GlobalVoices anaty

nomad green

Tahiry Lohahevitra · 3 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i nomad green

21/03/2012

Greencore: Fanasongadinana Ny Feon'ireo Mongôla Momba Ny Fahasimban'ny Tontolo Iainana

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

Ny Greencore.org dia ONG iray avy ao Mongolia izay nitarika ny fanadihadiana tao Matad ao Dornod Aimag teo anelanelan'ny Aprily ka hatramin'ny Oktobra 2011. Ity tetikasa ity dia nitaona ny olona tao an-toerana izay nandray anjara mba hameno ny CRC (Citizen Report Cards, Tatitra an-tSarintany avy amin'ny Olom-pirenena) misy fanontaniana miisa 13 momba ny heviny mikasika ny fahasimban'ny tontolo iainana ao amin'io faritra io. Zaraina voalohany indrindra ao amin'ny bilaogin'izy ireo ny tatitra izay natao tamin'ny fiteny Mongôla.

20/01/2012

Nomad Green: Ahiahy Mikasika Ny Ulaanbaatar

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

Manely ny heviny ireo mpanao gazetim-bahoaka miaro ny tontolo iainana ao amin'ny Nomad Green mikasika ireo olana manodidina ny tontolo iainana mihasimba any Mongolia. Navoaka amin'ny teny Mongoliana ireo lahatsoratra ireo ary voadika amin'ny teny Anglisy sy Sinoa ny sasany amin'izy ireo.Mijery ny sasany amin'ireo vaovao vao haingana ao amin'ny Vohikalan'ny Nomad Green isika anatin'ity fitetezana ity.

30/12/2010

Nomad Green: Amoron-tevan'ny faharavan'ny tontolo iainana i Mongolia

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

Ireo olon-tsotra mpampita vaovao ao amin'ny Nomad Green dia miezaka manentana mikasika ny fahasimban'ny tontolo iainana ao amin'ny firenen-dry zareo amin'ny fitodihana amin'ireo vahoaka Mongoliana sy ny mpamaky avy amin'izao tontolo izao. Taterin-dry zareo ny loza mitatao zakain'ny tontolo iainana ao Mongolia noho ny fiovan'ny maripana erantany sy ny ataon'ny olombelona.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny