidianana malalaka, fa maro amin'ireo mpikatroka mafàna fo no mbola sahirana miresaka amin'ireo ray aman-dreny mitàna ny heviny taloha.

23 Jolay 2014

Hena Lany Andro Aroson'ny McDonald, KFC Sy Ireo Sakafo Tselatra Ao Shina

Ity no tantara ratsy farany indrindra namely an'i Shina, izay nolalovanà andian'olana tato anatin'ny taona vitsy, isan'izany ny resaka ronono nisy poizina tamin'ny 2008 izay nahafaty zaza menavava enina.

22 Jolay 2014

Manahy ity Rosiana Mpanoratra Gazety ity Fa Mety Hifindra avy any Tajikistan Mankany Rosia ny “Tahotra Mpitsikilo”

Ny Tetezana - The Bridge

Efa ho iray volana izao no nitazonan'ny manampahefana Tajik tsy ara-drariny an'i Alexander Sodiqov avy ato amin'ny Global Voices ho manao asam-pitsikilovana. Tokony hampanahy ny Rosiana koa ity "santatra Tajik" ity, araka ny fandresen-dahatra nataon'ilay mpanoratra gazety Igor Rotar.