· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Janoary, 2012

Peroa : Mozika Krismasy Afro-Peroviana

  20 Janoary 2012

Ny Krismasy, fankalazana iray izay nentin'ny Espaniola tao Peroa tany amin'ny fanombohan'ny taonjato faha enina ambin'ny folo, dia neken'ireo vondrom-piarahamonina samihafa tao amin'ny firenena tsikelikely nandritra ny taona maro. Iray amin'ireny indrindra , ny vondrom-piarahamonin'ny mainty hoditra, izay saiky niara-tonga tamin'ireo Eropeana, sady Kistianina mafàna fo, no nahavita nampiditra ny maha-izy azy tao amin'ilay fety, naneho ny zavatra niainany manokana tanaty asa famoronana ara-javakanto natao ho fanomezam-boninahitra ilay fety.

Maraoka: Noafahana Ilay Mpiangaly Rap

Mouad Belghouat na “Al Haked” (Ilay Tafintohina), Artista mpiangaly rap 24 taona mpitsikera ny fitondram-panjaka Maraokana, dia noafahana ny fonja, izay nitazonana azy hatramin'ny volana Septambra, ny zoma lasa teo. Ny heloka ofisialy iampangana an'i Mouad moa dia ny fidarohana mpanao fihetsiketsehana mpiaro ny fitondrana saingy ny mpanohana azy kosa...