· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Oktobra, 2011

Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Fanasàna Tànana: Manova Fomba Amin'ny Alàlan'ny Hira sy Dihy

  16 Oktobra 2011

Fantatrao ve ny fomba hanasàna tsara ny tànanao? Avy amin'ny alàlan'ireo hira sy dihy, mampianatra ireo hafa ny fomba tena mety hanasàna ny tànany ireo olona manerana ny tany mba hampiroboroboana ny fahasalamana. Ny 15 Oktobra no Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fanasana tanana ary miaraka teny famantarana Manavotra Aina ny Tanàna Madio , manisy tsindrim-peo amina hetsika tsotra izay manampy amin'ny fanenana ny fahafatesan'ny ankizy noho ireo aretina azo sorohana izany.

Però: Mick Jagger Nitsidika an'i Lima

  11 Oktobra 2011

Nanomboka niely ny tsaho tamin'ny Asabotsy atoandro 8 oktobra lasa teo fa nitsidika an'i Lima i Mick Jagger. Nanomboka izany tsaho izany ny fandefasana  sary manjavozavo nalefan'ny Mpisionkatserasera César Bejarano (@Cesar_Bejarano) izay navoakan'ny gazety Perú 21 kinova an-tserasera ao an-toerana ihany koa. Ahitantsika olona mitovy amin'ilay mpanankato Anglisy fanta-daza ny ao anatin'izany....