· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Avrily, 2012

Maraoka: Mihamahazo Vahana Ny Fanoherana Ny Fetibe Mawazine

Mety hampisy fiantraikany [ar] amin'ny fikarakarana ny Mawazine, fetibe maraokana, noho ny toe-javamisy feno tolona isan-karazany manerantany sy noho krizy ara-toekarena. Fetiben'ny hira iraisampirenena fanao isan-taona ao an-drenivohitra maraokana Rabat ary hotontosaina ny 18 ka hatramin'ny 26 Mey [fr] ny Mawazine amin'ity taona ity. Efa nisy ny mpihira iraisampirenena nandray anjara...

Andro Iray Eto An-Tany: Nivoaka Ny Rakikira Niaraha-Mientana Manerantany

  10 Avrily 2012

Nisy rakikira an-dahatsary iray nivoaka ho fanomanana ny fiaraha-mijery manerantany [mg] ny sarimihetsika nifarimbonana manerantany One Day on Earth [Andro Iray Eto An-Tany], izay hotontosaina any amin'ny toerana maro samihafa manerana ny planeta mandritra ny Andron'ny Tany (22 Avrily 2012). Asongadin'ny lahatsary ny mpihira, poety, mpandihy noraketina an-tsarimihetsika nandritra ny fotoana mitovy 24 oran'ny 10 Oktobra 2012, izay niangalian'i Cut Chemist ny fanapatapahana sy ny fanambatambarana azy.