The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Saripika Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Saripika

2009-03-05

Kyrgystan: Tambatsary tsy misy hevitra politika

Tapitra ny vanim-potoanan’ny ririnina, ary miandry ny lohataona mafana I Kyrgyzstan: ny fivorivoriana, ny hetsika fitakiana sy ny sisa. Kanefa aleho kosa mba hiresaka ny hatsarana isika e, fa tsy hoe ny politika tsisy farany io foana. Mba nanao ahoana izay ny sarin-drininina tao Kyrgyzstana? Nendefa am-bolongana ny sary tokan’ilay olo-malaza ...

2009-02-22

Shina: Manao atsangory eo ambozon'ny filoha Mao

Tamin’ny 19 Febroary, dia mivezivezy aty anatin’ny aterineto ny sary izay mampiseho ankizivavy iray atao atsangory eo ambozon'ny Filoha Mao. Ekena fa sarivongana mijoro ao Plaza ao Hunan ilay nosoavaliny  , tanàna fiavian’ny Mao io. Kanefa, nvetivety monja dia nameno ny voalohan'ny takelaka maro ny sary, ary  nahazo tsikera miisa ...

2009-02-19

Tontolon’ny Arabo: Miaina anaty rivotra!Video post

Voarakotra tafio-drivotra goavana ny sakeli-tany arabo manontolo, mahatonga ny vahoaka any Bahrain, tao Kuwait, tao Arabia Saodita, Yemen, Iraq ary ny firaisan’ny Arabo entin’ny Emir (United Arab Emirates) hiaina anaty rivo-manempotra. Ireo ny horonantsary, sary sy bolongana nampidirina mahakasika ny toetr'andro mahatsiravina izay tsy fahita amin'ny vanim-potoana toy izao ao anatin'ny taona.

2009-02-03

Israely: Tatitry ny Rosiana iray, mpanao gazety an-tsary

Dmitry Kostyukov (LJ user kostyukov), mpanao gazety Rosiana, dia mamita iraka any Israely amin'izao fotoana izao. Tamin'ny volana Aogositra 2008, nandrakotra ny ady tany Osetia atsimo izy, ary ity misy fampisehoana mandritra ny 6 minitra ny sary nalainy tany: Hatramin'ny namoahany iny sary iny tao amin'ny blaoginy tamin'izy efa tany Israely, ...

2009-01-04

Ankapobe: Fihetsiketsehana manohana an'i PalestinaSary post

Mitsangana hanohana an'i Gaza izao tontolo izao. Anjato arivony (an'hetsiny hoy isika) ireo olona amin'ny vazantany efatra nanao fihetsiketsehana nandritra izay dimy andro izay. Hatrany Boston ka hatrany Beirota, Le Cap ka hatrany Caracas, maro ireo olom-pirenena naneho ny firaisankinany amin'i Gaza. indreto ary misy rakitsary izay notovozina tao amin'ny  Flickr: Osama ...

2008-12-13

Cambodia

Noraran'ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny sarimihetsika any Kambôdza ny mpikarakara hetsika ara-kolontsaina iray tsy hampiseho sary manangona voalavo, ny sarin'ny mpitarika ny mpanohitra  Sam Rainsy ary saripikan'ny olona milahatra ho any Phnom Penh hitaraina amin'ny Praiminisitra.

Mong Palatino

2008-12-02

Korea Avaratra any amin'ny bolonganaSary post

Sarotra ny mahazo vaovao avy any Korea avaratra. Raha misy ny olona liana amin'io tanàna io dia tsy maintsy any amin'ny bolongana na dinika napetrak'ireo nitsidika farany io firenena io no todihiny ahafahany mihevitra momba ny toe-javamisy farany any amin'io firenena io. Hitsidika ny tanànan'i Kaesong isika amin'ity lahatsoratra ity, hanadihady ny anjerimanontolo vaovaon'i Pyongyang ary hanamarika ny hafatratry ny fitiavan'ny koreana tavaratra ny marika sarimpamantarana (pins) ny mpitondra ao aminy, eny fa na dia efa ivelan'ny fireneny aza izy.

2008-11-28

Mumbai: May ny Taj Hotel

Misy ny maneho ny sary nopihany amin'ny flickr sy any amin'ny toeran-kafa ankoatra izay asehon'ny fampahalalam-baovao mahazatra. Sary maro dia maro ohatra no asehon'i Arun Shanbhag amintsika ka hatramin'ny ra mandriaka, ny diantsaoka [fanaon'ny polisy amaritana ny paozin'ny olona niharandoza na tavela] ka hatramin'ny fahamaizan'ny Taj Hotel. Azonao jerena ato ...

2008-10-04

Kôlômbia: Diam-pahafahana manerantanySary postVideo post

Taorian'ny fanavotana ireo olona be mpahalala 15 azo takalon'aina teo ampelatanan'i FARC tamin'ny 2 jolay, dia nanapa-kevitra indray ny fikambanana izay efa nanao diabe nanoherana ny Vondrotafika revolisionera Kolombiana(FARC) tamin'ny 14 feboroary fa tokony hisy indray izany ny 20 jolay, androm-pahaleovantena nisitahana tamin'i Esipaina. Ny lahatsary sy ny sary no maneho ny fomba nankalazana ny fahaleovantena sy ny fanafahana avy amin'ny vazantany efatra, sy izay mifangarika amin'ny dikan'ny teny hoe firenena sy fahafahana.

2008-10-02

Bahrein : Tendrombohitra any Ecosse sy any OmanaSary post

BuZain mpiblaogy avy any Bahrein no manao fampitahana ara-tsary ny mahasamihafa ireo tendrombohitra any Ecosse sy any Omana. Ato jerena raha tianao ho fantatra izany fahasamihafana izany.