· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Novambra, 2012

Nampisaritaka Ny Lalàna Vaovao Momba Ny Zon'ny Mpamorona Any Japana

  16 Novambra 2012

Nihatra ampahany nanomboka ny voalohany Oktobra lasa teo ka mahavoasazy ny fitrohana [telechargement] tsy ara-dalàna sy ny fikiahana DVD ho amin'ny fampiasana ho an'ny tena manokana ilay lalàna voahitsy momba ny fizaka-manana [copyright] any Japana. Raha voasambotra ny olona iray dia higadra hatramin'ny roa taona na voasazy handoa onitra 2 tapitrisa yen, izay...

Goiana: Mampitroatra Ireo Mpisolovava Mpiaro Amin'ny Herisetra Ny Seho An-tsehatr'i Chris Brown Hatao Atsy Ho Atsy

  04 Novambra 2012

Tamin'ny 2009, rehefa niely ny vaovao fa nidaroka an'i Rihanna, mpihira teratany Barbadiana manga feo ny olon-tiany tamin'izany fotoana, Chris Brown, dia tezitra ireo mpitoraka bilaogy tao Karaiba. Ny firesahana momba ny seho an-tsehatr'i Chris Brown any Georgetown hatao atsy ho atsy dia mahatonga ireo mpitoraka bilaogy hiresaka mikasika ny hafatra mampidi-doza entiny eo amin'ny herisetra atao amin'ny miralenta.

Top 10 Amin'ireo Fakàn-tahana ny ‘Gangnam Style’

  04 Novambra 2012

Namotika ny zava-bita tsara indrindra eran-tanin'ny "Guiness World record" ny hira manintona ny saina sy fomba fandihy mitapitapin'ilay Koreana Tatsimo mpiangaly gadona rap 'Gangnam Style' ho an'ireo lahatsary be "mpitia" indrindra teo amin'ny tantaran'ny YouTube sady niteraka fakàn-tàhaka tsy tambo isaina. Indreto ny 10 tsara indrindra tamin'ireny fakàn-tàhaka ny "Gangnam Style" ireny nofinidy tao anatin'ireo lahatsary mahatsikaiky maro.