· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Marsa, 2012

Porto Riko: “Androm-pirenena Ho An'ny Salsa” Ao Amin'ny Sekolin'ny Haikanto.

  27 Marsa 2012

Isan-taona,  ny Alahady fahatelo ny volana Martsa no hankalazaina ao Porto Riko ny Androm-pirenena ho an'ny Salsa. Na dia izany aza, nisy ireo hetsika isan-karazany nifandraika amin'izany fankalazana lehibe izany nandritra ny volana martsa  manontolo. Toy izany ny tamin'ny Alahady 11 Martsa teo, tao amin'ny Sekolin'ny Haikanto momba ny Mozika ao Porto Riko...

Thailandy: Fomba Miavaka Manokana Fandravahana Fiarakaretsaka Ao Bangkok

  26 Marsa 2012

Noforonina efatra taona lasa izay, ny bilaogy Still Life in Moving Vehicles dia nanasongadina karazan-tsary samihafa mahasondriana amin'ny fanaingoana ireo fiarakaretsaka ao Bangkok. Dale Konstanz, izay nanomboka nanangona ireny sary ireny efa ho taona dimy mahery izao, dia mitantara ny aingam-panahy nanosika azy hanao ilay tetikasa anaty aterineto. Indreto ny sasany amin'ireo sarinà talismans, ireo olo-masina ara-pivavahana, ary sary apetaka maneho resaka politika

Lahatsary: Mpilalao Surf, Mpanjono ary Taratra Mampididoza Taorian'ny Horohorontany Tao Japana

  21 Marsa 2012

Nanatontosa lahatsary fanadihadiana momba ny fiainan'ny olona miady amin'ny taratra radioaktifa taorian'ny horohorontany tao Japana ilay mpanao gazety Lisa Katayama  sy ilay mpanatontosa sarimihetsika Jason Wishnow. Tao amin'ny lahatsary Radioaktifa (akora mampidi-doza) Isika Rehetra, ahitana sary 50% nokirakirain'izy ireo manokana tao amin'ny faritra manodidina ny Foibe Mpamokatra Herinaratra ao Fukushima izay...

Pôrtô Rikô: “Sary Iray Ve Dia Atahorana Mafy?”

  07 Marsa 2012

Lahatsoratra avy tamin'ny mpanao gazety mpaka sary Ricardo Alcaraz ny gazety-boky an-tserasera 80 Grados tamin'ity herinandro ity no nilazany fa ny filohan'ny oniversite an'i Puerto Rico, Miguel Muñoz no nanasivana ny iray tamin'ireo sariny [es]nokarakarainy noho ny fitsingeranan'ny faha-25 taona nivoahan'ny gazetin'ny oniversite mivoaka isam-bolana Diálogo. Alcaraz sisa no hany mpanao gazety tokana tavela tamin'ireo ekipa tao voalohany tamin'izany....

Pôrtô Rikô: Diabe Hanoherana Ny Fantsom-pitaterana Solika

  03 Marsa 2012

An-jatony ireo olona manerana ny nosy iray manontolo no nandray anjara tamin'ilay "Diaba Nasionaly: Mijoro manohitra mafy ny Fantsom-pitaterana Solika i Pôrtô Rikô" izay notarihan'ilay fikambanana Casa Pueblo. Mizara vitsivitsy amin'ireo sariny nandritra ity hetsika tao San Juan ity ilay mpanao gazety amin'ny alalan'ny sary, Ricardo Alcaraz.

Mali: Ny Renirano Niger An-Tsary

  02 Marsa 2012

Nanao fitsidihana sekoly ambanivohitra vitsivitsy tamin'ny alalan'ny sambo nentin-drazana Maliana i Boukary Konaté, ao anatin'ny fikambanan'ny Global Voices ao Mali, vao tsy ela akory izay noho ny tetikasam-pampianarana aterineto tontosainy. Io dia io no nahafahany manavatsava sy nakany sary ny karazan-javatra maro hita ao amin'ny fireneny manaraka iny reniranon'i Niger mirefy 4184 km iny. Indreto sary noraisiny hojerenao