GlobalVoices anaty

Vaovao

Tahiry Lohahevitra · 6 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Vaovao

12/04/2013

Bilaogera Tshadiana Nofonjaina

Tohin'ny lahatsoratra

Nitatitra ny  Internet Without Borders (Internet tsy misy sisintany) fa nosamborin'ny miaramila tao N'Djamena, renivohitr'i Tshady tamin'ny 22 marsa i Jean Laokolé, mpanoratra sady bilaogera Tshadiana. Nisy ny fanangonan-tsonia natao...

02/04/2013

Voampanga Ho Naniratsira, Bilaogera Telo Voatàna Am-ponja Any Bangladesh

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Nitazona bilaogera miisa telo ny Sampam-pitsikilovan'ny Polisy ao Bangladesh - Rasel Parvez, Mashiur Rahman Biplob & Subrata Adhikari Shuvo - omaly alina noho izay ambara fa nosoratan'izy ireo tsy manisy vidiny ny finoana Silamo sy ny mpaminany Muhammad. Hatramin'ny omaly, ilay sehatra malaza fitorahana bilaogy Amarblog.com dia lasa tsy azo nidirana intsony avy ao Bangladesh. Mbola mila fantarina ihany koa raha toa ka ny manampahefana no nibahana azy io ary noho ny antony inona.

14/11/2012

Ejipta: Hijanona Eto Ve Ny Vetaveta Anaty Aterineto?

GV Mpisolovava

Anivon'ireo olana manery indrindra ny firenena amin'izao fotoana izao ny ady mitohy mikasika ny lalàm-panorenana Ejiptiana amin'ny hoavy sy ny fitokonan'ireo mpiasan'ny fahasalamana Ejiptiana izay naharitra iray volana mahery ... sa izy ireo mihitsy no loha-laharana? Araka ny fantatra dia nanapa-kevitra ny Mpampanoa lalàna fa mila teatra bebe kokoa ny vahoaka ary nanambara fa hanomboka hisakana ireo vohikala mamoafady i Ejipta.

29/05/2012

Video Lahatsoratra
Nabeel Rajab: Mitohy Ny Tolona Any Bahrain

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Navoaka tamin'ny alalan'ny fandoavana onitra $800 ny Filohan'ny Foibe Bahraini momba ny Zon'olombelona, Nabeel Rajab, hoy ny mpisolovava azy, Mohamed Al Jishi. "Ity no fotoana voalohany teo amin'ny fiainako nitanana ahy nandritra ny fotoana naharitra. Namafisin'ny zavatra niainako tany am-ponja ny finoako fa mpanao didy no mifehy antsika. Mila miziriziry hanohitra isika, ary hiady mafy hanohitra ity famoretana sy tsy rariny ity mandra-pahatanteraka ireo fangatahana rehetra izay nanatanterahantsika hetsi-panoherana tamin'ny 14 Febroary. Hitohy ny tolontsika mandrapahazoantsika ny zontsika rehetra."

23/02/2012

Iran: Voarahon'ny Mailaka “Ho Voasazy Ianao” Ireo Mpanao Gazety

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Maro ireo Iraniana mafana fo sy mpanao gazety no nahazo mailaka milaza fa ho voasazy izy ireo araka ny lalàna "Famaizana Islamika" ao amin'ny Repoblika Islamikan'i Iran.

02/11/2011

Nampiantrano ny Valan-dresaka Iraisam-pirenena Mikasika Ny Momba Ny Tena Manokana Sy Ny Fahalalahana Maneho Hevitra i Meksika

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Ny firohotana The Public Voice dia nampiantrano valan-dresaka iraisam-pirenena tao an-tanànan'i Mexico ny 31 Oktobra 2011, ary nanasàna ny rehetra mba handray anjara tamin'izany fifanakalozan-desaka izany sy hiserasera amin'ireo mpamelabelatra.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny