· Jona, 2012

Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Jona, 2012

Myanmar: Mankalaza ny Tsingerintaona Nahaterahan'i Aung Ireo Mpampiasa Aterineto

  26 Jona 2012

Nandefa fiarahabana an'ilay mpitarika ny mpanohitra, Aung Suu Kyi izay any Eoropa noho ny fivoahany ny firenena voalohany indrindra taorian'ny roampolo taona izao, ireo mpampiasa aterineto ao Myanmar. Manontany tena ireo mpampiasa aterineto ny amin'ny antony tsy nandrakofan'ireo tambajotran'ny mediam-panjakana ny fanambarana nanolorana an'i Suu Kyi ny Loka Nobel an'ny fanriampahalemana.

Angola : Ny Mozikan'ny Fanoherana, Androny Tahaka Ny Omaly

  18 Jona 2012

Ireo fikambanana mpiaro n y zon'olombelona sy ireo bilaogera dia samy niteny faholo fa tandindonin-doza ny fahalalahana miteny ao Angola, amin'ny alàlan'ireo mafàna fo mpiangaly mozika. Mandritra izany fotoana izany dia natao tao Lisbonne ny fanomezam-bohinahitra ho an'ny mozikam-panoherana angoley izay ny tarika N'Gola Ritmos tamin'ny taona 50 sy 60. Fitetezana ny lasa izay mahatonga ny tena hisaina ny an,kehitriny ara-politikan'i Angola, nefa miha-manakaiky hatrany ny fifidianana.

Pakistana: Mandria Am-piadanana Mehdi Hassan, Mpanjakan'ny Ghazal

  17 Jona 2012

Nodimandry ny Alarobia 13 Jona 2012 i Mehdi Hassan Khan, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe 'Mpanjakalahin'ny Ghazal’, taorian'ny aretina nitarazoka tany anatinà trano fitsaboana tany amin'ny tanànan'i Karachi any Pakistana.. Manome ny fanomezam-boninahiny azy ireo mpampiasa aterineto.

Brezila: Mpihira Fanta-daza Manome Voninahitra Ilay Reniny Tsy Manam-paharoa

  14 Jona 2012

ilay mpihira Maria Rita dia nanao andianà fitetezam-paritra tao Brezila nanao seho maimaim-poana ho fanomezana voninahitra ny reniny efa nodimandry, Elis Regina, iray isan'ny endrika malaza amin'ireo mpiantsehatra mpiangaly mozika Breziliana. Lasa lohahevitra noresahana be tao amin'ny Twitter nanerana an'i Brezila sy izao tontolo izao ilay izy satria ireo mpankafy n y mpihira roa tonta dia samy nanondraka ny media sosialy tamin'ny fahatsapany avy amin'ilay seho avokoa.