The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Mozika Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Mozika

2009-02-19

Ny Balkana: “An’iza ity hira ity?”

Namoaka ny tahirin-kevitra “An’iza ity hira ity” ny mpitoraka bolongana maro Masedonina tamin’ny alalan’ny Bulgariana iray Talen’ny Adela Peeva izay ao amin’ny blaogin’izy ireo ihany ary nanomboka niresaka ity tantara ry zareo. Nalaina horonantsary io tahirim-pahalalana io ho fitarihan-kevitra ka ity talen’ny Adela Peeva ity no nahita izany nandritra ny fiara-misakafo hariva niaraka tamina namana (Masedoniana, Serba, Grika, ary Tiorika (Turk)) tao Istambul, ka tamin’izany no nilazan’izy rehetra hoe ny hira mandeha ao anatiny dia avy any amin’ny tanin’izy ireo.

2009-02-15

Andro manokana StValentin: Misy ny fitiavana ve eny amin’ny lanitry proche Orient?

Raha misy dikany anarivony ny sary iray, dia io no sarin'i Cece, izay miorina anelanelan'i Bahrain sy Kuwait, nalefany amin’ny bolongana mba hamehy ny fahatsapany mikasika ny fetin’ny mpifankatia (saint Valentin). na dia tsy irery aza izy amin’ny fanazavana ny fombafomba, izay mbola vaovao tanteraka ho an’ny faritra, ny hafa kosa ...

2009-01-17

Brunei: fampisehoana fahitalavitra mivantana “Passport to Fame”

Manana ny fankafizany manokana ny télé réalité toy ny firenen-kafa i Brunei amin'ny fisafidianany izay mpihira tiany indrindra. Nahatratra ny faratampony ny andiany faharoa tamin’ny fifaninana ny P2F(Passport To Fame) tamin’ny nioahan'i Dayat ho mpandresy tamin’izany. RanoAdidas dia nitatitra ny fizotran’ny lanonana ka nivoahan'i Dayat ho mpandresy ao amin'ity blaogy ...

2008-12-18

Kostarika: Antso fanomezana oronantsary KrismasyVideo post

Ny nosedecirlaerre.com, fivondronan'ny mpampihomehy Kostarikana an-tserasera, izay azo adika hoe "Tsy mahay manonona R aho" dia dia niantso ny fandraisana anjaran'ny Kostarikanina sy ny fahazarany amin'ny kolontsainy mba hamorina fiaraha-miasa antsary hoan'ny krisimasy. Ny fampahafantarana dia nantsoina hoe Uniting Ticos For Christmas and Requirements na hoe hampiray ny Ticos ho an'ny krisimasy ary tsotra ihany ny zavatra takiana: mandihy amin'ny fomba kositarikanina, miangaly ny "swing criollo" hira malazan'i Jugo de Piña fanao isaky ny faran'ny taona sy ny firesahana amin'ny alalan'ny tenin-jatovo kostarikaniana, ao anatin' ilay oronantsary.

2008-12-14

Arabia Saodita: M-Rock ny vehivavy Saodiana

Vondrona tovovavy saodiana izay no nanandratra ny feon'izy ireo mba ho re - tamin'ny fomba tsy mbola fahita firy tao Arabia Saodita mpandala ny fomban-drazana. Ao amin'ny Muslimah Media Watch, dia hoy i Ethar mitantara izany ho antsika : Misy buzz izay any amin'ny aterineto miresaka momba tarika mpiangaly rock iray vao ...

2008-12-05

Fandraisam-peo ny ôrikesitra saifônika virtoaly voalohany ataon'ny YoutubeVideo post

YouTube izao no mikarakara tetikasa vaovao ho fiaraha-mietana: Manasa ny mpahay mozika manerantany ity orinasa ity mba halaina feo (sy sary) amin'ny fananganana orikesitra saifônika avy amin'ny vazantany efatra virtoaly voalohany. Manana fotoana hatramin'ny faha28 ny volana janoary 2009 ho avy izao na ny mpankafy tsotra na ny matihanina amin'ny resaka mozika hisintona ny taratasin'ny taindalitra sy hampiseho amin'ny alalan'ny lahatsary (vidéo) izay halefany amin'ny alalan'ny serasera ny talentany (sy ny fahaizany).

2008-11-01

Russia ,
Azerbaijan

Manome voninahitra ilay Miozolmana Magomayev ny bolongan'ny fikambanana politikan'ny raharaham-bahiny Russia, “ilay sovietika tsy misy fangarony malaza sy mamirapiratra” izay “manana taleta sy nahavita zavatra maro: olona mendri-piderana tokoa nefa artista anisambahoakan'ny Firaisana Sovietika; Mpampianatra opera mahay ny tendrin'i Sinatra; taranaka fianakaviana artista sy mpitsoka mozika avy amin'ny sarangan'ireo tsy noheverina loatra; mpivezivezy any amin'ny toerana maro ary efa nisoho sehatra tao amin'ny La Scala ary nahalany tapakila sy nahafeno an'i Paris Olympia nefa tsy nivena tamin'ny fizakany ny zom-pirenena Sovietika ary niverina nody mandrakariva; ;  ‘Harem-pirenena’ niakatra tsikelikely anivon'ny fiaraha-monina any Moskoa, nefa tsy nanapaka mihitsy ny fifamatorany akaiky amin'ny Bakò niaviany.”

2008-10-01

Nicaragua

Ampangain'ilay mpamaham-bolongana Nikaragoana Ingrid Bergman ny tarika (mpihira) maromaro tsy manana fijoroana ara-panjakana nefa dia tsy manana olana amin'ny fahazoana fanohanana ara-bola mihoa-mpampana. Ao amin'ny bolongana Sweet Orchid (voninkazo mamy) no anondroan'ny mpanoratra fa mahazo fanohanana ara-bola avy any ivelany saingy antsoiny fa “fanasana vola azo tamin'ny tsy rariny” ny tarika toa an'i Milly Majuc , Carga Cerrada ary División Urbana .

2008-09-06

Cuba

Teraka 100 taona katroka izay ilay namorona ny hira Kiobana malaza indrindra “Guantanamera” nosoratan'i  Joseíto Fernández, ary nanoratra ny hira nandritra ny faha-20 ny taonany, hoy ny nosoratan'i VivirLatino.

2008-08-12

Olympics

Nadikan'ny China Digital Times ho amin'ny teny angilisy ny resadresaka nifanaovany tamin'i Chen Qigang, mpandrindra ankapobeny ny hira nandritra ny fotoam-panokafana ny lalao olaimpika, ary nanambaran'ity farany fa feon'ankizy hafa efa noraisimpeo mialoha ny feo henon'ny rehetra nandritra io lanonampanokafana io.[avy amin'ny mpandika teny: tsikaritro iny ka! nisy manko fotoana bitika dia bitika hitako tsy nifanandrify tsara feo sy ny sary, ankoatra ny tsy fiezahan'ilay zaza hihira mafy nefa mafy anie izany feo izany e!]