· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Marsa, 2012

Porto Riko: “Androm-pirenena Ho An'ny Salsa” Ao Amin'ny Sekolin'ny Haikanto.

  27 Marsa 2012

Isan-taona,  ny Alahady fahatelo ny volana Martsa no hankalazaina ao Porto Riko ny Androm-pirenena ho an'ny Salsa. Na dia izany aza, nisy ireo hetsika isan-karazany nifandraika amin'izany fankalazana lehibe izany nandritra ny volana martsa  manontolo. Toy izany ny tamin'ny Alahady 11 Martsa teo, tao amin'ny Sekolin'ny Haikanto momba ny Mozika ao Porto Riko...

Hampiantrano ny Fetiben'ny Kolontsaina Mozikaly lbero-Amerika “Vive Latino” Andiany Faha-13 I Meksika

  27 Marsa 2012

[Ao amin'ny tranokala teny-Espanola avokoa ny rohy rehetra, raha tsy misy ny fiovana] Mitoetra ho foiben'ny Fetiben'ny Kolontsaina Mozikaly Ibero-Amerika “Vive Latino” andiany faha-13 izay atao amin'ny 23, 24, ary 25 Martsa 2012 ny tanànan'i Meksika. Fetiben'ny mozika iraisampirenena ny Vive Latino, amin'ity indray mitoraka ity dia mbola hisy ny fampahafantarana lahatsary fanadihadiana,...

Porto Riko: Vondro-Nosin'ny Mozika Mahaleotena

  25 Marsa 2012

Ao anatin'ny ” fikarohana feo mahaleotena ao Porto Riko,” namoaka andian-dahatsary voalohany mitondra ny lohateny hoe Archipiélago [Vondro-Nosy] ny bilaogy mozika Porto Riko Indie. Kendrena ny handrakitra ho antontan-kevitra any amin'ny studio ny mozika mahaleotena miseho an-tsehatra ao an-toerana ho an'ireo mpanakanto mahabe fanantenana be indrindra ao amin'ny nosy. Efa namoaka andian-drindran-kira telo ny Archipiélago...

Rosia: Firaisana ara-nofo, Vehivavy, Putin ary ny Lahatsary

Akon  14 Marsa 2012

Toa nanjavona ireo tovovavy niantso sy nanentana mba hiboridana ho an'i Putin tamin'ny fahavaratra lasa teo. Koa satria efa hifarana ny fotoam-pifidianana any Rosia, ndeha asiana topi-maso kely ny fomba nivoaran'izany fihetsiketsehana izany, sy ny fomba nampirisihany ireo vehivavy hafa - na manohitra an'i Putin na momba azy - hanana saina mpamorona.

Puerto Rico: Fanentanana Ety Anaty Aterinto Ho Fanatsaharana Ny Césarienne tsy misy ilàna azy

  11 Marsa 2012

"Césarienne tsy misy ilàna azy" no anarana nomena ilay fanentanana natomboka tamin'ny herinandro voalohany amin'ity volana Martsa ity tao Puerto Rico, hikendrena indrindra ny mba hampihenana ny taha ambony loatran'ny fiterahana ampiasnana ny fandidina "césarienne" ao amin'ity firenena ity : maro amin'izy ireny no zavatra efa nomanina, atao hoe "C-sections" izay tsy manara-penitra ara-pahasalamana akory.