· Febroary, 2013

Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Febroary, 2013

Ny Fandraisan'i Trinidad & Tobago Ny Harlem Shake

  24 Febroary 2013

Ny hala-tahaka 'meme' farany tety anaty aterineto nifandroritana, ilay Harlem Shake, izay nandihizan'ny olona tamin'ity hira ity, dia tonga toy ny tafiotra ihany koa any Trinidad sy Tobago ankehitriny –lafy iray any ambadiky ny tany, any Queensland, Aostralia izay nanombohan'ny 'meme' rahateo. Mitondra vitsivitsy amin'ireo lahatsary ity lahatsoratra ity...

Maleziana, Psy: “Aza Miakan-tsehatra Hihira Ho An'ny Antokon'ny Fitondrana Mpanao Kolikoly”

  22 Febroary 2013

Nahazo fanasana avy amin'ny Praiministra Najib Razak sy ny antokon'ny fitondrana Barisan Nasional (BN) ilay mpanakanto malaza Psy mba handray anjara aminà lanonana karakarain'izy ireo ao Malezia, kanefa raha tokony hiarahaba azy ho tongasoa, mpankafy marobe no nankao amin'ny pejy facebook-n'i Psy niangavy azy tsy hanatrika sy tsy handray anjara amin'ny lanonana Taombaovao Shinoa. Voalaza fa amin'ny alalan'ny fanasana an'i...

Vongan-dranomandry Fatwa, Mifanaiky Ny Hisintaka Ny Sehatra ilay Tarika Vehivavy Voalohany Tao Kashmir

  11 Febroary 2013

Nisintaka ny tarika voalohany tsy ahitàna afa-tsy vehivavy miangaly gadona rock avy any amin'ny faritra Indiana iray rotiky ny ady ao Kashmir taorian'ny didy iray navoakan'ny mpitari-pivavahana silamo iray milaza fa tsy mifanaraka amin'ny maha-Silamo ny fitondrantenan'ireo vehivavy. Lasibatr'ireo fanimbazimbana tety anaty sy ivelan'ny aterineto ihany koa ilay tarika mpiangaly mozika nandalo toy ny aloka.