· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Desambra, 2012

Bengladesy: Voakiana ny Haino Aman-Jery Noho ny Tsy Famonjena ireo Tra-Doza

  29 Desambra 2012

Tamin'ny 9 Desambra 2012, novonoin-ko faty tamin'ny fomba feno habibiana i Biswajit Das 24 taona, nandritra ny fotoana fanakanan-dalana adiny 8 nataon'ny mpanohitra, teo anatrehan'ny besinimaro ary koa mpanao gazety maro avy amin'ny haino aman-jery maro izay sahirana naka sary sy nandrakitra lahatsary ity loza niseho ary tsy nanao na inona na inona mba hiezaka hamonjy ity tanora amin'ity fiafarana mahatsiravina. Tohina sy alahelo no mipololotra avy amin'ny haino aman-jerim-bahoaka.

Ejipta: Graffiti Mameno ny Tambohon'ny Lapam-Panjakana iasan'ny Filoha

Tahaka ny tsara kosoka indray ny fisainana revolisionera ao Ejipta, noho ny fandrobaham-pahefana nataon'ny filoha Mohammed Morsy – ilay fanapaha-keviny vao haingana manitatra ny fahefany. Niteraka hetsi-panoherana nanerana ny firenena ny fanapaha-kevitra, ary ny nalaza indrindra dia ny sit-in natao manodidina ny Lapam-Panjakana. Ny mpaka sary Jonathan Rashad, izay navitrika tamin'ny fampiasana ny...

Ndao Hifidy ny Zava-Mahatalanjona Natoraly Fito Tsara Indrindra Eto Afrika

  03 Desambra 2012

Misy fifaninanana isan-taona nalefa ho an'ny daholobe hifidianana ny zava-mahatalanjona voajanahary fito tsara indrindra eto Afrika, ary efa mandeha izany fisafidianana izany amin'izao fotoana . Misy ireo faritra voajanahary mahavariana tsy voafantina, ka nisy blaoga vitsy nanoso-kevitra tamin'ny alalan'ny bilaoginy. Indreto ny sasany aseho an-tsary: